Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 18 mars 2011

Mahandrasa ry zanako !

Mahandrasa ry zanako !

Tsy mety vita mihintsy ny fety ho fanamarihana ny faha 6 taonan'i Kanto kely. Efa tamin'ny volana janvier izy no feno 6 taona, kanefa hatram izao volana martsa izao dia mbola tsy manana enti-manana ny hampifalifaliana anazy izahay roa… tena krizy marina ny andro


Repos stricte au lit !

Repos stricte au lit !

Mampalahelo ahy ny vadiko fa mijaly be loatra izy fa misy problème ny grossesse, nanotany dokotera namana aho hoe fa inona no mahatonga ny kibo ho ambany be ? dia nolazainy fa ny havizanana hoy izy ! bon j'ai compris hoe normale izy raha vizana ! satria ny asany dia tena feno deplacement à pieds isanandro. (repos stricte au lit foana no azo intelo misesy…)

Na izany aza ry Tompo, Ianao mahalala ny mahasoa sy mahatsara anay, mba tsy olana ny fahatongavan'ny zazakely fa tena mba ho fahasoavana tokoa… Hamorona zavatra entina manompo anao indray aho rehefa omenao anay soamantsara io zazakely io. Amen !


Faly aho!

Faly aho fa tonga nitsidika anay tany antrano i Dada, tamin'ny herinandro voalohan'ny volana martsa teo izy no nandalo teto, ary niresaka tsara izahay (sady i Nary mianakavy kely koa tonga tao) , hitako fa efa lehibe sy efa reraka ihany izy, ny lelany miraikitra, ny tongony toa taritiny izany… fa faly aho fa tonga izy namangy anay. Ny zavatra nampihomehy sady nampalahelo dia tsy fantatr'i Tsiky intsony ilay dadabeany ! efa ela loatra no tsy nifamangy .. Nilaza koa izy fa tsy nahazo vaovao tany amin'i Zoky vavy intsony taorian'ilay hoe hanambady i Mihadjah, izaho aza tsy naheno izany vaovao  izany mihintsy

Fa hitako niova i Dada, raha mikasika ny fifahavanana, tongava eny aminay hoy izy , « bipeo izahay rehefa eny Sabotsy Namehana fa hotsenainay ianareo » hoy izy ….Tena nahafaly anay iny !

Maninona koa hoy izy raha mba mifanao fotoana eny ambohijatovo eny isika rehetra dia mba mifankahita ?… milay !


Ny tsy fahombiazana

Ny tsy fahombiazana

Hoan'ny olon-dresy, ny tsy fahatanterahan'ny faniriana amin'ny fotoana izay niheverana azy dia mijanona ho tsy fahombiazana tokoa,  kanefa raha te hahomby tokoa ianao , ny tsy fahombiazana anakiray dia dingana mankany amin'ny fahombiazana ihany.

Indraindray mantsy dia tsy avy hatrany dia mahomby isika, satria misy zavatra na toe-javatra miseho izay tsy mbola voafehintsika kanefa mihatra amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahombiazana na ny échec izany dia fotoana anakiray « hianarana » sy hanatsarana ny « fahalalàna » connaissance, sy ny « traikefa » expérience, koa raha hainao ny mamadika ny tsy fahombiazana ho fitaovana iray entina mahazo fahombiazana dia ho tsapanao fa marina ny teniko tery ambony hoe « ny tsy fahombiazana dia dingana mankany amin'ny fahombiazana ».


Miala any ve ny ady lehibe fahatelo ?

Volana febroary 2011 isika izao, niongana tao anatin'ny iray volana ny fitondran'i Moubarak tany Ejipta, sy  ny fitondrana tany Tunis, ary amin'izao fotoana izao dia efa mikorontana tanteraka ny any lybie , Yemen sns, rehefa jerena maika dia mikorontana sy mirodana ny fitondrana tranainy sy andriamanjaka rehetra any amin'ny faritra Arabo.

 

Inona no ambadik'izao ? Tsy mpaminany loza aho tsy akory , fa araka ny fihevitro dia afaka taona vitsy dia vitsy monja dia tsy maintsy hisy ady lehibe hipoaka eto, ary ho adin'ny firenena Kristiana sy Silamo izany (raha endriny ivelany).

 

Nahoana hoy ianao? Satria mila ady ny toekarena tandrefana vao afaka miodina, mila petrole ry zareo satria efa ho ritra izao ny petrole eran-tany, aiza anefa no misy petrole ?..... any amin'ireo toerana misy Krizy  ankehitriny ireo…

Ary hamporisihin'ireo tandrefana ireo daholo ny silamo mahery fihetsika rehetra mba haka fitondrana, ary rehefa tafapetraka soamantsara eo ireo dia rangitina hiady amin'i Israel, na homba ny firenena Iran, ary tsy maintsy hanafika an'i Israel sy ireo tombotsoa tandrefana rehetra….

 

Toa tafiditra anatin'ny fandriky ny illiminatis sy ny franc macons ireo vahoaka arabo ireo, ary mihevitrra aho fa miray tsikombakomba amin'izany ny sasan-tsasany amin' ireo mpitarika politika silamo ireo. Ho ampiasaina avokoa ny tele sy ny internet sy ny fifandraisan-davitra rehetra mba hilazana fa tsy maintsy hatao ny ady…, dia hiteny avokoa ny mpanara-baovao rehetra amin'izay hoe « marina kosa izany » « tsy rariny kosa izao », tokony mba hihetsika ny ONU sns, angah moa ny ONU manana miaramila fa tsy maintsy ny OTAN sy ny Amerikana no ho avy eo ! Tahaka ny nanaovana an'i Sadam Husein sy ny Petrol irakianina ihany !

Ao anatin'ny planin'izireo , ny hisian'ny ady lehibe mahatsiravina, ary ho afaka hiditra amin'ireo tany ireo avy eo ny tafika tandrefana rehefa mamaly bontana ny fanafihana izay ataon'ireo mpitondra arabo vaovao izay hapetrak'izao Krizy politika novolena maneran-tany  izao…

 

Tsy voatery hisy mpandresy sy resy io ady lehibe io, fa samy ho reraka avokoa ny governemanta rehetra, sy ny vahoaka rehetra (hisy ny mosary sy ny Krizin'angovo na crise d'énergie) ary dia hiseho tampoka ho toy ny mpamonjy sy mpanavotra ilay Kristy sandoka sy ny Nouvelle ordre Mondial izay holazaina fa vahaolana hoan'ny rehetra !

 

Tssss ! enga anie mba ho rediredy ny ahy !