Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

lundi 12 novembre 2012

Nivoaka gazety i Zoky Andry

Androany no nivoaka gazety voalohany aho rankizy, faly aho fa mba zavatra tsara no nivoahako gazety,
mikasika ny fiofanana HHO Madagascar ilay article,
Gazety l'observateur du 12 novembre 2012, page 15
titre
"une trouvaille anti-crise COMMENT ECONOMISER DU CARBURANT avec de l'eau? .....
deraina ny Tompo! Alleloia!

vendredi 9 novembre 2012

MITADY FITIA

Efa ela ihany no tazako teto ny tsangananao,
saingy ontsa ny foko raha sendra mitopy izay soratanao,
fa angaha tsy mba misy fanantenana mihintsy hatrizao
no mitady fitiavana mandava-taona no lahatrandronao

Mitady fitia sy sitraka hatrany, no tanjontsika
miezaka ihany , miakatra , midina fa tsy mahita
maninona moa raha mizara fitia, sy mitia dia mitia
dia atao amin'olona aloha izay iriny...dia hivaly fitia..

jeudi 8 novembre 2012

FO MARATRA ,


Tononkalo nosoratako fahiny izy ity, dia sendra hita indray ka tehiriziko!

Nahoana moa ny fo no toa tsy mety miaiky
fa ny mahasoa tsy lavitra fa akaiky
 
tsy ianao irery no mitriatra, mitoloko
tsy fanahinao irery no miady, sy misaona,
raha mba hitanao , inoako,
ny adintsaiko , aman-taona
 
misy vavaka miainga,
entim-panahy ka tsy lainga
misy teny , tsy vidina,
ny tsara ho avy , izay no irina
 
nahoana moa ny fo, no mitady lalan-kafa
na efa atoro azy (aza) ny lalana voafafa !
 
ô ry fo izay maratra, ahoana re no atao anao?
sa ny foko te hitroatra no hitoloko aminao?
 
izay ianao vao mety hanaiky fa fitiavana avokoa,
no mibaiko anatiko ao, tanjoko io?... hanasoa !
 
hoy ilay mpiteny hoe "aza malahelo"


Nouveau : téléphonez moins cher avec Yahoo! Messenger. Appelez le monde entier à partir de 0,012 €/minute ! Téléchargez la version beta.