- Nisedra zavatra maro ny fiangonana tamin'ty taona ity. Ary mbola tsy nisedra krizy tahaka izao ny fiangonana, "vaky miharihary" mantsy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny mpitarika sy ny mpiara-miasa aminy sy ireo olona nofidian'ny mpino isan-karazany.
mampalahelo mihintsy ny zavatra mitranga: Samy manana ny heviny ny olona, ary toa mitarika fizaraham-bazana mihintsy aza izany.hiezaka manao analyse ny fototry ny olana aho:
2013... 2013 !- Tena nampiova ny fiaraha-monina ato anatiny mihintsy ny fivoahan'ny faminaniana mikasika ny 2013 , Niteraka fanantenana lehibe ao ampo iny kanefa kosa etsy andaniny dia lasa niteraka fifaninanana anatiny (guerre de pouvoir) iny faminaniana iny, lasa nihen-danja ny fifankatiavana fa samy mitsinjo ny 2013 avokoa ny mpinamana rehetra. Hany ka dia ny maka 19 amin'ny mpitarika na ireo tarihina no atao fa tsy naka 19 tamin'ny Tompo. Kanefa ny 2013 anie zavatra tonga ho azy e! miankina amin'ny finoana io.
Asan-devoly !- nafotaka ny fanaovana "delivrance" ary tena nahazo fandresena lehibe hatrany i Kristy, saingy .., saingy tsy nampoizin'ny fiangonana ny valim-panafihana!
- Lasa nampiasa ny "systeme de torture" tahaka ny fanaon'ny mpanao ankety ny mpanala devoly sasany ka "maka renseignements" amin'ireo devoly babo .... (lasa fandrika anefa izay),
- Ireo zavatra lazain'ny devoly dia indraindray toa tena gravy be tokoa, indraindray marina, indraindray tsy marina ..., fa ny tena loza dia ity:
- Nampiadian'ny devoly ny mpiangona ! Lazainy fa i ranona sy ranona "maty zoma", i ranona sy ranona efa namanay, ary voatonona daholo na olon-tsotra, na mpiandry, na mpiasa, na pasitera, hatramin'ny "mpitarika faratapony" aza, lazainy fa azy daholo, Tena tahaka ny ataon'ny Dadarabe amin'ny "fianakaviana" manantona azy, lazainy fa i ranona no mamosavy sns.
- tsy mifampatoky intsony ny fiangonana, Ny mpitarika tsy matoky ny manodidina azy, ny tarihina mihatofoka tsikelikely, na ny toriteny aza lasa manahirana ny mihaino sy manao azy, lasa mitandritandrina izany daholo ny olona. loza !
Ao antin'izany rehetra izany dia "mitanondrika ny fanahiko", tena mahavaky fo ny mahita izao fandehan-javatra izao,
Kanefa Jehovah azo hitarainana tsara, satria tsy manadino izy na minia tsy maheno, fa na ny tany aza no mitaraina dia mihaino Izy,
Any amin'i Jehovah no hitaraina ! Aleo mba HANDALO IZY, miaraka amin'ny afo mandevona sy rivotra..... "Aza ela Jehovah ô!" Vangio ny fiangonanao...
Olona afaka ny kristiana, ary mbola afaka mangataka izay tiany amin'ny tompo isika, izaho koa mahatsiaro fa olona afaka, fa tsy misy olona "ambakaina sy gejaina" ato amin'ny fikambanana, ary isaorako ny Tompo fa tsy isan'ireo mpangeja ny mpino ny rafitra F.A.M. izany fahatsapana fahafahana izany no tokony ahatonga antsika rehetra mba hivavaka hoan'ireo voagejan'ny Devoly sy voasaringotra ao anatin'izao "Krizy aram-panahy" izao. Fa tsy olona no fahavalo, na ny mpitarika, na ny tarihina , fa Devoly io manakorontana io ! Sokafy ny maso , sokafy ny maso !