Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 12 février 2010

Ho fahatsiarovana

 

Fa mba inona loatra re no mitranga ao antsain'ny olona anakiray ka mahatonga azy hamono tena ?... Ary inona ihany  koa no mitranga ao antsain'ny olona rehefa tsapany fa ho faty izy ?..Tena nahazendana ahy ny mieritreritra an'izany,

Vao andro vitsivitsy aho izao no naheno fa maty namono tena tamin'ny volana janoary teo ny tovovavy kely fantatro anakiray, azo lazaina hoe tanora beazina ihany izy na dia tsy ao anaty fikambanana iandreketako aza, efa nisy fotoana koa izy no tafaresaka antarobia matetika tamiko, mbola io olana ara-pitiavana io ihany sy nanatrika seminera nokarakaraina tao amin'ny Bibliotheque ihany koa.

Tao anatin'ny fotoana nahavery ny « finday » indrindra tamin'izany, ka tsy tratra antso mihintsy aho, sady tsy namangy no tsy nanotrona , tsy nandevina… (niady irery tao i L kely, nikarakara ny namany…)

Malahelo mafy aho maheno ny vaovao, tsy haiko, ohatry ny mahatsapa resy sy tsy nahomby izany aho, dia tena tsy nandaitra taminy ve ny torohevitra nomena azy ? taiza ar no misy lesoka ? ny torohevitra ve ? sa ny mpanoro hevitra, sa ny namana, sa ? asa re!, tovovavy toa ireny ve dia hamono tena ..?

…………………………………………………………………………………………..

 

Tamin'ny taona 2009 iny ihany koa no nandao tampoka anay i Nambinina, izy indray dia nindaosin'ny aretina tampoka ! Tovolahy mbola vao erotrerony izy, Nandalo tao antsaiko daholo ny fahatsiarovako azy, izy ilay tinaiza tonga voalohany hivory fony nanangana ny skoto TOM izahay, Hatramin'ny fotoana naha kely azy ka mandrak'izy tanora dia isan'ireo « tinaizako » foana izy, na tao amin'ny skoto izany na tao amin'ny sekoly sabata tanora, izy ilay mpamazivazy isak'izay mifanena, Mahay soratra masina, mpametraka fanotaniana saro-baliana sy mampiomehy ihany koa mandritra ny  fotoana fianarana ary na dia sendra mifanena koa aza ; Nisy fotoana izy no tsapako nanana olana, saingy taty aoriana izy dia tena « ao tsara » tokoa.

Tsy fantatro koa na mampalahelo na mahafaly fa dia tao anatin'izay izy « ao tsara » izay no nandao ny namana rehetra izy fa tojo an-drafahafatesana,

Raha ny sion-dresaka henoko dia efa nandindona azy ny hafatesany, ary dia afaka niomana tsara izy… (tena sambatra ihany le zandrikely !)

Anisan'ireo nandradraiko handimby anay amin'ny fiandraiketana ny tanora izy sy ireo mpiray dia aminy. Tsy mbola namoy tinaiza aho hatramin'izay, fa tena henjana !, tsy tanako ny ranomasoko, na dia tsy mba nitomany aza aho fony maty i Neninay, Ary tsy izaho irery fa ny sakaiza tanora rehetra dia saiky jembin'ny alahelo avokoa, tsy resabe fa tena mafy ilay « misaraka aman'aina »…,

 

Tena tsy ampoizina mihintsy ny fivadibadiky ny fiainana, fa aleo miambina,

Aleo tsy lany andro miady, mifamaly, mifanimba, na manao hadalàna fa araraoty ny fotoana misy mba  hifaliana, hifankatiavana, hanaovana izay mahasoa, mba marina moa !

 

 

 


Ahoana ihany ity krizy ity?

Ahoana ihany ity krizy ity ?

Samy manao izay hivoahany avokoa ny rehetra, mba te hivoatra ihany koa izahay roa,

Samy mitady tetika avokoa ny olona rehetra izao, ny sasany mirotsaka amin'ny sehatra politika , ny sasany miditra manao « afera » (na madio na maloto), fa izaho dia vaky loha…. Ny mpiasan'ny « zone » moa efa mitaintaina amin'ny fahatapahan'ny AGOA, soa ihany aho fa tsy miasa amin'ny zone intsony ! saiky ratsy iny !

 

Mba nahafinaritra ahy ny niady hevitra amin'ilay tovovavy manao stage ao amin'ny tanàna ! tena mahay zavatra maro tsy ampoizina izy (connaissance gle), mba tiako raha ho lasa tahaka azy ny zanako vavy, sady mieritreritra ny hitondra (vahoaka sa firenena) i kala kely…. Hum , samy mba te ho tafavoaka sy te hitondra ny anjarabirikiny amin'ity tany masina ity daholo e !

 

Sure aho fa tsy maintsy hifanena amin'ity « stagiaire » ity rehefa afaka taona vitsivitsy, ary ho tafavoaka soaman-tsara izy, enga anie mba tsy ho mpifaninana na mpifahavalo fa mba ho afaka hiara-muasa sy hifanampy,

Mba faniriana ny ahy e ! na dia tontolo samihafa aza no misy anay…

 

Ho hita eo e , ho raisina amin'ny fo Sariaka sy ny toe-tsaina « non violent » izay miseho eo!