Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 23 novembre 2010

Rantsana vaovao…

Rantsana vaovao…

Lasa nisy rantsana vaovao hanampy ireo rantsana roa hafa izay efa mikarakara tanora ihany koa, milay izany! Sady ity rantsana vaovao ity dia hanana sehatra midadasika kokoa sy "liberté de movement" kokoa eto anivon'ny fiangonana, Tena tonga amin'ny tanjona notadiaviko hatrany amboalohany ny fandehanjavatra ankehitriny, dia ny hananan'ny tanora sehatra hivoarana, hifandraisana, hanompoana an'andriamanitra…(mahagaga ny Tompo , fa ao anatin'ny savorovoro sy ny sakoroka isan-karazany no miasa izy ary tsy ampoizina ny zavatra mipoitra, tena miara-miasa ahasoa izay tia an'Andriamanitra tokoa ny zavatra rehetra…)

 

Na eo aza ny fanahiako mahita ireo olon-dehibe izay ohatry ny mitsabaka loatra amin'ny fitantanana ny fanabeazana tanora dia tsy mampaninona izany! Ireo tanora promotion S koa tsinona efa hitako afaka manohy ny asa hanoro sy hiaro soamantsara ny tombotsoan'ireo zandriny …, efa nahazo sehatra sy manana ny maha izy azy ireo tanora ireo ankehitriny ka mahafaly ahy izany, efa mandray andraikitra daholo ny ankamaroan'ireo tinaiza fahiny na dia samy manana ny heviny aza….

 

23 Taona aho fony vao nanangana ny skoto izahay, ary ireo tanora tinaiza ireo kosa dia mihoatra noho izany ny taonany ankehitriny… ka milamina ny saiko, izaho aza zatovo kely iny nahavita , ka mainka fa izireo ankehitriny?


Aucun commentaire: