Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Bedy aho fa tsy nitondra! ...

Herinandro lasa izay, Bedy aho fa tsy mba nitondra "zavatra" hoan'iziroavavikely mihintsy isaky ny mody avy miasa, zatra manao budget sy teti-bola aho , ka tsy ao anatin'ny tetibola izany mitondra "zavatra" hoan'ny ankizikely isan-kariva izany … ramatoa anefa mitondra foana isaky ny tonga ao an-trano ! farany teo raha iny tonga avy niasa iny aho dia tezitra mafy ra-tsiky kely ,tena tezitra, sady nanaraka ahy eran'ny trano no nikapoka nanao hoe "dada tsy mitondra foana! Kanefa I Maman mitondra!" …

Maty aho! Manahirana ity fiainana ity!


Aucun commentaire: