Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 17 juillet 2008

MISY FOTOANA MAHAVAKY LOHA

FOTOANA SAROTRA
Misy fotoana mahavaky loha tsy eritreretina mantsy no tranga miezaka ianao ny hanao soa zavatra ratsy no manangasanga
Hafa mihintsy ny todika tiana izay visavisa, izay faniriana Hafa no seho ajoron'ny Tompo Hafa tsy ampoizina toa ho toloko
Hiezaka ihany aho, fantatro mantsy Fa izy mandahatra ny lalan-ko-avy Ireto ankohonako no ataoko ahoana ? tsy voatery hitovy ny fatra-pinoana..
Ray ô! ankiniko mafy aminao ny ho avy tsy fantatro ianao mahalala satria mantsy tsy kilalao fa henjana ity! mahalasa adala...