Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Fampihavanam-pirenena!

Mba tsy azoko mihintsy ity resaka fampihavanam-pirenena ity! Inona no tena heviny? Misy milaza fa ny famotsoran-keloka fahobe no lazaina fa fampihavanam-pirenena, misy indray milaza fa ny fanomezana seza ny mpitarika politika rehetra na izay nanangana antoko politika rehetra no fampihavanam-pirenena?

Angamba kosa tsy ny firenena no niady fa ny mpanao politika e? koa tokony ry zareo no mifampihavana , izany hoe « fampihavanana mpanao politika, mandrapahatonga ny gidragidra manaraka indray » ve izany no atao?

Fa raha ny Malagasy mihintsy kosa no tiana hampihavanina dia tiako izay tanjona izay, dia omena famotsoran-keloka avokoa na ireo nanodikondimbolam-panjakana, na ireo nangalatra mangahazo sy ovy teny an-tsaha, fa tsy mety kosa raha hoe izay mpanao politika nangalatra ihany no mahazo famotsoran-keloka fa izay mpangalatra akoho tsy mahay politika dia tsy mahazo », ny sasany aza toa namono olona mihintsy ! Nanambàka vahoaka sy nibodo fananan'olona, nandromba firenena mihintsy fa tsy hoe namaky trano iray na roa fotsiny …

 Aleo foanana mihintsy aloha ny fonja dia avoaka daholo izay "nandiso" rehetra, dia mifampihavana avokoa ny Gasy manana ady amin'ny tribonaly rehetra, mety ho fety be mihintsy amin'izay no mitranga an ! « jobily famotsorankeloka » no atao anarany, dia andro tsy hiasàna kanefa handraisan-karama ! dia hotenenenina hoe « afaka 50 taona indray vao hisy famotsoran-keloka toy izao an ! » na hoan'ny olon-tsotra na hoan'ny manao politika adala

Sa isan'andro ny fetin'ny ankizy?



Aucun commentaire: