Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 6 septembre 2012

Mbola tsy nisy nampianatra an'izany!

Tapaka ny hevitro fa hotanterahiko ny nofinofiko mikasika ny resaka energie alternative, ary hatomboko amin'ny fampiofanana sy fanomezana tari-dalana mikasika ny fomba fanovana ny rano ho lasa solika izany.
fantatro fa mbola tsy nisy nanao teto madagasikara izany, ary mino aho ho maro ny olona liana sy ahita tombotsoa amin'io fiofanana io,
inona ny antony mahatonga ahy hampianatra sy hampita io "tsiambaratelo lehibe" io hoy ise? tsotra ny antony: Ny fitiava-namana sy ny tanindrazana (ity planeta ity)
ny tanjona? mba ho tombotsoan'ny olona rehetra, ho fitsinjovana ny tontolo iainana, ary ho fialàna amin'ny voka-dratsy ateraky ny petrole....

fantatro fa saro-pady io resaka io, saingy tsy maninona e! raha misy mikasa hanala ny aiko ka ho faty aho , dia tsy maninona fa "Jehovah no mandahatra ny zavatra rehetra"

tsoriko ihany koa fa tsy izaho akory no namorona izany hoe rano avadika carburant na fanampina carburant izany fa efa ela izany no nisy, saingy vitsy no mahalala azy satria nafenina sy nisy nanafina hatrany izany..... Ampio aho Jesosy!

1 commentaire:

Zoky Andry a dit…

Vita soamantsara omaly alahady 16 Septembre tao amin'ny EPP 67ha Atsimo ny fampiofanana voalohany nataoko mikasika ny fampiasana nyrano ho fanampina carburant, nisy 40 mahery nyolona liana, izay koa aho vao nanao formation azahoana vola izany!! saotra Jesosy,
amin'ny oktobre aho no hanao ny faharoa izay tena ngeza tokoa satria hiantsoana ny olona rehetra eto Ant rivo.