Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

dimanche 14 octobre 2012

LASY FIOFANANA TAO FIANARANTSOA 2009

Tsiaro ny fahiny....
-->
Lasy fanofanana
FIANARANTSOA 2009

BEHENJY - BEHENJY
Anisan'ny lasy lafovidy iny lasy fanofanana tany fianarantsoa iny, betsaka ny sedra nolalovana sy ny fandaniana natao, na ara-bola io na ara-potoana, Vao niainga ny fiarabe nitondra ny mpilasy miisa 46 ny alahady 20 desambra dia tsapa fa ho sarotra ny dia, minibus no nifanarahana, Car be no tonga, ary nisy olana ara-teknika maro
Nihitsoka teo behenjy telo andro ny mpilasy aloha, ary dia tena nanahirana be tokoa izany na ara-bola na teo amin'ny fotoana lany
Ny zavatra tena nahafinaritra ahy kosa nandritra ny telo andro nampihitsoka tao Behenjy dia nankatoa avokoa ny zoky rehetra izay avy any amin'ny faritany ny ankamaroany, tena tamin'ny toe-tsaina skoto no nandraisan'ny rehetra ny zava-mitranga, feno hira fiderana, sy vavaka ary hira skoto ny tontolo andro sy ny fotoana malalaka rehetra, Tiako mihintsy ny toetran'ireny komity mpiahy roalahy tafaraka taminay ireny,.. (ali alô veloma rameva  !…)
Ny Ekipa nasionaly tafahitsoka tao Behenjy dia Tonia nasionaly (William) sy ny Tonia mpanampy azy (Filoha Emisa), miampy ahy sy Filoha Zo, Filoha Richard,  …
Nahafinaritra ihany koa ny fiarahamonina teo aminay satria tsy mba nisy fifandirana na fifanomezan-tsiny fa samy nanao izay azony hamahana ny olana …

FIARA TAINGIM-BE … NIJANONA NY TONIA NASIONALY WILLIAM


vendredi 12 octobre 2012

BICARBONATE CONTRE CANCER

La thérapie au bicarbonate de sodium

bicarbonate de sodium
Une solution logique au problème du cancer, basée sur les arguments mis en avant jusqu’ici, semble surgir du monde des champignons contre lesquels, pour le moment, il n’y a pas d’autre remède utile, à mon opinion, que le bicarbonate de sodium.

jeudi 4 octobre 2012

SAROTRA NY MANENTANA OLONA

Nanomboka nampanao ilay formation mikasika ny "Générateur Hydrogène" mamadika ny rano ho fanampin'ny solika aho ny volana Septembre teo:
raha ny namana akaiky aloha dia betsaka no liana : 50 teo ho eo sady misy participation 5.000Ar
fa ity faharoa ity kosa izay natao hoan'ny daholobe dia tena ohatry ny tsy nahasika olona satria efa ho 2 andro sisa dia hikatona ny fisoratana anarana, kanefa dia mbola vitsy (azo isaina amin'ny rantsa-tanana) no tnga nisoratra anarana, kanefa dia sady efa nizara prospectus eaf 4000 ex izahay no nandefa annonce tam Gazety anakiroa.... aiza ary no nisy tsy nety?
sa ny olona no tsy mino hoe ny RANO mety HIREHITRA?
sa lafo loatra ilay saram-pîofanana 50.000Ar
kanefa raha atao 10 000 Ariary ve io tsy lazaindry zalahy fa lainga satria mora loatra?
de tsy haiko e!