Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 5 août 2008

Anjara fanompoana mavesatra ?

Filohan'ny Diakona ! tsy nampoizinay iny! Herin'andro aho no nahatsiaro tebiteby sy adin-tsaina , fa "olona tsy mendrika" kanefa mahatsapa fifaliana ao anaty.... Inona tokoa moa no nanaovana voady hoe "inty aho iraho aho? " raha tsy hanao ny asan'ilay Jehovah Andriamanitra? Nitondra tanora no nahazatra anay, "fanabeazana", kanefa notendren'Andriamanitra hanompo ny fiangonana (amin'ny maha diakona) ary notendreny hanompo ny diakona (amin'ny maha filoha) . Izahay no mpanompo ambany indrindra eto anivon'ny Fiangonana araka ny tenin'i JK hoe "izay lehibe aminareo no aoka ho mpanompo".... Ankehitriny dia fantatro ny "iraka" ampanaoviny anay, ary hiezaka izahay ny ahatontosa izany antsakany sy andavany, betsaka ny fanabeazana ho atao, ary ao anatin'ny planin'i JK hoan'ny fiangonana izany! Hanompo an'Andriamanitra , Hiasa hoan'ny Tanindrazana sy ny mpiara-belona...

Aucun commentaire: