Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mercredi 25 janvier 2012

Question N*1-Ahoana ny hevitr’i Zoky Andry mikasika ny antoko GFFM ?

Question N*1-Ahoana ny hevitr'i Zoky Andry mikasika ny antoko GFFM ?
 
Eny ary, satria moa ianareo nangataka hovaliana dia izao no hevitro  samirery raha ilaina :
 
Fanotaniana N*2-Ny politika ? Dia « fitantanana sy fandrindràna » no heviny amiko.
 
Raha amin'izao sata repoblikana misy an'i Madagasikara izao dia tsy afaka manao politika fitondràna firenena mihintsy aloha ny fiangonana, koa tsara tokoa ny fijoroan'ny antoko politika GFFM io, mba ahafahan'ny kristiana apokalypsy sy ireo tsy apokalypsy manompo ny firenena eo amin'ny lafiny politika.
 
Samy mahatsiaro angamba ianareo sakaiza sasany fa nisy fotoana (jolay –aogositra 2011) izay nikasantsika hoe « andao hanao politika na hanangana antoko politika » (Nitondra ny tenintsika tany amin'i SGN isika tamin'izay), ary « TSY METY ALOHA » ny valiny. Kanefa matoa nijoro ny GFFM ankehitriny dia midika izany fa efa fotoana mety izany izao , ary inona moa no nantenaintsika ? tsy efa misy ve izy io ?
 
Fanotaniana N*3-Afaka miditra amin'ny raharaha politika ve ny Kristiana ? Eny no valiny, ivereno vakiana ny tantaran'i Josefa (ilay praiministra nanavotra an'i Ejipta), sady efa nianarantsika tany amin'ny SST izany (hoan'ireo izay tao Itaosy)
 
Question N*4-Inona no  andrasana sy hita ao amin'ny fikambanana ara-politika?
Aorian'ny fiangonana, dia Sehatra  faharoa, hiofanana sy hianarana manompo ny hafa ny antoko politika, fa tsy sanatria sehatra fanehoana hafetsena sy itadiavana tombotsoa manokana tsy akory…
 
Araka izany dia tsimaintsy ahitàna fanabeazana ho olom-pirenena vanona ao, ka raha tsy misy izany dia tsimaintsy atao vaindohan-draharaha ny fametrahana izanyy fandrao tsy ho fantatry ny mpikambana akory izay tokony ataony sy izay miandry azy. (ohatra hoe : mila mahafantatra an'i Madagasikara tsara isika raha te hanompo azy, ny tantarany, ny fombany, ny jeografia, ny zavatra mitranga ofisialy sy tsy ofisialy, ireo fikambanana politika misy sy ireo mampiavaka azy, ny filana sy ny olan'ny mponina, ny toe-karena, ny tontolo iainana… tsimaintsy ianarana sy ifanentanana ireo fotokevitra ijoroan'ny antoko , fa tsy tahaka ny fikambanana tsotra hafa tsy akory ny antoko politika. (hoe mifankahitahita sy mifakatia ary mifanindrinindry ao fotsiny)
 
Tsimaintsy ahitana fianarana mitarika olona sy fianarana maneho hevitra sy mandresy lahatra ihany koa ao satria ny tanjona amin'ny fikambanana politika dia ny ahatonga ny olona maro an'isa hitovy hevitra sy idealy aminao…. (ILAINA BE IREO RAHA TE HANANA SAMPANA TANORA ILAY ANTOKO)
 
Ny tokony ho tena faly amin'izao fijoroana fikambanana politika izao dia ny skoto Zoky sy ny sampana mena skoto, satria ireo dia tena nobeazina sy nomaninay ho tia tanindrazana sy handray andraikitra hatrany amboalohany,
 
Mino aho fa azo ifanampiana avokoa izany rehetra izany rehefa ao amin'ny fikambanana politika isika, sady tsy manana hafa tsy volana vitsy dia vitsy isika sisa hiomanana amin'ny zavatra rehetra ka mila planina maty paika ny zavatra rehetra.
 
Question N*5 Hanao  GFFM ary ve i Zoky Andry ?
Eny tokoa no valiny, ! sady efa mba mpitolona politika sy « sendikalista» ihany aho mialohan'ny naha apokalypsy ahy ! saingy nohon'ny andraikitro eto anivon'ny Apokalypsy no nijanonako tsy nanaovako izany nandritra izay fotoana izay. Tsy voatery ho mpitarika hatrany anefa an ! samy manao ny tandrifiny.
 
Question N*6 ahoana ny hevitr'i Zoky mikasika ny 2013 ?
Minoa ny mpaminany dia ho ambinina ianao !
Tahaka ny nanampiana an'i Rny Ptr Mailhol amin'ny fitantanana ny fikambanana FAM dia mbola adidy masina miandry antsika ihany koa ny fanampiana azy amin'ny fitantanana an'ity firenena Madagasikara ity.  Ary ireny fanofanana isan-karazany ( toy ny leadership) ireny dia efa fanomanana mialoha ny 2013 avokoa !
Koa manentana antsika tanora rehetra ! ndao hanompo ny mpiara-belona e ! – Ialao lavitra ny hakanosana , ny fifanakianana sy ny fizahosahoana na ny fiavonavonana ! Fa tsy misy olona na ekipa mahavita tena irery izany na tapo-pahaizana tanteraka aza izy. Midadasika be anie i Madagasikara e !
 
Koa raha mahatsapa ianao fa mendrika sy masina ilay fotokevitra hoe « fiadiana sy famongorana ny kolikoly sy ny fahantrana eto Madagasikara » dia mpinamana izany isika e !
 
dia mba omeo 7.500 fmg any aloha hanaovako droit d'entrée fa mbola krizy ny andro!! mdr !
 
Hoan'Andriamanitra sy ny tanindrazana ! – Tsy hafa ito fa i Zoky Andry ihany !

4 commentaires:

Anonyme a dit…

miray hevitra @C zahay eh!!

Anonyme a dit…

Fanontaniana kely Razoky; mba azon'i razoky ambara anay ve ny mombamomba sy ny tantaran'ingahy Rakotovao andriamparany filoha nasionalintsika io fa izahay dia tena tsy mahafantatra mihitsy. Tsy aleo ve apokalipsy ihany no atao filoha e!

Anonyme a dit…

Fanontaniana kely Razoky; mba azon'i razoky ambara anay ve ny mombamomba sy ny tantaran'ingahy Rakotovao andriamparany filoha nasionalintsika io fa izahay dia tena tsy misy mahafantatra mihitsy. Tsy aleo ve apokalipsy ihany no atao filoha e!

Zoky Andry a dit…

ny tsotra indrindra angamba dia ny manotany azy mivantana, sady ny fahitako azy dia olona azo iresahana... ny hoe tsy aleo ve apokalipsy ihany no atao filoha indray dia hoy aho hoe "tsy fiangonana kosa ny antoko politika, fa izay mitovy firehana politika dia afaka miaraka, noho izany tsy hitako izay olana e!