Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 23 novembre 2011

NY TSIAMBARATELON'NY JJA 2011

Nokendrenay ho hetsiky ny tanora lehibe sy goavana voalohany indrindra teto anivon’ny FAM ity hetsika ity, ary tratra ny tanjona satria nahatratra maherin’ny 700 isa ireo tanora tonga namonjy ny JJA 2011,
Taorian’ny Mider’Azy vita Bacc 2009 sy ny 2011, dia noketrehina ny JJA ary nokendrena ho ao anatin’ny fankalazana ny tsigeritaona voalohan’ny rantsana Oliva eto anivon’ny Rezionaly Antananarivo no hanatanterahana izany. Hetsika lehibe no hatao, ary tianay hifampizarana aminareo mpitarika tanora rehetra ny traikefa fanomanana hetsika toa izany.
à suivre...

jeudi 13 octobre 2011

Mahatsiaro an’i Neny foana aho tato hoato,

Mahatsiaro an’i Neny foana aho tato hoato,
Na dia mandia fahasahiranana aza izahay izao, dia dia faly satria isaky ny mandinika ny fiainako dia mahatsapa fa notahian’Andriamanitra aho, satria niainga avy tamin’ny tsy misy izahay no tonga amin’izao toerana sy sehatra izao ! iza moa no nanampo fa ho toa izao ihany aho ? misaotra am-po an’i dada sy Neny aho, indrindra fa i Neny (Mamie).
Na i dina aza mba miteny matetika hoe « raha mbola teo izao i Mamie, ka mahita an’izao fiainantsika izao ! »
Tsaroako foana i Neny izay fahiny, rehefa mandamina korotana tao amin’ny efitra ambony dia mitomany rehefa mahita ireo « cahier » fianarako be dia be, nambarany fa hoe « mba nahay fianarana ihany ny zanako kanefa dia mivarotra sambôsa amoron-dalana ity no ataony »… tsy hita moa izay tenenina tamin’izany fa dia mangina fotsiny
Raha mba hitany tokoa mantsy ankehitriny fa ilay zanany nampitomany azy hoe toa tavela mivarotra hani-masaka teo amoron-dalana anie ka tonga raim-pianakaviana manana ny maha izy azy ankehitriny. Fantatro fa nohenoin’Andriamanitra ny fitarainan’i Neny hatrizay, ka na efa lasana any am-pasana aza izy dia mamaly vavaka azy Andriamanitra. Misaotra ry Neny,
Manenina ihany aho ilay tsy mba nitomany mihintsy tamin’ny fotoana nandaozany anay, satria aty aoriana vao tena tsy zaka ny alahelo rehefa misy tsiaro mitamberina izay ! Tena mahavaky fo mihintsy fa toy ireny vao omaly ireny, indraindray aza dia tsy tana ny sento sy ranomaso. Mafy tamiko loatra iny fandaozany anay iny, ka na ny datinandro izay nahafatesany aza tsy mba tena tsaroako marina hatramin’izao !

mercredi 28 septembre 2011

Ilay ariary folon'i Tsiky !

Mba nahatohina kely ahy ity zavatra nitranga androany maraina ity,
Mbola somebiseby ny tao an-trano, sady androany moa no andro hiverenan'i Zokivavy hody any Comores indray, ka nifanaretsaka ny mpiomana hiasa sy ny mpiomana hianatra, ny mpanao sakafo ary ny pampirin'entana...
Eo ampiomanana sy ampanaovana kiraro aho no nanantona ahy tsimoramora i Kanto, no sady niteny hoe
- Izaho hono ry dàdà mba hividianana "dictionnaire" amin'izay hozy Maitresse
- Hay! ao fa hividianako ianao fa mbola tsy manambola aloha dadà izao an!" hoy aho sady nanambitamby azy
teo imason'i Tsiky izahay no niresaka ka nitsatsaingoka ity zandriny nanao hoe
-Zah manambola !, omeko an'i dàdà fa tsy haiko na ho ampy na tsy ampy! (hoe hividianana ilay dictionnaire-njokiny hono izany)
somary gaga aho no sady niamaly hoe « ento aty ary fa ilaiko e »!
Dia lasa i Tsiky kely niala teo ary niverina izy afaka fotoana fohy, ity le izy! sady natolony ahy ilay... "Ariary folo" …. ontsa kely ery ny foko! sady noraisiko ilay ariary folo,
-Merci akia ry zanako fa misy hanampiako ny vola hividianana ny dictionnaire n'i Kanto  ity a! hoy aho
Dia napetrako teo ambony frigo avy eo ilay ariary folo....
Rehefa tena hanainga hiasa indray aho, dia hadinoko teo ilay vola , kinanjo niantso ahy indray izy
-eh ! hadinon'i dada le "dinampolo"! hoy indray i Tsiky sady nikoropaka be izy niantso ahy!
Dia niverina aho naka ilay "dinampolo" fa sao dia handratra ny fon-janako raha sanatria tsy miraharaha azy sy ny vola fanampiana natolony...
Ny lesona azoko?
Tsy mety raha tsapan'ny ankizy ny fahasahiranana ara-bola! aleo miteny hoe " miandry kely aloha", toy izay hiteny matetika hoe "tsy manambola, tsy manambola"
 
Diariko > Zoky Andry

mercredi 14 septembre 2011

TELECHARGER LE LIVRE LEADERSHIP “MAHAIZA MITARIKA” de Zoky Andry EN FORMAT PDF


Telo taona taty aoriana dia vitako ihany ny nandrafitra sy nanoratra ny boky « mahaiza mitarika », ouf ! Alleloia ! ny mampiavaka ity asa soratro ity dia izy izay kasaiko hamidy eny amin'ny fivarotam-boky mihintsy fa tsy hozaraina maimaim-poana tahaka ny namany teo aloha. Araka izay lohateniny izay dia torohevitra sy toromarika atolotra anao mpitarika na mpitaiza tanora rehetra no vontoatin'ity boky ity.
Hatreto aloha, dia azonao atao ny mahazo sombitsombiny sy ampahany amin'ny fichier numerique n'io boky io,
Ny fanafaranao ny boky iray manontolo dia hampahery ny mpanoratra tokoa e ! koa azonao atao ny manafatra izany dieny izao amin'ny adiresy mailaka manaraka ity : razokilaz@yahoo.fr Toy izany ihany koa raha mila fiaraha-miasa sns ianao.
Gideona ! fandresena fandresena fandresena !

NIATRIKA FIOFANANA MIKASIKA NY FAHAIZA-MITARIKA NA “LEADERSHIP” NY TANORA APOKALYPSY

 
Fotoana tsy voakosoka !
Ho tadidy tsy azo kosehina rahatrizay eto anivon'ny Fikambanana Apokalypsy ny zavatra nitranga tao amin'ny EPP 67ha Atsimo tamini'ity volana septambra 2011 ity.  Voalohany indrindra teto anivon'ny fiangonana Apokalypsy mantsy ny fisian'ny fanomezana fiofanana sy fianarana mikasika ny fahaiza-mitarika na leadership. Ny tanora no nahazo fiofanana voalohany mikasika izany « fahaiza-mitarika » izany, ka ankasitrahana feno ry zareo mpikarakara dia ny Biraon'ny Tanora Rezionaly Antananarivo.
 
Tsy ho toy ny taloha intsony
Tsy ho toy ny taloha intsony ny hoavy hoy ny Vice Pdt Rezionaly Antananarivo, Loh RAVONJY, raha nandray fitenenana nanokatra ny fiofanana izy, satria ny raiamandrenin'ny zanak'Israely tany anefitra hoy izy dia tsy nanana planina fa nanaraka ampilaminana ny andry afo sy andry rahona hatrany fotsiny, Fa rehefa hiditra ny tany Kanana kosa anefa dia tsimaintsy nisy ny planina sy teknika marosamihafa nampiharina ka mifanojo indrindra amin'izao fianarana  ny teknika "leadership" izao indrindra izany rehetra izany. Marina tokoa fa manaraka hatrany ny voasoratra ny zavatra iainan'ny fiangonan'Andriamanitra. Ny Loh RATSIMIZAO filoha Nasionalin'ny Tanora Apokalypsy kosa dia nisaotra sahady ny mpikarakara ny hetsika ary namporisika ny tanora mba ho mendrika hatrany amin'ny maha "hoavin'ny fikambanana" azy. Ny Filoha WILLIAM Tonia Nasionaly skoto TOM indray moa dia namaky tononkalo mihintsy…
 
Tsy omby ny efitrano , tsy ampy ny seza!
Tonga maro ireo mpiofana, satria maherin'ny zato, ary mbola nitombo ny isan'izireo tamin'ny andro faharoa ka dia nambara mihintsy hoe tsy misy olona hafa afaka miditra intsony amin'ny andro fahatelo sady farany.
 
Ho ahy manokana dia roa andro ny anjara fotoana nanofanako ary nety tamiko tokoa izay (Ny ahy no be indrindra, satria telo andro ilay fiofanana) Afaka nampianatra lesona vitsivitsy nifampitohy mihintsy aho, lesona izay nalaiko tao amin'ny boky nosoratako ihany. Ampolony maro kosa ireo olona nangataka hividy ny boky ka dia nomena fahafaham-po izireo na dia mbola tsy vitako "tsara" aza ilay boky.
 
Tamin'ny andro faharoa niofanana, dia dimy ambin'ny telopolo ambin'ny zato (135) ny isan'ireo olona tonga nanatrika ny fiofanana, feno hipoka ny trano, ary tsy ampy ny seza, ka na dia natokana hoan'ny tanora aza ny fiofanana dia nisy ireo raiamandreny loholona izay tonga niofana ihany koa, (somary sahirana ihany aho tamin'ny voalohany satria sarotra be ny mampiasa voambolana hoan'ny tanora teo anatrehan'ireo raiamandreny hajaina ireo) kanefa dia nizotra antsakany sy andavany ihany ny fiofanana ary "ao tsara" ihany ny "ambiance" nony kelikely (nentina nandravaka sy nanazavana ny vontoatin'ny lesona ihany koa moa ny hatsikana sy tantara mampihomehy isan-karazany).
 
Tena maha te hidera ny faniriana hianatra sy hiofana izay nasehon'ireto tanora sy mpitarika tanora eto anivon'ny rezionaly Tana ireto, nahitana ny zoky skoto tomima sy orima, ny rantsana Oliva, ny mpitarika sampana tanora , ny mpitarika chorale, ny Asafi, ny olon-tsotra marobe ihany koa tonga niofana tao.
 
Tsy ampy ny fotoana:
Tena tsy ampy ny fotoana, na izany aza anefa dia efa lesona fototra mikasika ny "leadership" mihintsy no azon'ireo mpiofana ireo, ary nohazavaina tamin'ny antsipirihany tokoa , ka ahafahany sahady miatrika ireo adidy miandry azireo eo anivon'ny fiangonana sy ny fiaraha-monina misy azy.
 
Mino koa aho fa ny lesona izay atolotry ny Sekretera Jeneraly Nasionaly James Chapard, dia hanampy betsaka ireto mpiofana ireto. Misaotra Tonton Chapard a!
Ny ho tohin'ny fiofanana izao no apetraka amin'ny Ray.
Diary anio 13 Septambra 2011 => Zoky Andry!

jeudi 1 septembre 2011

DIARIKO AOGOSITRA 2011

Mbola ao anatin'ny fiatrehana ny fahafatesan'ny Minisitra Nadine Ramaroson ny mpanarabaovao amin'izao fotoana izao, atao ahoana moa, ny fahafatesana tsy mampilaza, na hoan'ny minisitra aza… izan'izay mba nahafinaritra ahy ny fomba fiasan'iny ramatoa iny ! tsy fantatro iza tena toetrany, fa raha ny fahalalàko sy ny nahitako azy dia tena niasa be sy tia niaro ny osa sy ny malemy teto Madagasikara izy, Sahirana mihintsy ireo mpanao tsindrio fa lafo sy ireo sokajin'olona mpanao didin'ny be sandry, sy ireo milaza mahitahita sy be vola, rehefa mirotsaka antsehatra miaro ny osa sy ireo voaporitra i Nadine Ramaroson ; handimby izay minisitra handimby azy iny, mba marina moa !
Misedra olana kely zahay roa fa tsy miasa i ra dina amin'izao fotoana izao. Henjakenjana ny zava-miseho, saingy araka ny efa averimberiko amin'ny seminera hoe "tsy olana no misy fa occasion" dia noraisina ho occasion famahana olana ilay izy! Dia ny tena izay mpampianatra indray ve no tsy hahay hiatrika olana?  ho hita eo ny fahagagana ataon'Andriamanitra e!
Etsy andanin'izay dia Feno 2 volana sy tapany i Antsa kely, dongadonga sy mahafatifaty ery izy, Tia milalao azy ihany koa izy mirahavavy zokiny… Saiky tsy nisy nono mihintsy ra Dina tamin'ny voalohany, Simba mihintsy ny budget tamin'izay, fa ankehitriny kosa dia ampy tsara ny « sakafon-jaza », tantely amambahona ny fiainana e !
Aleo aloha ry zareo hisinda kely, hitako mahasoa ny fiainanay mianakavy kely izay raha ny amin'izao fotoana izao aloha. Ho hita eo indray ny ho tohiny rehefa miverina avy any Vatomandry ny tanoran'ny fiangonana Itaosy.
Anisan'izay nahazo tombony tokoa raha ireto tanora ireto, satria vao tamin'ny herinandro no vita ny hetsika "mider'Azy vita Bacc" andiany faharoa, nilay ilay hetsika! Sady afaka niala voly tsara ireo nanatrika izany (zahay koa anisany! Nitsinjaka ka nitsinjaka!). Nahafaly ahy ny nahita ireo tanora mpikarakara izay nanao ny ainy tsy ho zavatra, ary tena nahomby tokoa, Bravo ra Jean-Pierre! Sy ny ekipany! Fière anareo zah ry zareo a ! tena efa tonga fatra sy matotra tokoa ry zareo (ry aina kely sy aina be, ny masy, ry mika, ry liva, ry Fano sns sns , tiako nareo e!)
Miandry ny fahatongavan'I Zokivavy aho io, milaza fa ho avy eto Madagascar izy raha vao vita ny Ramadan hoy izy… dia miandry aloha, enga anie ka tsy ho tonga amin'ny herinandro izy fa raha izay dia  tsy misy olona handray azy ao antrano fa ho any Vatomandry ny ankizy…
Mahavaky loha ny fiainana, indrindra fa amin'ny resa-bola, saingy tsy raharahako fa fantatro fa mandalo fotsiny ihany ny olana e! ary izaho mino fa tsy ho faty mahantra izany! Amen! Ny fikarakarana sy fanampiana ny tanoran'ny fiangonana ihany no anto-pisiako akoatry ny fikarakarana ny ankohonana, rehefa vitako izay adidiko  izay, na fanofanana io na fitarihana  sy torolalana dia izay ihany ny ahy! Ary efa kely sisa raha ny fahitako azy satria efa manomboka lehibe sy mahavita mandray andraikitra avokoa ireo tinaizako fahiny!
Ny fanotana boky mikasika ny leadership ity no tsimaintsy ataoko izay ahatanteraka azy, io izao no mba gramako akaiky sy mba andrian'ny foko, ho hita eo ny camp de formation skoto na hanahoana na hanahoana…. Amin'ny desambra.
Mba topazo maso kely aho Jehovah , fa mila Anao mihintsy aho , indrindra fa amin'izao fotoana izao!
Sabatr'I Jehovah sy gideona ! Fandresena !

mercredi 22 juin 2011

TONGA SOAMANTSARA I ANTSA KELY

RAMAMBASON Antsa Iangotiana !

 

Tonga soa ianao ry Antsa kely, tamin'ny alin'ny 15 jona 2011 ianao no teraka, zazakely mahafatifaty, ary nanahaka kokoa an'i Dada ny loko sy ny endrikao

 

Mafy sy nanahirana an'i Neny ny nitondra vohoka anao, satria vao efa-bola fotsiny dia efa nisy olana  hatrany ny fitondrana anao, Saiky nateraka mialohan'ny fotoana saingy niezaka hatrany i Neny mba ahatojo anao ho feno volana sy feno andro, araka izay azo atao.

 

Nambaran'ny dokotera fa tsy azo ateraka mialohan'ny 15 jona ianao, ary vao nigadona mihntsy io daty io no injao ianao fa nitady lalana hivoaka !

 

Fa tena mahavariana ahy ny niterahan'i Dina anao, vao niditra tao am bloc tam 10 :30, nanomboka ny asan'i neny tam 10 :45, ary teraka soamantsara ianao tam 11h , tena vetivety !

 

Nahagaga anay ihany fa somary elaela enao vao naverin'ireo dokotera tamin'i Neny taorian'ny nahalatsahanao, tsy fantatray ny antony, tena ela taminay satria ora iray mahery !...

 

Faly i Kanto sy tsiky  zokinao raha vao naheno ny fahaterahanao sy nahita anao voalohany !, ary tsy izy roavavy na izahay sy Neny ihany fa dadabe sy raneny ihany koa, ary ny fianakaviana sy ny namanay rehetra !

 

Fa tena sarobidy ianao ry Antsa, lafo vidy sy nisahiranana mihintsy ianao vao teraka soamantsara , olona maro no nivavaka ho anao sy neny mba ho tonga soamantsara ny andro ahaterahanao, koa hendre tsara ! ary ho tanteraka aminao tokoa ny tsodrano izay nomena anao fony ianao nasandratro hoan'i Jehovah raha vao tonga tao antranontsika.

 

Ny fantatro ry Antsa dia ho zaza hendry sy manantsaina ianao, Ho andrin'ny fianakaviantsika ianao ,  hampitolagaga ny mpiaramonina amin'ny fahendrenao sy ny fahaizanao, hanana ny ampy ianao, ary mihoatra lavitra amin'izay ilainao aza, koa mahaiza mizara sy antra olona.

 

Tsarovy ry zanako  rehefa tojo olana sy ady ianao fa « ny zavatra rehetra dia hain'ny mino »

 

Dada ! 20/06/2011

vendredi 18 mars 2011

Mahandrasa ry zanako !

Mahandrasa ry zanako !

Tsy mety vita mihintsy ny fety ho fanamarihana ny faha 6 taonan'i Kanto kely. Efa tamin'ny volana janvier izy no feno 6 taona, kanefa hatram izao volana martsa izao dia mbola tsy manana enti-manana ny hampifalifaliana anazy izahay roa… tena krizy marina ny andro


Repos stricte au lit !

Repos stricte au lit !

Mampalahelo ahy ny vadiko fa mijaly be loatra izy fa misy problème ny grossesse, nanotany dokotera namana aho hoe fa inona no mahatonga ny kibo ho ambany be ? dia nolazainy fa ny havizanana hoy izy ! bon j'ai compris hoe normale izy raha vizana ! satria ny asany dia tena feno deplacement à pieds isanandro. (repos stricte au lit foana no azo intelo misesy…)

Na izany aza ry Tompo, Ianao mahalala ny mahasoa sy mahatsara anay, mba tsy olana ny fahatongavan'ny zazakely fa tena mba ho fahasoavana tokoa… Hamorona zavatra entina manompo anao indray aho rehefa omenao anay soamantsara io zazakely io. Amen !


Faly aho!

Faly aho fa tonga nitsidika anay tany antrano i Dada, tamin'ny herinandro voalohan'ny volana martsa teo izy no nandalo teto, ary niresaka tsara izahay (sady i Nary mianakavy kely koa tonga tao) , hitako fa efa lehibe sy efa reraka ihany izy, ny lelany miraikitra, ny tongony toa taritiny izany… fa faly aho fa tonga izy namangy anay. Ny zavatra nampihomehy sady nampalahelo dia tsy fantatr'i Tsiky intsony ilay dadabeany ! efa ela loatra no tsy nifamangy .. Nilaza koa izy fa tsy nahazo vaovao tany amin'i Zoky vavy intsony taorian'ilay hoe hanambady i Mihadjah, izaho aza tsy naheno izany vaovao  izany mihintsy

Fa hitako niova i Dada, raha mikasika ny fifahavanana, tongava eny aminay hoy izy , « bipeo izahay rehefa eny Sabotsy Namehana fa hotsenainay ianareo » hoy izy ….Tena nahafaly anay iny !

Maninona koa hoy izy raha mba mifanao fotoana eny ambohijatovo eny isika rehetra dia mba mifankahita ?… milay !