Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

dimanche 30 août 2009

Nanambady Dada

Nanambady i Dada, taorian'ny nahafatesan'i Neny dia nanambady ihany i dada taona vitsy taty aoriana, mpiara-ivavaka aminy ihany no nalainy ho vady, tsotra dia tsotra ny fety , na izany aza dia faly izahay telo miana-dahy sy ireo vadinay avy nanatrika izany fisoratana izany, amin'izao fotoana izao anefa dia tsy mifanerasera aminay firy intsony izy, vokatrilay fivavahana arahiny moa no anton'izany, mampalahelo mafy ahy mihintsy izany satria misy fotoana dia manotany ny dadabeany ny zanako! I Nary mivady sisa no mba havana akaiky ahy, soa ihany fa mbola misy ny fianakavian'i Dina, io ny sary tamin'ny mariazin'i Dada

jeudi 9 avril 2009

Mba henjana koa ity volana Mars sy Avril ity, ny grevy sy ny gidragidra teto amin'ny firenena koa niatraika hatrany anaty vilany, ny olana teo am firenena misy taratra eo anivon'ny fiangonana ihany koa, gravy !
leo be ilay asako sahady aho, tsy ny asa fa ny ambiance