Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 8 décembre 2010

Mampigadra sy migadra!

Any ampigadrana daholo ny ankamaroan'ny mpanohitra mpanao politika sy ireo mpitari-tafika mahery fihetsika rehetra (ry charles, ry kotiti, ry fetison, sns) amin'izao fotoana izao, fa anjaran-dry Voninahitsy  sy ry Pety indray izao no mivoaka, tena lamaodin'ny mpanao politika mihintsy ilay migadra !

 

Raha ny eto amin'ny tanàna,aloha dia mila mahazaka ihany izay hanao politika e ! indraindray misidina ambony sy hajaina ohatry ny mpanjaka sady manjakazaka ohatry ny adala, sady manambola tsy fantatra hoe avy aiza ?, Tampoka avy eo indray dia matory eny ambony « ciment » any amponja, mivoaka avy eo « gotry tsy manam-bola » de mitarika vahoaka indray, d mitarika tolona sy miady seza, d misy rà latsaka (ny samy gasy ambany ihany no mifamono eo, fa ry zalahy kanosa matahotra poa-basy !) d miakatra ambony dia ambony indray fa nahazo seza , mandrapiandry ny fidinana anaty fonja manaraka! ….


mampalahelo raha ny mpanagadra no migadra aaaa!


Aucun commentaire: