Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

dimanche 1 mai 2016

FAHATSIAROVANA SAMBOSA

Mba nahatsiaro ny andro fahiny aho dia niantso an'i Nary hoe "tongava fa hanao sambosa" io "fivarotana sambosa" io mantsy no isan'ny tena nanampy anay fahiny ! (1990-2000) ilaina tokoa ny mahatsiaro fa na dia samy manana ny asany avy aza izahay dia tsy hadinoina fa nisy fikirizana sy fihafiana nandalovana vao tonga ohatrizao avokoa... ary tsy misy asa ratsy na mahamenatra .... Misaotra an'i zokivavy Haingo aho nampianatra anay an'io sambosa io fa nahatafita anay telo mianadahy zandriny ny nanaovana io "asa" io ! nahatsiaro ny ambiansa tao antrano fony mbola zatovo mihintsy ity fotoana ity! hatramin'ny hanitry ny sambosa , tahaka ny tranonay taloha .....