Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Pataloha jean !

Tena tiako ilay nampianatra momba ny fitafy kristiana tao amin'ny rantsana mpandalina foibe, Na dia  « manindrona » ny ankamaroan'ny ankizivavy aza ilay vontoatin-desona dia nahay nandray tamim-pahatsorana avokoa izy rehetra, ny fihomehezana sy ny sangisangy isan-karazany no tena mba tsy foiko mihintsy rehefa tafaraka amin'ireo ankizy namanay ireo…, lasa toy ny fialam-boly hoahy mihintsy ilay mampianatra soratra masina eny Itaosy!

 

Ilay resaka fitafy koa anie efa fantatry ny tsrairay ao am-po ao fa saingy minia manao adaladala fotsiny ny betsaka e !, sady toetra mampiavaka ny tanora koa ilay tsy mahazaka terena hitovy amin'ny olon-dehibe ka tsy dia hanomezana tsiny azireo loatra, Rehefa mba mahatsapa fotsiny ny tsirairay hoe « aoka izay » dia izay no tanjoko ! , fa sarotra ihany ilay mandresy lahatra ny ankizilahy hoe tsy hanao lamba jean rehefa hivavaka fa tsimaintsy hoe « pataloha velondrirana » !, na izaho aza tsy resy lahatra firy, sady izay « toko sy andininy » na argument entina manohana azy, tena « faible be » na azo lazaina hoe tsy misy mihintsy aza, fa dia « fisainana tandrefana » tsotra izao no terena hampiharina sy lazaina fa mihaja ! pffff   Saingy mba izay no mahafaly ny « olon-dehibe » fa tokony hatao dia aleo amprevéna ry zareo sao dia hisy hiteny indray hoe « le tanora tena be loha mihintsy ! »

 

Ny tena mba fitafy tiako izao an, rehefa mivoaka ny trano, d hanao kiraro mihaja, mipataloha jean mangamanga, ary malabary milay be no atao amboniny! Hahaha! Tena serieux…


Aucun commentaire: