Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 19 mars 2010

Taombaovao Malagasy

Namonjy ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy (Jiosy) tany amindry Dada izahay mianaka omaly talata 16 Mars 2010, Nasain'i Dada sy I Niry koa izahay ka dia namaly izany fanasana izany, izaho sy Kanto no nandeha, niampy an'i Nary sy vony telo mianaka. Ny mba hifankahita tava amin'ny Dada, Neny, Niry , Patrick moa no tena antony voalohany namalianay ny fanasana, sady efa elabe koa ny zanako no tsy nahita ny dadabeany !

Nahafinaritra ahy ny mahatsapa ny finiavan'ireo vondron'olona maro hanaja ny maha Malagasy, ary mitovy hevitra ny amin'izany aho, ka raha sanatria aza ka tsy  nanasa i Dada dia tsy maintsy nantrika tany amin'ny toeran-kafa aho, satria tiako ny taniko , sy ny fombany (raha mbola ara-Baiboly ihany)

Henoko koa fa sitrana i Zokivavy, tena vaovao mahafaly izany. Na izany aza dia lavitra loatra ilay toerana naleha satria efa tany @ Radio Nederland, any ambadika ben'I Sabnam no natao ny fety,

Nisy fampahafantarana tsotsotra ny tantaran'ny Jiosy (lalana nodiaviny) koa moa teo amin'ilay toerana, ka dia mba namerindesona kely teo ny tena. Ny fodiana no nafotaka satria nanao fety harivariva koa ny orana, tsy nisy niala maina fa dia samy kotsa avokoa…Tokony mba atao fety ofisialy amin'izay ny taombaovao Malagasy, tahaka ny an'ny sinoa, ny Maya sns. Sady tsy hitako izay maharatsy azy satria mifanaraka tsara amin'ny Baiboly ilay izy