Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 20 mai 2008

MANAO SAMBOSA



Tamin'ny Alatsinain'ny pantekoty (gregoriana)...
Nahatsiarotsiaro ny andro fahiny aho dia niantso an'i Nary "ndao mba hanao sambosa tahaka ny taloha e"
na dia efa samy manana ny asany aza mantsy ankehitriny dia ilaina ihany ny mahatsiaro fa tsy tongatonga ho toa izao ny tena fa nisy "fihafiana sy fahoriana nolalovana ...
Io fivarotana sambosa io no anisan'ny nanampy anay tamin'ny fivelomana sy ny fianarana (1990 -2000), ary nentinay nahatafita anay telo mianadahy zandriny...

Tsaroana foana fa tsy misy asa ratsy , tsy ilaina ny miavonavona, ary tsy maintsy misy fikirizana sy fahazotoana vao tafita eo amin'ny fiainana ..
tsy manao sambosa entina miady amin'ny fiainana intsony eto fa mba "fun" e!

ary tsara raha atao isan-taona io "manao sambosa" io , mba ho tadidy sy ahatsiarovana ny fiainana tamin'izany !

Aucun commentaire: