Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Tsy voafehinao ny vavan’olona

Na miezaka manao ny tsara aza ianao, indrindra fa raha manao zavatra tsy ho vitan'ny ankabeazan'olona dia tsy maintsy misy olona tsy tia anao (na koa olona nitia fa tsy  nahazo valim-pitia ) ka manaratsy sy mahita kilema hokianina aminao hatrany, Aza miezaka manatsara ny « image » nao ho tsara na miezaka mamaly na mifanazava amin'ny « fanaratsiana » ataon'ny hafa, fa vao maika hijaly ianao, satria ho voafehifehy , ho voatery hanamboamboatra fihetsika sy hitandritandrina foana rehefa eny imason'olona na rahoviana , na aiza ihany koa na aiza, Tsy ho vita izany !  Sady ianao koa anie tsy anjely e ! Ho azo kianina foana ianao, Raha hoy ianao hoe « hipetrapetraka aho, tsy hanao na inona na inona aho , amin'izay dia tsy ahita ho kianina amiko ny olona » dia tsy hanakiana anao intsony tokoa izy satria tratrany ny tanjony dia ny tsy hanaovanao sy ny tsy ahavitanao na inona na inona intsony !


Aucun commentaire: