Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

dimanche 14 octobre 2012

LASY FIOFANANA TAO FIANARANTSOA 2009

Tsiaro ny fahiny....
-->
Lasy fanofanana
FIANARANTSOA 2009

BEHENJY - BEHENJY
Anisan'ny lasy lafovidy iny lasy fanofanana tany fianarantsoa iny, betsaka ny sedra nolalovana sy ny fandaniana natao, na ara-bola io na ara-potoana, Vao niainga ny fiarabe nitondra ny mpilasy miisa 46 ny alahady 20 desambra dia tsapa fa ho sarotra ny dia, minibus no nifanarahana, Car be no tonga, ary nisy olana ara-teknika maro
Nihitsoka teo behenjy telo andro ny mpilasy aloha, ary dia tena nanahirana be tokoa izany na ara-bola na teo amin'ny fotoana lany
Ny zavatra tena nahafinaritra ahy kosa nandritra ny telo andro nampihitsoka tao Behenjy dia nankatoa avokoa ny zoky rehetra izay avy any amin'ny faritany ny ankamaroany, tena tamin'ny toe-tsaina skoto no nandraisan'ny rehetra ny zava-mitranga, feno hira fiderana, sy vavaka ary hira skoto ny tontolo andro sy ny fotoana malalaka rehetra, Tiako mihintsy ny toetran'ireny komity mpiahy roalahy tafaraka taminay ireny,.. (ali alô veloma rameva  !…)
Ny Ekipa nasionaly tafahitsoka tao Behenjy dia Tonia nasionaly (William) sy ny Tonia mpanampy azy (Filoha Emisa), miampy ahy sy Filoha Zo, Filoha Richard,  …
Nahafinaritra ihany koa ny fiarahamonina teo aminay satria tsy mba nisy fifandirana na fifanomezan-tsiny fa samy nanao izay azony hamahana ny olana …

FIARA TAINGIM-BE … NIJANONA NY TONIA NASIONALY WILLIAM


Nony farany, rehefa tapitra voavaha ireo olana ara-teknika rehetra, kanefa mbola misy hafa mipoitra indray (Kodiana vaky, kodiarana saiky niala, rivotra tsy miakatra, vitesse tsy mety tafiditra …) dia ny tompon'ny fiara mihintsy no nanafatra fiara hafa handray anay ho any fianarantsoa. Sady efa vita ihany koa ny « asa delivrance » natao teo amin'ny tanàna »…Efa alina vao niditra an'i Behenjy ilay fiara…
Teo no tena henjana satria fiara hoany Bekily no nandray anay, fiara efa feno olona, feno entana… Teo vao nisy tsy fifanarahana nipoitra teo amin'ny ekipa, ny rehetra efa samy maika hiakatra hamonjy lasy daholo, ny tompon'ny fiara ihany koa dodona izay tsy izy, ny Tonia William indray nilaza hoe tokony hivory, ary tsy tiany araka ny filazany fa « toa samy manapa-kevitra samirery avokoa ny rehetra, tsy kely tsy lehibe », ilay fiara anefa taingim-be, ahoana ny securité sns , nilaza mihintsy aza izy fa « raha ilaina dia azo ajanona ny lasy », nisy fifanazavan-kevitra ihany koa teo aminy sy Filoha Richard… izaho moa niezaka tsy niditra tamin'ilay fifandiran-kevitra teo , fa na izany aza dia tsy nitovy hevitra taminy aho.
Teo no nilaza i Tonia Nasionaly fa hijanona sy hiverina any Antananarivo. Tsy nisy nitazona azy ny rehetra fa dia hita hoe samy hafa mihintsy ny hevitra teo, Natao veloma izy, ary dia natao izay nahatafiditra ny rehetra tao anatin'ilay fiara « taingim-be »… Tsy misy ny seza malalaka azo nipetrahana fa ny ankamaroany dia nitsangana, tao ny nifampiampofo sns, tena mbola tsy nisy toa ity hatrizay nandehanana nilasy…

TONGA IHANY – NAHAZO TENY MAFY TANY AM IN'I A/VY LUCIE …

Tonga ihany ny mpilasy sisa ny alarobia maraina, tamin'ny 11 ora, ary nanao fifamoriam-be aloha , efa hitako taratra fa sorena ny komity mpiahy nasionaly, ary efa nilazako mialoha ny Ekipa Nasionaly fony mbola tany Behenjy hoe « ho mafy ny fanakianana sy fanomezan-tsiny hahazo antsika , kanefa aza misy mamaly fa sao vao maika mihitatra zavatra hafa ity resaka ity ».
Nandritra ny toriteny nataon'ny pasitera dia efa hita taratra fa mahatsiaro tena ho tsy nohajaina ny Komity mpiahy Nasionaly ary malahelo ny amin'izany, (kanefa tsy azon'izireo mihitsy ireo « circonstance ratsy marobe tsy nahafahana nanoatra)
Rehefa nivory ny hariva dia nanao tatitra fohy ny zavatra nitranga tany Behenjy ny Filoha Richard sy Emisa, rehefa vita izany da nanao tora-po naneho ny hatezerany sy ny alahelony ny R/vy lucie  izay sekreteran'ny Komity Mpiahy Nasionaly, nambarany ny fahatsapany fa tsy fanajana rafitra, nambarany ihany koa moa fa vola be no lany vokatry ny tsy fetezana sy ny olana rehetra nitranga tamin'iny fandaminana iny ; i Pdt indray dia nalahelo ihany koa saingy tsy fombany ny manao tora-po ka naravina teo iny resaka iny, rehefa nisolo tena ny ekipa naneho ny fialantsiny sy ny fangatahana famelàna ny Filohan'ny lasy,

Fa « milay » ilay toerana misy ny lasy an !, tena « ao tsara » mihintsy, feno hazo, feno kitay, azo ilasiana tsara !
Tamin'io andro io ihany koa natomboka ny fanofanana ireo bekotro , sokajin-dasy vaovao izay niaindraiketako manokana…Vavy be daholo ireto izy ! avy amin'ny sampana mavo sy sampana maitso izy rehetra…, nozaraiko ny boky misy ny formation bekotro, ary nozaraiko ny anjara asan'izy enina mirahavavy dia namonjy natory aho aloha fa miakatra ny tazo,

VITSIKA VAOVAO BE
Soa ihany fa nisy ilay boky « Zaidra , vitsika mahery fo » izay mirakitra ny fomba fanabeazana vitsika , ilay hasolo ny « louvetisme » fa raha tsy izany dia tena sahirana satria tsy ampy ny fotoana hampianarana azy raha tsy nisy boky,.. Ohatry ny mba moramora raisina ity farany ity, (tsy midoka tena aho an !) , na izany aza, mifanalavitra be ny fari-pahalalàn'ireto mpiofana, ny sasany efa eny amin'ny « an-jery manontolo » sady efa ho taona fahatelo izao, ny sasany nijanona teo amin'ny kilasy faha dimy…

FAHAFAHANA SY FANAJANA NY TENY NOMENA
Noezahiko ny tsy hangejana firy na nampirotoroto ireo Zoky Bekotro, sady misy tamin'izireo efa taona faha dimy sy faha fito niofanana…. Ny vaindohan-draharaha napetraky ny ekipa mpampiofana ihany koa dia hoe izay « zava-dehibe sy izay vita no enjenhina »,
Napandeferiko ny fombafomba ivelany rehetra , toy ny fifamoriana, ny ala vokona sns, fa tonga dia ny sakafo sy ny fanofanana ary ny toe-tsaina skoto no natao zava-dehibe. Tao anatin'izany ny fanomezana fahafahana azy ireo , isaky ny miera, ary koa ny fitakiana amin'izireo ny hanajany ny teny omena.
Nisy tantara kely mihintsy aza izay resaka izay nandritra ny lasy, ary samy ahatsiaro izany avokoa izy enina mirahavavy indrindra fa i Zoky Lanto

SABATA FITSAHARANA – VAY MAHARARY - FANTANA MASOANDRO
Mba tsy levon'ny vavonin'ny Ekipa rehetra tokoa ny fomban'ny sampana maitso izay toa tia « mitokatokana » sy mihataka amin'ny rehetra ity, na dia efa fotoana handehanana hivavaka sy tokony hiarahana aza… tsy hay hoe fa maninona… ? ny resabe koa moa tsy azo sakanana ihany koa…  ! Nalainy mialoha ny frais –n'izy rehetra dia lasa izireo nandeha mitokana ….
Tsy asiana resaka izany sakafo kely  tany ampiangonana izany…fa dia nazoto homana ny sampana maitso ! sakafo marina ve moa ka hifapiandrasana sa diso aho ?

Efa feno dimy andro tamin'io Sabata io  no henoko naharary ahy ny fitombenako, misy zavatra mivonto be sady maharary ao, lazain'i Dina tamin'ny telephone fa « vay » hono izany,
 Marina mafy raha mba fantatro izany hoe voan'ny vay hatramin'izay nahavelomako ? fa tena nijaly hatrany Behenjy aho, satria sarotra amiko ny mipetraka, nefa dia indroa alina no natory tao anaty fiara , ary ilay alina fahatelo nifatratra tao anaty fiarabe ho any Bekily no tena nangidy ! maty aho fitombenako ! soa ihany fa misy mpandeha hafa ho any bekily ireny nahitàna « tantara ihomehezana », i Emisa sy Filoha Richard no tena mahay mitantara ny zavatra nitranga tamin'iny….

Tsy nandeha namonjy fiangonana aho ,satria izaho irery no lehilahy afaka mijanona miandry tanana, teo amin'ny sampana mavo, Rehefa tsy mety narafitra ilay fatana « parabolique » mandeha amin'ny hazavan'ny masoandro, satria tsy nisy scotch lehibe mety aminy, dia caisse solaire kely anakiray no narafitro maimaika. Io caisse solaire io no nandrahoako « mi-sao » , ka mora ery ny nahandro tsy misy kitay sy tsy misy afo fa dia atao amin'ny tanin'andro fotsiny ilay « fatana mandeha am in'ny masoandro » dia mafana ny rano, vita ny misao…indroa nahamasaka mi-sao aho ka voky, ilay ambiny aza nasaiko nohanin'ilay sampana mena niandry ny sokajin-dasiny.

AFON-DASY MASISO KELY …
Vizana tanteraka aho ny takariva , tsy mbola nisy lasy nandreraka ahy tahaka ity indray mitoraka ity, ny fitombenako maharary, indraindray aza mitarika tazo mihintsy , izaho tsy afaka mipetraka rehefa mampanao formation fa mitsangana na mandohalika na matory mihorirana sns…, ary taraiky be tokoa vao tonga ny mpamonjy fiangonana, efa maizina mikitroka ny ala vao tonga ry zareo…
Ny alina efa hisasaka, Mbola nangatahin'i Filoha Zo sy Emisa  hitsara ny cahier n'ny 2* degré indray re ! nantsoiko i Zoky Bertine hanampy ahy..
Efa tany hoany amin'ny 1 ora alina vao nanomboka ny afon-dasy , naredona be aloha tamin'ny fanombohany, tena mampitsiriritra mihintsy ny maheno azy avy lavitra, fa rehefa vita ny hira fanentanana, dia tena hita fa reraka tanteraka ireo mpilasy, na ireo zoky tia mamonjy afon-dasy hatrizay aza, lasa nanatitra torimaso avokoa. Iizay hira fanentanana rehetra dia saika tsy tafavoaka satria kasoka ny feonay sy ry filoha Richard sy ny Filoha Hubert,  kanefa dia tena niredareda tokoa anie izany raha afon-dasy !

TONGA FAMARANANA IHANY
Madity ny torimaso ny alin'iny ! tena zara raha nisy ora roa ny ahy, fa na izany aza dia samy nifoha maraina nandrava lasy ny rehetra, sady mahandro sakafo atoandro no mangoron'entana. Migadona tsinona ny alahady 27 desambra izay hodiana.
Efa nanomboka ny fifamoriana famaranana iraisana, fa taraiky be ny sampana mavo, ny anay koa moa « vavy » daholo ,ka mandany andro kokoa ny fidiovana (sady lavitra ilay toerana misy ny rano fidiovana)
Notononon'izy mirahavavy (Filoha Emisa sy Zo) ireo Zoky sampana mavo « validé », ny an'ny sampana maitso sy mena kosa dia nambara fa any anaty cahier ny « validation »
Nantsoina ho Filoha Rezionaly antananarivo i Dlin (Filoha maitso) sy Domoina kely, ary koa i Zoky lanto na Petite (filoha vitsika sampana mavo), fa i Doms kosa dia nantsiona ho filoha Maitso nasionaly miandraikitra ny faritany Toamasina, izy rehetra ireo moa dia samy avy tao amin'ny Bekotro avokoa.

Vaky ny « vaiko » ry zareo !, vita ihany koa ny lasy, Samy nanao izay hidirany anaty fiara ny rehetra, efa nilamina avokoa ny fitarerana mody (merci @ Komity mpiahy), tafiaraka fiara tanaty fiara menamena iray izahay mianadahy avy (Emisa, Zo, izaho, niampy an'i Filoha Richard, Seheno sns, dia niroso ny fodiana, tonga aloha be izahay, satria ny fiaranay no tonga voalohany, Niainga tamin'ny 10 maraina ny rehetra, ary tonga tamin'ny 6 ora hariva izahay, ny fiara farany kosa tamin'ny 1 na 3 ora maraina vao nigadona.

Mbola tsy nisy lasy henjana tahaka iny indray mitoraka iny ! tena lafo vidy iny fiofanana iny, saingy finaritra sy mirehareha ny amin'izy mirahavavy filoha mpiara-miasa amiko aho (Zo sy Emisa) Tena « tonga fatra » izireo, lasa mpandray andraikitra sy mahay mianavia mianavanana tokoa, tena milay ! na misy aza ireo olana nosedraina , izaho mahita hoe tena skoto iziroa !,
Nahatsapa koa aho fa  somary taraiky ireo bekotro avy ao amin'ny sampana maitso, raha resaka « fampitàna fahalalàna amin'ny fomba skoto », tsy mahay manentana izireo rehefa mitondra lesona fa toa zatra « sora-tononina sy dikasoratra » izany ? dia tsy maintsy nandaniana andro mihintsy ny lesona « fomba fampianarana sy fanentanana lesona skoto » tao amin'ny bekotro. (mila mampitombo ny fahaizana ny « fanabeazana ara-kasa » ry zareo.
Efa tena matotra tokoa i Filoha Cyril, fa tsy  haiko raha ho vitany ny « mamaky vay », ireo lesoka rehetra eo anivon'ny Ekipa Nasionaly na tsia, izao efa tsy mahafita manitsy intsony satria efa manao fisainana olon-dehibe ny akamaroanay, misy manana aretina mibaiko fa tsy mitarika.  I Filoha Rolin koa tsapako ho te hanao zavatra sy te hanatsara zavatra be eo anivon'ny Sampana Maitso, kanefa tsy haiko na ho vitany izany na tsia ,manoloana ireo ekipa mpiara-miasa aminy ireo.

Milay le manao skoto sy  mampita fahalalàna amin'ireo zandry aty aoriana, na izany aza dia mafy iny lasy iny , amin'ny herintaona indray angamba mifankahita isika 86 mianadahy…


Aucun commentaire: