Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Ry foko kely!

 

Aok'izay ry foko kely, tsy ho arako ny dianao!

Ireny nofinao ireny, ahafaty fa avelao

Mirotoroto hoaiza isika? Hitsambikina mikimpy?

Hiara-mita ery am-pita? Sa ho rendrika indrisy!

 

Aok'izay ry foko kely fa ekeo ny anjaranao,

Aza miolika mijery na misangy tsotra izao;

Fa mirimorimo loatra, tena mihoatra nohon'ny mety

Ny gadon'ny fidobokao, sy vaikan'ity sarikao

 

Aok'izay ry foko kely, ekeo aloha fa zava-misy

Ireo namana nandao, sy ireo Havana midify!

Aza malahelo akory, safidy ny azy ka toavy

Andao tohizana ny antsika, andeha hibanjina ny hoavy!


Aucun commentaire: