Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

samedi 13 décembre 2008

hatreto aloha dia calme kely indray ny fo, efa vonona ny amin'ny zavatra rehetra, milay ny asa vaovao, tsotra sy tsy mirotoroto! mba handeha hanao congé miaraka amin'ny vady amanjanaka ela ny ela !

vendredi 14 novembre 2008

MATAHOTRA AHO

Nanonofy ratsy aho halina!
nofy mahakasika ny fiangonana!
maharary ahy ny kiboko isaky ny mieritreritra io nofiko io aho.

jeudi 30 octobre 2008

Tsy ilaina ny mifindra fiangonana...

  • Indraindray rehefa sendra olana eo anivon'ny fiangonana misy azy ny olona dia miezaka "manitsy" aloha izy, ary aty aoriana rehefa hitany fa tsy misy azo atao dia mifindra fiangonana izy.
Raha ny traik'efa nandalovako hatrizay anefa dia hitako fa tsy voatery ho ratsy hatrany na ratsy tsara hatrany ny "fiainan'ny fiangonana" satria na ireo vahoaka (fiangonana) na ireo mpitarika fiangonana dia "olombelona ihany". Indraindray "mety tsara ny fifandraisany amin'Atra, ary indraindray tsy mety, ny fahombiazany anio tsy miantoka ny fahombiazany rahapitso , toa izany koa ny fahalavoany anio dia tsy midika fa ho lavo hatrany izy....
  • Raha mahita fahamarinana vaovao ny olona dia rariny izy raha m ifindra fiangonana , fa raha mbola mitàna ny fahamarinana hatrany anefa ny fiangonany dia tsy misy antony tokony "hivoahany" satria tsy misy fahamarinana vaovao hita akory....
  • Midika ihany koa anefa izany fa "tsy azo lazaina fa mivoaka" izay mamonjy fiangonana hafa kanefa mitovy amin'ny fahamarinana niainany teo aloha no ao amin'ilay vaovao....
Aleoko tsy mifindra fiangonana , raha hoe tsy miova ny fahamarinana , na inona na inona faharatsiana hita sy re , ary tsapa,
  • Satria ny fahalavoako , na ny fahalavoan'ny hafa androany dia tsy midika fa ho lavo mandrakizay aho, ary ny olona no mety ho lavo fa tsy ny fahamarinana mihintsy...
Hatreto aloha !

lundi 1 septembre 2008

FO MALAHELO

Na eo anivon'ny fiangonan'Andriamanitra aza..., "Ary izao koa no efa hitako aty ambanin'ny masoandro; ao amin'ny ny fitoeran'ny fitsarana dia nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. " Mpitor 3:16 Manamarina ny Soratra Masina rahateo moa izany, Ka inona moa no mahagaga sy mampalahelo anao eo ry foko? Mifikira mafy amin'Andriamanitra fa Azy ianao , fa tsy an'olona.

jeudi 28 août 2008

note sur la pedagogie

ity misy fehezan-teny anakiray izay mahafintina ny fomba fanabeazana sy ny ho vokany : «Dis-moi et j’oublierai,montre-moi et je me souviendrai,implique-moiet je comprendrai.» Kong Fu Zi (551-479 av. J.-C.)

jeudi 21 août 2008

volana Aogositra tsy tsara !

Ity volana aogositra 2008 ity no fialantsahatra somary nampalahelo ahy indrindra , Tsy mba nisy na anakiray tamin'ny lasin'ny skoto mba natrehako, ny fisindan'ny tanora (sekoly sabata) ihany koa dia tsy natrehako, na ny depart aza..... tena mandreraka ihany le resaka asa sy adidy marobe ity! Tsy tsara ilay fiainan'olon-dehibe !

mardi 5 août 2008

Tsy mahazatra ahy ity ...(Hoy Davida)

Vaky ny loha eo anatrehan'ny adidy miandry! tsaroako anefa ny tantaran'i Davida izay nanolo-tena hiady amin'i Goliata ! toa adidy mankadiry be tokoa kanefa ny tena mbola zaza ! Ahoana no hatao , inona no fihetsika , inona no ho toetra? ahoana izay fiainana miaraka amin'ny "olon-dehibe" izany, Nomen'i Saoly an'i Davida ny "akanjony fitondra miady" mba hanaovany , saingy vao maika tsy afaka nihetsika izy satria "tsy zatra" aleoko nisafidy ny tsy hanova fihetsika, fitafy , fisainana, fomba fiasa... fa ho izao "heriko" izao ihany no entina ... hiady amin'ny Goliata (Adidy) Ny anaran' Andriamanitra no entina manao ny asa! raha tsy izany dia fantatro fa tsy hisy fahombiazana . Ahoana anefa ny amin'ny Skoto sy ny Sekoly Sabata Tanora? Mino aho fa Izy mahalala...

Anjara fanompoana mavesatra ?

Filohan'ny Diakona ! tsy nampoizinay iny! Herin'andro aho no nahatsiaro tebiteby sy adin-tsaina , fa "olona tsy mendrika" kanefa mahatsapa fifaliana ao anaty.... Inona tokoa moa no nanaovana voady hoe "inty aho iraho aho? " raha tsy hanao ny asan'ilay Jehovah Andriamanitra? Nitondra tanora no nahazatra anay, "fanabeazana", kanefa notendren'Andriamanitra hanompo ny fiangonana (amin'ny maha diakona) ary notendreny hanompo ny diakona (amin'ny maha filoha) . Izahay no mpanompo ambany indrindra eto anivon'ny Fiangonana araka ny tenin'i JK hoe "izay lehibe aminareo no aoka ho mpanompo".... Ankehitriny dia fantatro ny "iraka" ampanaoviny anay, ary hiezaka izahay ny ahatontosa izany antsakany sy andavany, betsaka ny fanabeazana ho atao, ary ao anatin'ny planin'i JK hoan'ny fiangonana izany! Hanompo an'Andriamanitra , Hiasa hoan'ny Tanindrazana sy ny mpiara-belona...

jeudi 17 juillet 2008

MISY FOTOANA MAHAVAKY LOHA

FOTOANA SAROTRA
Misy fotoana mahavaky loha tsy eritreretina mantsy no tranga miezaka ianao ny hanao soa zavatra ratsy no manangasanga
Hafa mihintsy ny todika tiana izay visavisa, izay faniriana Hafa no seho ajoron'ny Tompo Hafa tsy ampoizina toa ho toloko
Hiezaka ihany aho, fantatro mantsy Fa izy mandahatra ny lalan-ko-avy Ireto ankohonako no ataoko ahoana ? tsy voatery hitovy ny fatra-pinoana..
Ray ô! ankiniko mafy aminao ny ho avy tsy fantatro ianao mahalala satria mantsy tsy kilalao fa henjana ity! mahalasa adala...

lundi 30 juin 2008

26 JUIN 2008

Nahafinaritra ny fety 26 juin, niaraka nandehandeha izahay efa-mianaka ny 25 jona , ny ampitson'io dia mbola nandeha indray fa i Tsiky mba tsy nentina aloha.
dia naka sary , faly tsy nanaiky i kanto raha tsy naka sary teo amin'ny Moto
sambatra zaza ankehitriny, nany arendrina aza misy jiro sy motera !

Posted by Picasa

mercredi 11 juin 2008

SARY 31 MAI 2008


ireto misy sary vitsivitsy , nandritra ny fanosorana diakona sy loholona ary famaranana ny fahafolotaonan'ny radio fanambarana (rfa 98.4 fm)tamin'ny sabata 31 mai teo

mercredi 4 juin 2008

FANDRAISANA HO DIAKONA 2008

vita soa amantsara tamin'ny Sabata 31 Mai 2008teo ny fandraisan-tanana any diakona sy ireo loholona teo aloha izay ho mbola ho voafidy indray hanao izany asa izany, ary ny fitokanana ireo diakona sy loholona vaovao.. nadritra io fotoana io ihany koa no namaranana ny fahafolotaonan'ny Rfa, Somary menatra sy miambakavaka ihany izahay tamin'ilay nanao filaharana kely namakivaky ny fiangonana..., faly aho mahita ireo namana toa an'i Zaka izay lasa loholona, i Nasolo lasa diakona, i Willy lasa loholona,... dada Rivo mbola lany diakona sns... mahereza daholo e!

jeudi 29 mai 2008

FIARAHA-MISAKAFO 2008


ssary tamin'ny fiaraha-misakafon'ny tanora 2008 io, nanao fanamiana Malagasy tranainy avokoa ny rehetra tamin'io , hita eto @ sary I mama Haja sy ny zanany , ny komity maromaro (mirana, fano, Eva, liva, Sandra), zahay mivady, Kanto sy Kerena , Liva sy linàh, i Jean pierre mivady, Mirana sy Fano, Mima sy ny tariny, Mika sy Mamy ary Niry...

Tena "mendrika be" ny rehetra tamin'iny !
Posted by Picasa

mardi 27 mai 2008

ECOLE VERTE

IO TSIKY E ITY INDRAY SARIN I KANTO SY MAMAN - NANAO ECOLE VERTE 2008 TANY AMBATOMIRAHAVAVY

NAZAHOANA VAOVAO IHANY RA ZOKIVAVY

Mahafinaritra ery ny mandre ny feon'i zokivavy avy any comores, hatraminzay mantsy dia fax no ifanoratana, tato ho ato kosa anefa izy dia miantso amin'ny finday , mahafinaritra sady mampilamina saina ny maheno azy salama ... misaotra an'Andrimanitra !

mardi 20 mai 2008

MANAO SAMBOSA



Tamin'ny Alatsinain'ny pantekoty (gregoriana)...
Nahatsiarotsiaro ny andro fahiny aho dia niantso an'i Nary "ndao mba hanao sambosa tahaka ny taloha e"
na dia efa samy manana ny asany aza mantsy ankehitriny dia ilaina ihany ny mahatsiaro fa tsy tongatonga ho toa izao ny tena fa nisy "fihafiana sy fahoriana nolalovana ...
Io fivarotana sambosa io no anisan'ny nanampy anay tamin'ny fivelomana sy ny fianarana (1990 -2000), ary nentinay nahatafita anay telo mianadahy zandriny...

Tsaroana foana fa tsy misy asa ratsy , tsy ilaina ny miavonavona, ary tsy maintsy misy fikirizana sy fahazotoana vao tafita eo amin'ny fiainana ..
tsy manao sambosa entina miady amin'ny fiainana intsony eto fa mba "fun" e!

ary tsara raha atao isan-taona io "manao sambosa" io , mba ho tadidy sy ahatsiarovana ny fiainana tamin'izany !

NANDEHA NY TSENA


Dia samy nifanotronotrona teo ny rehetra, isan'izany izy telovavy ireto,






io sary manaraka ity kosa i Didiy sy Landy , nanampy an'i Zoky Andry nanambatra ilay boky tatitry ny fikaonan-doha hozaraina ny raiamandreny,





ny sary fahatelo ahitana an'dry lino sy ny tariny, manotrona an'i Mika,







ary ny farany dia i Mamy sy ny mpanotrona azy.... tsapa hoe "nandeha tsena" teto !



gOOd markEt ! !
Posted by Picasa

MPANAO RAHARAHA


Aza manakombona ny vavan'ny "omby" mively vary e ! na operation misao aza no natao, ny mpanao raharaha nihinana saosisy sy tsaramaso lena ! (tsy misy kisoa io an)
Posted by Picasa

OPERATION MISAO 1

Operation misao natao ny alahady 18 mai 2008
vao maraina dia efa tany antranonay ry Niry nitaona ny entana, mirotsaka antsehatra avokoa na lahy na vavy nanomana ny fitaovana









Falifaly ny mpanao misao ! , i mama haja no chef, tena nahafinaritra ny ambiasa e!













sady manao misao no mitana ny bokim-bola ry sandra !











izany no santionany ! Natsiro an !
Posted by Picasa

vendredi 2 mai 2008


izy telo mianaka ireo ! lavabe i kanto eto fa miakatra seza...
Posted by Picasa

jeudi 24 avril 2008

AVION ...



Avion ! Avion e!
Posted by Picasa

EKIPA SST FOIBE


ity sary ity no tena mba fahatsiarovako ny ekipa niara-niasa tao amin'ny Sekoly Sabata Tanora Foibe ... niaraka nikaroka ny fomba rehetra hapandrosoana ny tanora, sy ny hanabeazana azy...
Tena nikaroka tokoa izy ireo, ary nanampy anay betsaka, mbola kelikely aloha tamin'ny voalohany fa rehefa avy eo dia lasa olona matotra be daholo... samy manana ny toetra mampiavaka azy , kanefa kosa tena nahay niara-niasa tokoa...

sady mankatoa no mifankatia !
aza miova e!
Posted by Picasa

NAMANA AKAIKY

taona 2008...
anisan'ny tena tsy mahafoy anay koa ireto skoto n'ny 6° (Antanandrano Ambohitrarahaba ireto) sady mihanta ratsy koa moa ambonin'izany...
Tamin'ny fitsangatsanganana no nakana ity sary ity, ary nisakafo niraka tamin'izireo koa i Niry (Ex SST) tamin'io...





Io kosa i Zoky Lalaina, tena namana akaiky be! tsy tinaiza na zanaka fa tena namana, mitrotro ny zanany (lahikely) izy eto, izay vao teraka ....





Ity sary ity indray dia sary nalaina tao amin'ny Sainte Fleurs... vao teraka kely i Tsiky tamin'io ary tonga nitsidika an'i Zk dina sy nijery ny zazakely i Emisa sy Emia... (mbola tsy nanambady iziroa kambana tamin'izany...)

Fa be adihevitra koa aloha i Ra Emia e! izy dia manana holazaina sy havaly foana tamin'izany! hahaha ! (be étude hoy ny fiteninay azy...)
Posted by Picasa

lundi 21 avril 2008

FAHATSIAROVANA MARIAZY


Fety nahatsiarovana ny nanaovana ny raharahanay sy dina tamin'io ...
(Dina, lanto (petite), Nary, Minou, Vony, Faneva...)
Posted by Picasa

ZANAKA AN-TRANONAY

Ra Emisa sy Petite (Lanto) , Zanaka antranonay izy roa ireo...
Sady tinaiza no namana sy zanaka tsy mahafoy....
Posted by Picasa

CHEF NARY SY VONY

Izy no sefo Nary na i Tonton Nary....mitrotro an'i Finona kely zanany...
etsy amin'ny sary faharoa kosa i Vony vadin'i Nary mitantana an'i Fanefa sy Finoana ...

I Nary no zanak'i Dada sy Neny fahatelo, ary lahy faharoa kosa manaraka ahy, i Niry kosa no zaza faha efatra farany saingy vavy faharoa . Roa lahy roa vavy mantsy izahay efatra mianadahy, Ny zokinay kosa dia tsy eto Madagasikara...
Posted by Picasa

BATISA 19 AVRIL 2008

Faly be zahay fa niroho nanolo-tena hatao batisa ny namanay (sady tinaiza no havana ihany koa...) maka sary miaraka @ raiamandreny izireo eto...
Ireto kosa ry zalahy kely taona fa lava be isany.... (ry Ando sy Jimmy ary ny mpanaradia azy ireo e!...)
Falifaly ao anaty fiderana fa vao nadray ny famonjena an !... mahereza fa vao manomboka ny ady e!
(tsy masera catolique akory ireo re olona fa mpivavaka Apokalypsy eto Madagasikara a!)
Posted by Picasa

vendredi 18 avril 2008

NY MPIARA MIASA SKOTO;;

Ireto kosa indray ny mpiara-miasa ao amin'ny Skoto...
sary efa somary ela ihany io , fa mba namoaka tenue vaovao mantsy ny ekipa taminio e! (2004)
i dina kosa tsy nanao tenue fa ..Bevoka izy taminio ...
ireto izy mitsamy mpiara-miasa ... (minamana fa saingy ny toetranay mifandaka ohatry ny atsimo sy avaratra...! tantara lavabe no niarahana hatrizay an! ny iray malemy paika sy tsara fanahy sady mora malahelo olona , ny iray indray mafana sy be fo... raha izahay telolahy no miady hevitra?... maraina ihany ny andro ! , (tandremo sao dia manao izay mampalahelo azy reo an ! ) hihihi ! , ( Io i Filoha Richard, Hubert, Germain...Gaston !) , Izay tsara niarahana no aoka tsy ho adino e!
Posted by Picasa