Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 30 octobre 2008

Tsy ilaina ny mifindra fiangonana...

  • Indraindray rehefa sendra olana eo anivon'ny fiangonana misy azy ny olona dia miezaka "manitsy" aloha izy, ary aty aoriana rehefa hitany fa tsy misy azo atao dia mifindra fiangonana izy.
Raha ny traik'efa nandalovako hatrizay anefa dia hitako fa tsy voatery ho ratsy hatrany na ratsy tsara hatrany ny "fiainan'ny fiangonana" satria na ireo vahoaka (fiangonana) na ireo mpitarika fiangonana dia "olombelona ihany". Indraindray "mety tsara ny fifandraisany amin'Atra, ary indraindray tsy mety, ny fahombiazany anio tsy miantoka ny fahombiazany rahapitso , toa izany koa ny fahalavoany anio dia tsy midika fa ho lavo hatrany izy....
  • Raha mahita fahamarinana vaovao ny olona dia rariny izy raha m ifindra fiangonana , fa raha mbola mitàna ny fahamarinana hatrany anefa ny fiangonany dia tsy misy antony tokony "hivoahany" satria tsy misy fahamarinana vaovao hita akory....
  • Midika ihany koa anefa izany fa "tsy azo lazaina fa mivoaka" izay mamonjy fiangonana hafa kanefa mitovy amin'ny fahamarinana niainany teo aloha no ao amin'ilay vaovao....
Aleoko tsy mifindra fiangonana , raha hoe tsy miova ny fahamarinana , na inona na inona faharatsiana hita sy re , ary tsapa,
  • Satria ny fahalavoako , na ny fahalavoan'ny hafa androany dia tsy midika fa ho lavo mandrakizay aho, ary ny olona no mety ho lavo fa tsy ny fahamarinana mihintsy...
Hatreto aloha !