Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 8 février 2011

Izaho ve no adala ?

Sakaiza ô !

Hatramin'ny nahatsiarovako saina aho dia niezaka mandrakariva mba ho havan'ny olon-drehetra (araka ny lalàna Tily), Ankehitriny anefa dia tsapako fa nandao ahy tanteraka ny atsasaky ny ankohonako, ny fianakaviana sasany moa dia efa ela no tsy nifanerasera firy hatramin'ny nahafatesan'i Neny..

Very fianakaviana sy mpiray tampo aho , kanefa nahazo namana marobe kosa ,tanora nobeaziko hatrizay, raiamandreny be diabe, ireo sakaiza sy mpiara-miasa ihany koa , manoloana ny asa anefa dia mahatsiaro tena ho vitsy an'isa ihany izahay !

 

Maro izireo no niaritra ny fomba fisainako izay mirifatra lava, tsy mandeha mora fa mihazakaza-dava…Ny tetikasa marobe mivoaka ato an-tsaiko toy ny rano vaky, vao vita ny eo dia mipoitra indray ny tetikasa manaraka ! …. Mibahana ato an-tsaiko foana ny voadiko tamin'i Jehovah hoe « hikarakara ny tanoranao aho Jehovah.. fa mba ankiniko aminao kosa ny .. » sy ilay teny fikasana nomena ahy hoe « hamboly sy hanongotra, handrava sy hanorina ! »

Marobe ireo tsiambaratelo na zava-miafina fantatro ankehitriny, kanefa izay mitombo fahalalana hono mitombo alahelo, tsapako fa tsy mitovy amin'ny olona tsotra mihintsy ny fijeriko ny fiainana, (indraindray dia miteny mihintsy Radina hoe « ho lazain'ny olona fa mitapy ialahy, fa tsy azon'ny olona ny zavatra manjo sy ataon'ialahy » satria fantatro marimarina ny fisian'ny asan-devoly izay mifehy na mikasa hifehy izao tontolo izao ity, ary tena ambava-loza i Madagasikara…

Ahoana anefa no ataoko hampahafantarana ny hafa ny zavatra marobe fantatro ?

 

Tena mampitsiry fanantenana ho ato anatiko ny faminaniana 2013 (Pasteur Mailhol), ary tsy hitako izay sakana sy antony tsy ahatanteraka izany faminaniana izany ! mbola misy fanantenana ihany izany hoan'i Madagasikara…

 

Kanefa malahelo ihany ny tena mahita ny akamaroan'ny tanora izay mbola variana tsy mahalala na inona na inona, tavela ao anaty fitiavan-tena, fifandirana sy fialonana ! tena tsy fantany mihintsy ve fa misy lozabe tsy roa aman-tany efa mahazo ny planetantsika ity anie e !, ary hikepoka an'ity firenena Madagasikara sy ity génération ity amin'izao ora sy fotoana izao ?

Variana amin'ny filàny kely avy ny olon-dehibe, ny tombotsoany no mibahana ao andohany, ny zanany, ny volany, ny tranony, ny sezany, ny bikany, ny film sy ny clip isan-karazany, ny voninahitra sy laza …Mihinana ambolony izay zavatra hitany amin'ny tele sy gazety ny olona,  mampite hihiaka hoe eh ! fa mitapina ve ny masonareo e ? tsy hitanareo ve io loza be mitatao io e ? Tontolo ohatry ny ahoana no havela hoan'ireo zandry kely ireo ? tontolo eo ambany vahoan'ny Satana ? tontolo potika sy tsy azo iainana ?

Efa tena mipetrapetraka anie ny tetikadin'i Satana e ! famindram-pon'ny Tompo Jesosy no mahatonga antsika mbola toy izao … tsy andron'ny ady an-trano intsony izao ! tsy izany intsony no resaka !

Sa dia avela hiady irery eo koa i Pasitera Mailhol ?

 

Mijoro manoloana ny banga !

Nanjary manao zavatra sy misahana zavatra marobe aho ! tena marina izany ( tahaka ireny olona mahita loza ireny ka mikoropaka miasa irery manao izay azo atao manetsina ny banga rehetra (combattre sur tout le front hoy ny fiteny vahiny) dia tena mahatsapa ny tenako ho toa izany aho !

Tsy azon'ny olona maro ny antony anaovako izao zavatra rehetra izao ! tsy fantany fa tahaka ny mpanonofy rehetra hatrizay dia maniry taranaka vaovao koa aho, fiaraha-monina vaovao, lavitry ny disadisa sy ny fitiavan-tena, lavitry ny ota sy ny filan-dratsy isan-karazany, taranaka feno fitiavana sy fandeferana ary firaisan-kina ary ….Planeta madio sy milamina,  tiako hatao sy enjehina atao daholo izay zavatra azo atao rehetra hanoherana ny asan-devoly sy ahatanteraka ireo nofinofiko ireo… 

 

Sa tsy ho tanteraka mihintsy izany nofinofiko izany fa izaho no adala ?

Iza re no mba ho namako, ka mitovy tanjona amiko ? aiza no ahitana azy ? ho maro sa ho vitsy ? tolory saina aho Jehovah ô !