Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 5 août 2008

Tsy mahazatra ahy ity ...(Hoy Davida)

Vaky ny loha eo anatrehan'ny adidy miandry! tsaroako anefa ny tantaran'i Davida izay nanolo-tena hiady amin'i Goliata ! toa adidy mankadiry be tokoa kanefa ny tena mbola zaza ! Ahoana no hatao , inona no fihetsika , inona no ho toetra? ahoana izay fiainana miaraka amin'ny "olon-dehibe" izany, Nomen'i Saoly an'i Davida ny "akanjony fitondra miady" mba hanaovany , saingy vao maika tsy afaka nihetsika izy satria "tsy zatra" aleoko nisafidy ny tsy hanova fihetsika, fitafy , fisainana, fomba fiasa... fa ho izao "heriko" izao ihany no entina ... hiady amin'ny Goliata (Adidy) Ny anaran' Andriamanitra no entina manao ny asa! raha tsy izany dia fantatro fa tsy hisy fahombiazana . Ahoana anefa ny amin'ny Skoto sy ny Sekoly Sabata Tanora? Mino aho fa Izy mahalala...

Aucun commentaire: