Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Blem foana ve ity fitiavana ity e?

Mba rahoviana re no mba tsy hisy olona hanana olana amin'ity resaka fitiavana ity intsony e? , mampalahelo mihintsy isika olombelona, ny fitiavana tokony ho "vahaolana" indray no lasa olana! Indrindra fa hoantsika tanora. (Mbola ahazo vava ratsy amin'ny olon-dehibe amin'io isika, mba marina moa, holazain'ny sasany hoe "ka hoentinareo tanora amin'ny tsy izy tsinona ilay izy dia lasa olana! Hahaha! Ohatrireny dia tsy manana olana amin'ny vadiny ireny ry zareo! ", tsy anao marina ny lelo ka hoe "ahisino"!)

Ny fanotaniana efa novaliana tamin'ny 7 taona lasa no mbola misy manotany indray androany,

Ireo tanora vao nisondrotra koa, tsy mba mandray lesona tamin'ny zokiny fa mamerina ny fahadisoan'ny teo aloha indray, Dia tsimaintsy hampianatra mikasika ny fitiavana foana izany isan-taona e! Atao ahoana moa! Ka misy promotion foana isan-taona tsinona kou!


Resaka odimaso – Franc maçons, illuminatis !

Vita ampahibe-maso ihany ny resaka franc-maçons sy ny illiminatis eto anivon'ny fiangonana pokalypsy ela ny ela! Tsy dia sahy niresaka firy an'io mantsy izahay fa natahotra ho  tratry ny hoe "tsy azo resahina izany" na koa hoe "tsy misy dikany izany" indrindra moa ka hoe "tsy anjaranareo no miresaka an'izany (sanatria)" (tsy nisy nitranga akory ireo fanahianay ireo fa izahay fotsiny no be eritreritra teo…),

Ankehitriny dia efa vaky izao ny resaka  (isaorana ny Tompo Jesosy, isaorana koa ny "odimaso", bravo hoan'I Dkn E, fa mahate-hidera ny fahasahiany ! )

Ka dia afaka hilaza ny zavatra rehetra fantatray amin'izay izahay (ny tao amin'ny emission isika tanora moa no saika hitondranay azy io, saingy najanona tamin'ny ora farany izy tamin'izay fotoana izay). Raha ny fahitana ny fahalinan'ny olona dia mahavelombolo tokoa, saingy eo amin'ny fahatakarana ilay "resaka" no ohatry ny tsy dia….firy. Saingy tsy maintsy lazaina ny marina, izay mahatakatra mahatakatra, izay tsy mahatakatra mba mandray izay azony raisina eo!


Fampihavanam-pirenena!

Mba tsy azoko mihintsy ity resaka fampihavanam-pirenena ity! Inona no tena heviny? Misy milaza fa ny famotsoran-keloka fahobe no lazaina fa fampihavanam-pirenena, misy indray milaza fa ny fanomezana seza ny mpitarika politika rehetra na izay nanangana antoko politika rehetra no fampihavanam-pirenena?

Angamba kosa tsy ny firenena no niady fa ny mpanao politika e? koa tokony ry zareo no mifampihavana , izany hoe « fampihavanana mpanao politika, mandrapahatonga ny gidragidra manaraka indray » ve izany no atao?

Fa raha ny Malagasy mihintsy kosa no tiana hampihavanina dia tiako izay tanjona izay, dia omena famotsoran-keloka avokoa na ireo nanodikondimbolam-panjakana, na ireo nangalatra mangahazo sy ovy teny an-tsaha, fa tsy mety kosa raha hoe izay mpanao politika nangalatra ihany no mahazo famotsoran-keloka fa izay mpangalatra akoho tsy mahay politika dia tsy mahazo », ny sasany aza toa namono olona mihintsy ! Nanambàka vahoaka sy nibodo fananan'olona, nandromba firenena mihintsy fa tsy hoe namaky trano iray na roa fotsiny …

 Aleo foanana mihintsy aloha ny fonja dia avoaka daholo izay "nandiso" rehetra, dia mifampihavana avokoa ny Gasy manana ady amin'ny tribonaly rehetra, mety ho fety be mihintsy amin'izay no mitranga an ! « jobily famotsorankeloka » no atao anarany, dia andro tsy hiasàna kanefa handraisan-karama ! dia hotenenenina hoe « afaka 50 taona indray vao hisy famotsoran-keloka toy izao an ! » na hoan'ny olon-tsotra na hoan'ny manao politika adala

Sa isan'andro ny fetin'ny ankizy?



Mampigadra sy migadra!

Any ampigadrana daholo ny ankamaroan'ny mpanohitra mpanao politika sy ireo mpitari-tafika mahery fihetsika rehetra (ry charles, ry kotiti, ry fetison, sns) amin'izao fotoana izao, fa anjaran-dry Voninahitsy  sy ry Pety indray izao no mivoaka, tena lamaodin'ny mpanao politika mihintsy ilay migadra !

 

Raha ny eto amin'ny tanàna,aloha dia mila mahazaka ihany izay hanao politika e ! indraindray misidina ambony sy hajaina ohatry ny mpanjaka sady manjakazaka ohatry ny adala, sady manambola tsy fantatra hoe avy aiza ?, Tampoka avy eo indray dia matory eny ambony « ciment » any amponja, mivoaka avy eo « gotry tsy manam-bola » de mitarika vahoaka indray, d mitarika tolona sy miady seza, d misy rà latsaka (ny samy gasy ambany ihany no mifamono eo, fa ry zalahy kanosa matahotra poa-basy !) d miakatra ambony dia ambony indray fa nahazo seza , mandrapiandry ny fidinana anaty fonja manaraka! ….


mampalahelo raha ny mpanagadra no migadra aaaa!


Sao d « am le-fetsy »!

Izy dia tsy haiko mihintsy izay tena mba manjo azy, tsy mba toy  ny sakaiza rehetra hatrizay izy, milaza fa manana blem foana, izay torohevitra omena toa tsy misy mandaitra aminy mihintsy , sady be loha no be saina… mampalahelo ahy izy fa tena mandany « saina » be le mitady vahaolana hoazy, ny ankizivavy hafa anefa dia toa mba andairam-bahaolana daholo, sao dia mba tsy manana blem akory azany izy io fa tonga amin'ilay tenenin'i Zk Dina hoe « am le fetsy ! » mba marina moa, ny loza dia ho lasa problemako eo koa io ! Dray dray dray!