Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

lundi 9 juillet 2012

Tiako ianareo...

Hoan'i Kanto sy tsiky, Antsa, Dina,

Tao anatin'ny enimbolana farany izay dia tena zara raha hita ao antrano i dada, tsy tafody misakafo atoandro intsony koa efa aman-taonany satria lavitra ny toera-mpiasana, tato hoato dia mivoaka lava isaky ny faran'ny herinandro satria be ny adidy .
Fantatro fa mampalahelo ianareo, ary fantatro ny fitiavanareo an'i dada, tiako ho raketina eto anefa ry zanako fa tena tiako ianareo, tena zaza hendry, mahalala fomba, mahay fianarana, maranin-tsaina, ary indraindray aza dia tsapako ho matotra aloha loatra ny fahitako ny fisainanareo,
Tsapan'i dada ny fitiavanareo azy… ary isaky ny lavitra anareo dada dia malahelo foana, tsy andry ny hodiana ao an-trano, tsy hitanareo fa isaky ny tara fodiana i dada dia sady faly no malahelo mahita anareo efa sondrian-tory avokoa….
Faly aho fa nomen'Andriamanitra vady aman-janaka hendry sy mahakarakara, tia ahy sy manampy ahy ; indraindray dia varimbariana i dada satria misy ihany ireo adintsaina, sy olona maro izay tsimaintsy vahaina sy lanjalanjaina, kanefa dia misinda ireny rehefa tafaraka aminareo i dada..
Maro ny zavatra izay tsimaintsy ataon'i dada satria mampalahelo an'i dada ny olona… maro izireo no sahirana , maro no mila torohevitra, maro no mila namana, izany adidy rehetra izany no matetika mahatonga an'i dada tsy hita ao antrano…
Mangataka amin'Andriamanitra aho , mba homeny fotoana misimisy kokoa amin'ny fiarahana aminareo, ary mino aho fa kely sisa dia ho tanteraka izany fangatahako izany, amin'ny fomba ahoana ? tsy fantatro !!
Fa tsotra no tiako lazaina, tiako ianareo ry vady aman-janako, Ary tsy ahita toa anareo aho, Isaorako Andriamanitra!
Tohizo ny fahaizana ry kanto, tohizo ny fahendrena sy fahalemem-panahy ry Tsiky, karakarao tsara I Antsa! mahareta kely ry vady malalako , fa kely sisa …
Dada !

Aucun commentaire: