Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Mandady fihavanana!

Fiteny ny hoe "mandady rariny", fa amin'izao fotoana izao dia tena mandady fihavanana mihintsy ny tena manoloana ny fianakaviana na dia ny zandry iray tampo sy ray niteraka izao aza,

Manahirana mihintsy ity fombafomba fivavahana ity! Fa lasa mampisaraka fianakaviana, ary tsy mba hoe adihevitra sy fifamaliana no mampisaraka fa dia fombafomba mihintsy…

Raim-pianakaviana manan-jafikely izao no tsy mba mitsidika ny zafikeliny mihintsy efa ho 3 taona, Fa sady tsy mba maniry hotsidihina no tsy mitsidika! Misy iraitam-po , na ny trano itoerany aza tsy hita, tsy tonga mamangy, tsy hita hotsidihina… nefa samy eto Antananarivo mba lalina mihintsy izao "fanahy" miasa izao… fa resin'ny fombafombam-pivavahana ve ny  fifankatiavan'ny mpiray tampo sy ny fifankazaran'ny ankohonana e? Ahoana re hoy I Neny raha mbola velona teo izy e?… soa ihany fa tsy mba mifanary amiko razandry lahy! Izahay roalahy sisa no mba mpihavana? Soa ihany !


Aucun commentaire: