Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 20 juillet 2012

Oviala 50 fototra manome 300 kilao (Fambolena an-drenivohitra) - actualités en direct avec l'Express de Madagascar

Nahafa-po ny vokatra niakatra tamin'ny voly andrana oviala teto an-drenivohitra. Teny Antanimena no natao omaly ny santa-bokatra.
Andrana namokatra. Nahomby ny fambolena oviala teto an-drenivohitra notanterahana tamin'ny volana novambra. Tsara amin'ny ankapobeny ny vokatra niakatra raha ny hita nandritra ny fankalazana ny santa-bokatra teny amin'ny toeram-pambolena ambioka ho an'ny tanànan'Antananarivo, etsy Antanimena. Nahatratra 300 kilao be izao ny vokatra oviala azo avy amin'ny fototra miisa 50 tamin'ireo nambolena teo Antanimena.
Ny sampandraharaha misahana ny tontolo maitso sy ny fambolena an-drenivohitra, eo anivon'ny kao­minin’Antananarivo (Deveau), no angady nananana sy vy nahitana izany fahatsaran'ny voly andrana oviala izany. Niara-niasa akaiky tamin'ny vondron'asa fampandro­soana Saha sy ny Ofisy nasionaly momba ny fanjarian-tsakafo ary ny IMV ny Deveau tamin’izany.

Tetik’asa haparitaka

« Ahazoana tombontsoa ny fambolena oviala satria tsy mila tany malalaka akory dia mamokatra. Dimy hatramin'ny
20 kilao no vokatra azo amin'ny fototra iray ao anatin'ny valo volana. Sekoly fanabeazana fototra miisa valo sy fokontany valo no efa nampihatra ny fambolena azy ka nahita izany tombontsoa izany », raha ny fanamarihana nataon'ny talen'ny Deveau, Rasoanaivo Charli tamin'ny kabary izay nataony.
« Tafiditra ao anatin'ny vina hitandroana sy hitazonana ny fahatsaran'ny tanàna izao fambolena oviala eto an-drenivohitra izao. Sady manome endrika ny tanàna izany no manampy betsaka ny olona marefo ara-pivelomana sy ny ankizy mpianatra mba hikolo sy hikoja ny tontolo iainana ary hanitatra ny fahalalany », hoy kosa ny sekretera jeneralin'ny kaominin’Anta­nanarivo, Rasamimanana Olga.
Tanjon'ny kaominin’Anta­nanarivo sy ny mpiara-miombon'antoka aminy ankehitriny ny hanaparitaka ny tetik'asa manerana ny boriborintany enina misy eto an-drenivohitra. Ny Deveau no hiandraikitra izany mivantana.
« Ireo fototra oviala mbola tsy nadiana miisa 150 eto Antanimena no hangalana masomboly ho an'ireo olona liana amin'ny fambolena izany manerana ny boriborintany enina. Izahay ihany no hisahana ny fampianarana sy ny fanoroana ny olona na ny vondron'olona amin'ny fanatanterahana izany », raha ny fanampim-panazavana azo avy amin'ny tompon'andraikitry ny kaominin’ Antananarivo.
Faritra 16 manerana an'i Madagasikara ankehitriny no anaovana izao tetik'asa fambolena oviala izao
source  http://www.lexpressmada.com

Aucun commentaire: