
androany izao dia namoaka vaovao ny gazety fa nisy polisy namono tena fa matahotra ny halefa hiady amin'ny dahalo, manao ody hono ny dahalo ry zanako, ny sasany indray milaza fa manana gilet pareballe ry zareo, ary manana fitaovana raitra tokoa,
misy resaka mandeha fa tadiavin'ny vahiny ho zaraina telo i Madagasikara, na fitondrana io na ara-miaramila, misy milaza indray fa hisy hitrandraka uranium any amin'iny faritra iny ka atao izay hanalàna sy handripahana ny mponina any... fa habibiana tsy mbola nisy ohatr'izao !!! sady misy manam-pahefana miray tsikombakomba hoy ny mpanao gazety. malahelo aho ry zanako... soa ihany ianareo fa mbola zaza ka tsy mahalala an'izany zava-misy izany.
2 commentaires:
mampalahelo ny zava-mitranga ry raiamandreny ! Atao ahoana fa tsy maintsy tanteraka izay voalazan'ny mpaminany. Fa ny vavaka mbola afaka manova zavatra !
izany rehetra izany no manambara fa efa akaiky ILAY fitondran'Andriamanitra tena izy izay maharitra mandrakizay!Malahelo tokoa ny tena mahita fa kay lalaovin'ireo "olom-baventy"@izao tontolo izao isika!betsaka no mbola jamba na dia mijery ary...Samia mitondra am-bavaka ny firenena!
Enregistrer un commentaire