Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 8 novembre 2012

FO MARATRA ,


Tononkalo nosoratako fahiny izy ity, dia sendra hita indray ka tehiriziko!

Nahoana moa ny fo no toa tsy mety miaiky
fa ny mahasoa tsy lavitra fa akaiky
 
tsy ianao irery no mitriatra, mitoloko
tsy fanahinao irery no miady, sy misaona,
raha mba hitanao , inoako,
ny adintsaiko , aman-taona
 
misy vavaka miainga,
entim-panahy ka tsy lainga
misy teny , tsy vidina,
ny tsara ho avy , izay no irina
 
nahoana moa ny fo, no mitady lalan-kafa
na efa atoro azy (aza) ny lalana voafafa !
 
ô ry fo izay maratra, ahoana re no atao anao?
sa ny foko te hitroatra no hitoloko aminao?
 
izay ianao vao mety hanaiky fa fitiavana avokoa,
no mibaiko anatiko ao, tanjoko io?... hanasoa !
 
hoy ilay mpiteny hoe "aza malahelo"


Nouveau : téléphonez moins cher avec Yahoo! Messenger. Appelez le monde entier à partir de 0,012 €/minute ! Téléchargez la version beta.




Aucun commentaire: