Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

samedi 25 août 2012

Merci à Meli fa nanao vy very ny ainy niaro ny zazakely izy

Maro ny olona no mitaraina sy mimenomenona ny amin'ny ataon'ny mpanampy ao antranony, fa ny zavatra nitranga tato antrano inty dia hafa mihintsy satria dia nianjera tao amin'ny tohatra i Meli miaraka amin'ny zazakely, ary dia tsy niraharaha ny tenany mihintsy izy fa dia niaro ny zanakay hatramin'ny farany nandritra ny fianjeran'izireo, vokany? tsy naninona mihintsy ny zazakely (Antsa) fa i Meli kosa no voadona sy voa mafy ny lohaliny roa ... tena nampihetsi-po anay mivady iny zavatra nataon'i Meli iny, ary dia eo ampikarakarana ny fitsaboana azy ihany koa izahay izao, misaotra  Meli fa tsy ho hadinonay iny nataon'ise iny

mardi 21 août 2012

MIDER'AZY VITA BACC


Migadona indray ity ny andiany fahatelo amin'ny hetsika Mider'Azy vita BACC, izay fanaon'ny AJA, ary amin'ity indray mitoraka ity dia ao amin'ny dome RTA no atao ny hetsika ary iarahana amin'ny artista malaza sy sangany amin'ny hira fiderana: TGC sy Antsa an'i Kristy, iarahana amin'ny Groupe Pray'f
manasa antsika fa tena raitra ity hetsika ity, mihoatra lavitra an'ireo natao teo aloha (Voalohany tao amin'ny Gymnase Mahamasina, faharoa tao amin'ny Foibe FAM,)

mahafinaritra sy mahavariana ahy ny fomba fiasan'ireto ekipa mikarakara ny andiany fahatelo ireto!! tena miaiky aho e! Bravo Jean Pierre sy ny ekipany e!

lundi 20 août 2012

Merci Cherie

Bonjour cherie!
misaotra betsaka tamin'ny fahatsiarovana ny anniversaire ko,
sambatra aho manana anareo efa-mianaka, fa be mpikarakara sy mpanampitamby tokoa...
fantatro fa tsy mba ahay mitia na mamaly mihoatra ny ataon'ialahy amiko aho, fa zavatra tokana ihany no ambarako
"izay tratry ny aiko no hataoko hanasoavana anareo, eny, mihoatra nohon'ny aiko aza! raha sitraky ny Tompo."
Merci!

vendredi 17 août 2012

FANAMBOARANA YAOURT SOJA

Yaourt Soja
Zavatra ilaina
  1. ·         Soja 1kapoaka
  2. ·         Rano 2litatra
  3. ·         Siramamy 10 sotro
  4. ·         Yaourt nature 2 sotro (ferment)
Fomba fanaovana azy:
  • ·         Alona ny soja (indray alina)
  • ·         Totoina amin'ny mixeur
  • ·         Atao anaty rano 2litatra
  • ·         Tatavanina ary somary fihazana
  • ·         Rehefa vita izay dia andrahoina mandritra ny 30 minitra (tsimaintsy mangotraka)
  • ·         Atao anaty soupière
  • ·         Asiana siramamy
  • ·         Potserina tsara ilay yaourt atao ferment ary arotsaka ao anatin'ilay ronono soja
  • ·         Raha misy mivaingana dia potserina tsara
  • ·         Atao anaty boite ary rehefa matimaty dia fonosina anaty lamba be mandritra ny 5 na 6 ora
  • ·         Vita ny yaourt soja