Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy apokalypsy pasteur Mailhol diakona pasteur mailhol 2013

vendredi 12 février 2010

Ahoana ihany ity krizy ity?

Ahoana ihany ity krizy ity ?

Samy manao izay hivoahany avokoa ny rehetra, mba te hivoatra ihany koa izahay roa,

Samy mitady tetika avokoa ny olona rehetra izao, ny sasany mirotsaka amin'ny sehatra politika , ny sasany miditra manao « afera » (na madio na maloto), fa izaho dia vaky loha…. Ny mpiasan'ny « zone » moa efa mitaintaina amin'ny fahatapahan'ny AGOA, soa ihany aho fa tsy miasa amin'ny zone intsony ! saiky ratsy iny !

 

Mba nahafinaritra ahy ny niady hevitra amin'ilay tovovavy manao stage ao amin'ny tanàna ! tena mahay zavatra maro tsy ampoizina izy (connaissance gle), mba tiako raha ho lasa tahaka azy ny zanako vavy, sady mieritreritra ny hitondra (vahoaka sa firenena) i kala kely…. Hum , samy mba te ho tafavoaka sy te hitondra ny anjarabirikiny amin'ity tany masina ity daholo e !

 

Sure aho fa tsy maintsy hifanena amin'ity « stagiaire » ity rehefa afaka taona vitsivitsy, ary ho tafavoaka soaman-tsara izy, enga anie mba tsy ho mpifaninana na mpifahavalo fa mba ho afaka hiara-muasa sy hifanampy,

Mba faniriana ny ahy e ! na dia tontolo samihafa aza no misy anay…

 

Ho hita eo e , ho raisina amin'ny fo Sariaka sy ny toe-tsaina « non violent » izay miseho eo!


0 commentaires: