Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 6 janvier 2012

Ny Programako 2012

Veloma ianao ry 2011
Nigadona ity ny taona 2012, faly fa mbola velon'aina soamantsara (izahay mianakavy), satria henjana iny 2011 lasa iny ! Iny no taona sarotra indridra tamiko, sy taminay mivady ! tsy hainay izay an'ny hafa fa ny anay aloha dia tena mafy taminay iny taona iny, soa fa lasa !
Nandalo olana hatrany izahay , na teo amin'ny lafiny asa fivelomana izany, na teo amin'ny resaka ara-bola, ny fifandraisana tamin'ny namana (sy ny tsy namana), tena nandalo fitsapana mamaivay izahay, kanefa dia isaorana ny Tompo fa tody ihany !
Misaotra an'Andriamanitra , fa taorian'ny fangataham-bavaka sy ny fitondrana ambavaka, dia efa miasa indray i Dina izao, fa izaho indray dia mbola miferinaina amin'ny asako hatrany aloha hatramin'izao, atao ahoana moa, izay no sitrany aloha!
Na izany aza dia mbola misy ireo olana tamin'ny 2011 no mitarazoka hatramin'izao , izay tsy mila tanisaina intsony…, tamin'ny faran'ny taona iny aza dia mbola very vola 150 euro aho ! tsy hitako izay nahaverezany fa dia tsy hita fotsiny tsotra izao !,
 Iny taona 2011 iny kosa anefa dia nazahoanay fitahiana mivaingana tokoa , satria nahazoanay ny zanakay fahatelo (sady farany … mdr !) Ary ny nataoko ho fankasitrahana an'i Jehovah ny nikarakaràna ny andiany voalohany tamin'ny JJA,
Ny JJA ihany koa dia nahafahako nifanerasera tamin'ireo mpiandraikitra tanora maro manerana ny faritra Antananarivo, (tanora izay marihiko fa tena manana ny maha izy azy sy mahavita azy avokoa, tsy ny lahy ihany fa ireo vehivavy ihany koa) Nitombo isa ny faribolan'ny namanay (-ko), nanomboka nifankalala sy nifandray am-po ireo tanora na samihafa aza ny sampana sy vondrona ary fiangonana nihavianay, (izay moa no tena fifaliako sy katsahiko hatramizay!)
Ankoatra ny JJA , dia nahafaly ahy ny nandray anjara feno tamin'ny hetsika « formation leadership », izay nokarakarain'ny Sampana Tanora Apokalypsy, tena nahafahana nampita traikefa sy nanoro hevitra ireo zandry marobe ny fanofanana leadership iny, sady mba mampirehareha kely (fièr)ahy ihany koa ny niarahana niasa tamin'i SGN, Tonton Chapard, enga anie ka mbola hitohy.
Ny zavatra faharoa lehibe tamiko tamin'iny 2011 iny koa , dia ny fa nahafahako namoaka ny boky asasoratro « Mahaiza mitarika Tanora », na Leadership andiany voalohany.
Inona no hataoko amin'ity taona 2012 ity ?
1.     Raha sitraky ny Tompo dia faniriako ny hanangana sehatra (cercle) maromaro aho ahafahan'ireo tanora na olona mitovy fironana hifanerasera sy hifanampy :
o    Sehatra iray hoan'ireo mpiaro sy mpankafy ny tanindrazana sy ny tontolo iainana (na tanora na olon-dehibe, mety ahitana fifampitaizana ho olom-pirenena vanona ihany koa.)
o    Sehatra iray hoan'ireo mpikirakira informatique sy internet « cercle des informaticiens »
2.     Tiako hampiana sy velarina tsara ihany koa ny club isika tanora, dia hanao seminera kely (club) isan-kerinandro mikasika ny fahaizana miteny sy mifandray aman'olona (Mahaiza miteny !) na zavatra mifandraika amin'ny hoe famahana ny olana eo anivon'ny fianakaviana sns
3.     Hanao seminera anakiray amin'ny volana martsa (isika tanora)
4.     Hitsidika tanora any amin'ny faritra na region hafa manodidina an'Antananarivo.
5.     Hikarakara ny AG na ny fivoriam-be hoan'ny rantsana Oliva Rezionaly Antananarivo.(paska)
6.     Ny tetikasa ngeza indrindra dia ilay VCD Documentaire mikasika ny … (shut !! surprise !)
7.     Ny lasy fanofanana Zoky 2012 dia mbola tsy haiko na ahazo congé aho na tsia (dommage !)
8.     Ny fanofanana leadership hoan'ny diakona ihany koa mbola miandry ahy ….
Oups ! mbola bobaka be izany nofinofiko izany ! izany ve ho vita avokoa ? kanefa aho hoe « mikasa hanome lanja sy fotoana bebe kokoa amin'ny fiarahana amin'izy efatra mianaka » ? ampio aho ry Tompo Jesosy !
Tsy ho vitako irery ireo fa tsimaintsy mikaroka mpiara-miasa sy namana vaovao indray hanampy ireo efa misy hatramin'izay…. , aiza anefa no ahita ?
Ny faniriako manokana amin'ity taona 2012 ity dia ny hanomezan'Andriamanitra ahy « Asa sy orinasa » tsaratsara kokoa noho izao ! mba ho libre kokoa aho amin'ny fanaovana ny asan'ny Tompo, sy halalaka kokoa amin'ny fiarahana amin'ny ankohonako. Amen !

Aucun commentaire: