Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 27 mars 2013

SAKAY PILOKELY SY HEMORROIDE :

SAKAY PILOKELY SY HEMORROIDE :
Avy amin'i Rija Tram :
FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA AMIN'NY ASAN'NY PILOKELY AMIN'NY HEMORROIDE

Anisany nahasitrana Ahy io tamin'ny " Hémorroïde" : na dia efa nodidina aho aza 10 Taona lasa dia mbola niverina ilay izy taty aoriana , ka tamin'izany dia kivy tanteraka aho ka nanantona Hôpital iray teny Ilafy mba hodidiana indray, satria tena tsapako fa nitovy tamin'ilay voalohany ilay izy no nampijaly Ahy mafy.

Rehefa nojeren'ilay "professeur" aho dia nasainy nody mba hiala nenina fa tsy ho lany vola amin'ny "opération "indray , ka tamin'izany no nanoroany Ahy hoe "sakay pilokely maitso 7 isanandro atelina na tsakoana raha mataty dia arahina rano mandritra ny herinandro;, dia averina kely isaky ny mitady hihetsika .

Fa sadaikatra ihany aho tamin'ny voalohany na dia mpihinan-tsakay aza, fa milaza Aminareo aho fa sitrana ; tsy nila nodidina akory aho, ary izay olona rehetra natoron'ilay "docteur " an'io dia sitrana daholo ; ny zavatra tsapako dia tena olona tsara ilay "docteur " satria raha nataony "opération" aho dia tena lany vola be tokoa tamin'izany, ary betsaka ny olona natoroko an'io fa sitrana daholo ; fa ny fanamarihana Kely fotsiny dia sakay PILOKELY Ihany fa tsy mety ny sakay tsy lanindimilahy.