Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 6 janvier 2011

Ampy izay ry zandrikeliko

Zandrikely !

Tonga tany amin'i Nary hono ry dada sy mama vaovao hoe mila 750 000 fmg amintsika isam-bolana, ary vola tsy averina , mba hikarakarana ny sns

 

Rehefa niantso ahy tany antranony i Nary dia nambarako azy fa Tsy afaka ny hifampindram-bola na hifanerasera amin'ny resaka ara-bola amin'I dada sy mama vaovao intsony aho ry Niry fa mahatsapa tena ohatry ny ambakaina izany aho, (tsy haiko na i dada no manambaka anay na i mama vaovao, na ireo zanak'i Mama vaovao no manambaka antsika, tsy h aiko!),

 

Sady fihavanana sy fifankatiavana ary fifaneraserana ny ahy no tadiaviko fa tsy tiako raha isaky ny mila vola vao mahafantatra ahy ny havako.

 

Mba manana ny manahirana anay koa izahay hatrizay fa nohon'ny fitsinjovako ny fifankatiavana misy teo amintsika no namoronako vola homena an'dry zareo hatrany ka nampihafiako ny vadiko sy izy roavavy kely zanako,

 

Ampy izay fitadiavana fihavanana nataoko izay ry Zandrivavikeliko, fa aleoko amin'izay mionona toy izay hanantena anareo hifanerasera aminay intsony,

Ø  Vitanareo ihany ny miray bus, ka miray seza  amin'ny olona tsy miara-mivavaka aminareo

Ø  Vitanareo ihany ny miditra biraon'olona ka mitafa aman'olona tsy mitovy fomba ami nareo

Ø  Vitanareo ihany ny mifanerasera isan'andro amin'ny mpiara-miasa tsy mitovy fomba aminareo,

Ø  Fa tsy vitanareo kosa ve ny mihavana na mifanerasera na mba mifankahita amin'ny ankohonana mifanapa-tsinay aminareo?

Fa dia naninona anareo loatra izahay no ataonareo ohatrizao? Sa dia tena tsy misy vidiny tokoa rehefa tsy mitovy fivavahana aminareo? …. Mampalahelo isika !

 

Izao izao dada miteny hoe mba ilazao I Zokivavy any Comores  sao mba misy azony atao sns,

Raha mba fantatr'I Zokivavy mantsy fa nahilikilika izy tamin'ny fahatongavany  farany teo, ka nasain'i Dada hoe izahay sy Zandrilahy no mandray azy (kanefa sady zokintsika izy no zanak'I Dada ihany koa, Sa hoe izy Silamo? Sa hoe sao dia mahantra izy? Sa rehefa hita fa metimety indray izy dia afaka namangy sy nihaona taminy ihany ireto isika na dia fantatsika aza fa nivadika ho Silamo…Angamba tsy ho zakanareo ny alahelony raha fantany izany…

 

I Dada koa nanafatra hoe mila mivory isika enina (isika telodahy sy ny vadintsika avy)

Efa ela aho nangataka an'izany tamin'I Dada hoe "mba asio fivoriam-pianakaviana re, fa mba te ahita ny tranonareo izahay, sady ny zanakay manotany foana hoe "fa aiza I Papi sy ry Tantine no mipetraka? Dia lazainay azy hoe any lavitra be!, dia rehefa manotany izy hoe fa maninona no tsy mba mitelephone ry zareo dia lazainay hoe "tsy misy reseau".

 

Raha resaka fihaonana sy fifaneraserana dia Ianareo no eran'izany fa tsy izahay mihintsy, saingy indrisy! Tsy misy akory na dia fihaonana tsotra nohon'ny maha samy olombelona aza…, ary tsy isika enina ihany fa isika samy zanak'izy mivady mihintsy no tokony hivory hoaho, fa angaha isika ity biby sa olona, fa dia mpihavana anarana fotsiny!

 

Tamin'ny herintaona toy izao dia naka conge mihintsy izahay sy nary mba hamonjy taom-baovao Jiosy tany amin'ny fiangonanareo, rarahianay inona moa izay taom-baovao sy fetinareo any? fa ny ahita tava anareo no tena zava-dehibe taminay, azy izany no antony nitondranay ny zanakay nakany, mba ahitany izany nenifara, sy dadafara sy dadabe , sy cousins izany! Sa dia tsy azonareo mihintsy izany zavatra izany?

 

Fa ampy izay! Tsy mahavita intsony aho!

 

I Zandrilahy sisa no mbola mivaky loha mitady izay tokony hatao amin'ny hamerenana indray ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonantsika far aha izaho dia efa kivy tanteraka aho, ary aleoko mamoy!

Mba manana ny mpiara-mivavaka aminay koa aho, ireny aza tena mahavita manavotra sy mifampitsimbina aminay, mitondra any ho toy ny zoky iray tam-po, ny sasany indray tena mitondra anay ho toy ny ray sy reny niteraka mihintsy , manoatra nohon'ny ataon'ny mpiray tam-po, ny sasany aza manaja anay ho toy iren olo-masina ireny mihintsy, izahay indray no menatra.

Raha ny fitiavan'ny rafozako ahy indray dia menatra mihintsy aho, fa tena mandray ahy ho toy ny zanany naterany mihintsy izireo, sady manaja izireo no manampy , no tsy manararaotra ny fihavanana eo aminay.

 I Nary sy Vony aloha dia tena deraiko manokana satria ny fitiavanizireo anay dia tsy niova hatramin'izay ka hatramin'izao)

 

I dada miteny foana taloha hoe "fehezo ny vadinareo"…..pfff ! aiza izy izao? Ilaozany mamorona problem foana no ataony amin'ny fiainana, tsy mba mahay misitraka ny fianany mihintsy izy fa dia miditra "cafouillage" foana, Na koa tsy azo tenenina dia ambakain'ny olona eny foana!

Efa nanampy an'I Dada sy Neny aho tamin'ny fivarotantsika amoron-dalana mba ho fanampiana ny fianaranareo mianadahy, indrindra fa ianao ry Niry, ianao ilay tsy azo ampanaovina raharaha taloha fa hoe manao devoir, tsy afaka manampy amin'ny raharaha madinidinika tao antrano fa hoe mianatra lesona sns sns. , Tsy afaka nanohy fianarana aho fa hoe rehefa feno 20 taona dia tsy miantoka fianarana intsony I dada, d nijanona aho. Na ny diplaoma anananareo aza izao tsy ananako! Kanefa nahavita nihoitra tamin'ny fiainana ihany aho (isaorako ny Nahary ahy!), Efa nanampy an'I Zokivavy koa aho, ary herintaona latsaka no nijalijaliako tany comores nanampy azy, ary saiky matin'ny aretina tany aza aho!

 

Ampy kosa angamba izay !

Fa nandady fihavanana taminareo aho nandritra ny telo taona, fa ok! Efa azoko tsara izao ny tianareo ka dia aleoko mionona.

Fa tena tsy tantiko kosa raha hoe fifankatiavana sy fifaneraserana no tadiavinay aminareo, ka vola foana kosa no tambiny tadiavin'I dada aty aminay,

ary ny anao kosa ry zandrikeliko, sady tsy miantso ianao no tsy re maty tsy re velona, sady tsy tonga mamangy no tsy mampandroso an-trano ,

 

fa avy taiza moa ianao io ry zandriko? Nilatsaka avy any an-danitra angaha isika , sa mba fantatrao moa fa misy zokinao miisa Telo eto amin'ity tany ity, ary mbola misy zokivavy anakiray aza any ?

Ka tsy vita irery ny fiainana ry zandrikeliko, fa na ho ela na ho haingana tsimaintsy ilaina ny "mpiray tam-po"

Kanefa mandrapiandry ny rehetra ho tonga saina, dia ampy aloha izay fitadiavako fihavanana aminareo izay. Soa ihany I neny fa efa maty, fa nampalahelo raha mbola velona teo izy!,

 

Aiza ho aiza ny fifankatiavana sy ny firaisankinantsika fahiny, indrindra fa fony isika mbola zatovo sy tanora tao antranon'I dada sy neny?, tamin'izany aza isika tsy mbola tena nahalala ny Fahamarinana ara-tsoratra Masina akory! Amin'izao kosa efa milaza tena fa mpivavaka daholo indray no tsy mahalala mifankatia fa ohatry ny biby sy olona no iheveran'ny sasany ny tenany.

I Nary aza tsy pratiquant kanefa tena manana fanahy maha te hidera ! (Samaritana tsara fanahy marina izy!)

"Ny alaleho no tsy ambara Havana hono, zakan'ny tompony ihany", fa nambarako ny ahy satria tsy zakako!

Miray soa ho anao aho ry zandriko, enga anie ka ho azonao tsara hoe inona no fototry ny alaheloko.

 

Andry!


Aucun commentaire: