Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 29 mai 2008

FIARAHA-MISAKAFO 2008


ssary tamin'ny fiaraha-misakafon'ny tanora 2008 io, nanao fanamiana Malagasy tranainy avokoa ny rehetra tamin'io , hita eto @ sary I mama Haja sy ny zanany , ny komity maromaro (mirana, fano, Eva, liva, Sandra), zahay mivady, Kanto sy Kerena , Liva sy linàh, i Jean pierre mivady, Mirana sy Fano, Mima sy ny tariny, Mika sy Mamy ary Niry...

Tena "mendrika be" ny rehetra tamin'iny !
Posted by Picasa

mardi 27 mai 2008

ECOLE VERTE

IO TSIKY E ITY INDRAY SARIN I KANTO SY MAMAN - NANAO ECOLE VERTE 2008 TANY AMBATOMIRAHAVAVY

NAZAHOANA VAOVAO IHANY RA ZOKIVAVY

Mahafinaritra ery ny mandre ny feon'i zokivavy avy any comores, hatraminzay mantsy dia fax no ifanoratana, tato ho ato kosa anefa izy dia miantso amin'ny finday , mahafinaritra sady mampilamina saina ny maheno azy salama ... misaotra an'Andrimanitra !

mardi 20 mai 2008

MANAO SAMBOSA



Tamin'ny Alatsinain'ny pantekoty (gregoriana)...
Nahatsiarotsiaro ny andro fahiny aho dia niantso an'i Nary "ndao mba hanao sambosa tahaka ny taloha e"
na dia efa samy manana ny asany aza mantsy ankehitriny dia ilaina ihany ny mahatsiaro fa tsy tongatonga ho toa izao ny tena fa nisy "fihafiana sy fahoriana nolalovana ...
Io fivarotana sambosa io no anisan'ny nanampy anay tamin'ny fivelomana sy ny fianarana (1990 -2000), ary nentinay nahatafita anay telo mianadahy zandriny...

Tsaroana foana fa tsy misy asa ratsy , tsy ilaina ny miavonavona, ary tsy maintsy misy fikirizana sy fahazotoana vao tafita eo amin'ny fiainana ..
tsy manao sambosa entina miady amin'ny fiainana intsony eto fa mba "fun" e!

ary tsara raha atao isan-taona io "manao sambosa" io , mba ho tadidy sy ahatsiarovana ny fiainana tamin'izany !

NANDEHA NY TSENA


Dia samy nifanotronotrona teo ny rehetra, isan'izany izy telovavy ireto,






io sary manaraka ity kosa i Didiy sy Landy , nanampy an'i Zoky Andry nanambatra ilay boky tatitry ny fikaonan-doha hozaraina ny raiamandreny,





ny sary fahatelo ahitana an'dry lino sy ny tariny, manotrona an'i Mika,







ary ny farany dia i Mamy sy ny mpanotrona azy.... tsapa hoe "nandeha tsena" teto !



gOOd markEt ! !
Posted by Picasa

MPANAO RAHARAHA


Aza manakombona ny vavan'ny "omby" mively vary e ! na operation misao aza no natao, ny mpanao raharaha nihinana saosisy sy tsaramaso lena ! (tsy misy kisoa io an)
Posted by Picasa

OPERATION MISAO 1

Operation misao natao ny alahady 18 mai 2008
vao maraina dia efa tany antranonay ry Niry nitaona ny entana, mirotsaka antsehatra avokoa na lahy na vavy nanomana ny fitaovana









Falifaly ny mpanao misao ! , i mama haja no chef, tena nahafinaritra ny ambiasa e!













sady manao misao no mitana ny bokim-bola ry sandra !











izany no santionany ! Natsiro an !
Posted by Picasa

vendredi 2 mai 2008


izy telo mianaka ireo ! lavabe i kanto eto fa miakatra seza...
Posted by Picasa