Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 23 novembre 2010

Voady !

Voady !

Hiezaka anatanteraka ny voadiko hatrany aho ny amin'ny hikarakaranay mivady ny tanoran'ny Tomp, ka na inona na inona vato misakana , na inona na inona olana mitranga, tsy maintsy tanterahinay sy tontosainay ny voadinay aminy, fa anjarany kosa sisa no manatanteraka ny anjara fanekeny aminay mivady…


Rantsana vaovao…

Rantsana vaovao…

Lasa nisy rantsana vaovao hanampy ireo rantsana roa hafa izay efa mikarakara tanora ihany koa, milay izany! Sady ity rantsana vaovao ity dia hanana sehatra midadasika kokoa sy "liberté de movement" kokoa eto anivon'ny fiangonana, Tena tonga amin'ny tanjona notadiaviko hatrany amboalohany ny fandehanjavatra ankehitriny, dia ny hananan'ny tanora sehatra hivoarana, hifandraisana, hanompoana an'andriamanitra…(mahagaga ny Tompo , fa ao anatin'ny savorovoro sy ny sakoroka isan-karazany no miasa izy ary tsy ampoizina ny zavatra mipoitra, tena miara-miasa ahasoa izay tia an'Andriamanitra tokoa ny zavatra rehetra…)

 

Na eo aza ny fanahiako mahita ireo olon-dehibe izay ohatry ny mitsabaka loatra amin'ny fitantanana ny fanabeazana tanora dia tsy mampaninona izany! Ireo tanora promotion S koa tsinona efa hitako afaka manohy ny asa hanoro sy hiaro soamantsara ny tombotsoan'ireo zandriny …, efa nahazo sehatra sy manana ny maha izy azy ireo tanora ireo ankehitriny ka mahafaly ahy izany, efa mandray andraikitra daholo ny ankamaroan'ireo tinaiza fahiny na dia samy manana ny heviny aza….

 

23 Taona aho fony vao nanangana ny skoto izahay, ary ireo tanora tinaiza ireo kosa dia mihoatra noho izany ny taonany ankehitriny… ka milamina ny saiko, izaho aza zatovo kely iny nahavita , ka mainka fa izireo ankehitriny?


Misaotra ny tompo aho, fa namaly vavaka izy…

Misaotra ny tompo aho, fa namaly vavaka izy…

Tsy miova fa afaka mianatra soratra masina soamantsara ihany ny tinaiza amin'ny fotoana sy ora mahazatra, ary ny skoto ihany koa dia tsy voatohitohina amin'ny programan'asany…


Malakia ! malakia ! Dress & Keep

Malakia ! malakia ! Dress & Keep

Tafajoro tanteraka ny fikambanana Malakia, fikambanana nanjoro hoan'ny tanora sy hitsinjovana ny tontolo iainana,

Ireo sakaiza fahizay no mifandrimbona anatin'ity fikambanana ity, miampy ireo tapaka sy naman'izireo ihany koa, mino tanteraka aho fa  ahavita be amin'ny fiarahamonina sy amin'ny tanindrazana ny Malakia, na kely aza ny fiandohany…

 

Nafotaka tokoa ny doro tanety tamin'ity taona ity, sady nampirehetin'ny raharaha politika rahateo ny sasany raha ny filazan'ny mpanao fanadihadiana, atao ahoana re ity Madagasikara ity ?