Raisiko ho adidy lehibe ny manaparitaka ity lahatsoratra ity, ary isaorako manokana eto ny mpanoratra azy dia tsy iza fa Brice E Randrianasolo :
MAKA IANAO FOTOANA! MAKA KOA TOERANA, HAMAKIANAO AZY DIA MBA HOMEO RE NY HEVITRAO AZAFADY HANATSARANTSIKA NY LAHATSORATRA HO AVY ARY HAMPAHAFANTARO IREO NAMANAO SAO METY HAHASOA AZY!
Firenena tena manana ny harena ankibon’ny tany i Madagasikara. Tanàna maro eto anivon’ny Nosy no niforona vokatry ny fahatongavan’ireo mpitrandraka avy amin’ny vazantany efatra. Nalaza tamin’ireny vao tsy ela ny Fasimainty any amin’ny faritra Atsimo-Atsinana. Fa mba ahoana kosa ny Volamena izay saika hita etsy sy eroa manerana ny Nosy?.
Arakin’ny sary voalohany hita eto ambany dia saika manerana an’I Madagasikara no voafaritra fa misy volamena (voafaritra amin’ny teboka mena eo amin’ny sary izany, fitambaran’ny vokampikarohana isankarazany hatramin’ny taona 1912). Raha hoarina amin’ny velarantanin’ireo Faritra tsirairay avy anefa ny fitambaran’ny fivelaran’ireo toerana misy teboka mainty hahitana volamena ireo dia azo lazaina fa mihoatra kely amin’ny fivelaran’ny Faritr’Itasy iray manontolo izany (> 6500 Km2). Midika izany fa midadasika dia midadasika ny toerana efa hita ka azo trandrahana eto Madagasikara. Marihina anefa fa mbola maro ireo izay miafina tsy fantatra ka mbola mila karohina.
Raha sokajiana dia hita fa misy karazany 4 ny endrikin’ny tany mety hahitana ka hitrandrahana Volamena eto Madagasikara. Ny faritra Atsinanana: Mananjary, no azo hahitana indray miaraka ireo famaritana 4 ireo ka indro hazavaiko tsirairay eto ambany. Mialoha izany anefa dia tsara ihany ny hahafantarantsika Malagasy manerantany fa efa tamin’ny taona 1912 no nilaza ny mpikaroka Frantsay (Levat, boky nosoratany ho an’ny governora mpitantana an’I Madagasikara) fa mihoatra ny 580 Kg isantaona ny volamena mety ho azo amin’io faritr’i Mananjary io. Fitrandrahana tsotra tsy mampiasa fitaovana indostrialy no nampiasaina tamin’izany fotoana izany.
(1) Sokajy voalohany: anaty vatobe
Misy karazany maro ireo vatobe hita ao Madagasikara. Raha ny vokampikarohana no zohina dia samy manana ny taona niforonany sy ny nampivongana azy avy izy ireny teto ambonin’ny tany. Ny antitra indrindra dia 3,5 miliara taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ny namaritana ny niforonany. Saika iny faritra Atsinana iny no hahitana azy ary anisan’izany io nofaritako amina faritra miloko voloparasy eto amin’ny sary faharoa io izay karazan’irony hantsoina hoe “Gneiss” izy io amin’iny faritra iny.
Anisan’ny toetra manokana hananan’ireny vatobe antitra amina miliara taona ireny ny fahitana ao anatiny ny volamena, saingy miparitaka tanteraka ao anatiny izany ka mila halalinina akaiky ny firafitr’ilay vato vao azo fantarina hoe aiza ho aiza no tena nitangorona ny volamena.
Marihiko anefa fa io vatobe hitsahintsika eto ambonin’ny tany io dia vato niforona, nivongana tany amina 30 Km midina ambanin’ny tany taloha. Hatramin’izay 3,5 miliara taona mahery lasa izay dia efa nisy vato (sy tany) efa ho 30 Km mahery izany no efa lasan’nny riaka tsikelikely teo ambony. Ary mbola ny vokampikarohana no milaza fa mbola misy 35 Km mahery tavela ao ambany ao raha iny faritr’I Mananjary iny no resahina.
Marihiko etoana koa fa ankoatrin’ny eto Mananjary dia misy ireo toerana hitrandrahan’ny orinasa ireny volamena ao anatina vatobe antitra be ireny, ohatra amin’izany malaza ny any Dabolava sy ny any Maevatanana ary Tsaratanana.
(2) Sokajy faharoa: anatin’ireo hatao hoe “zones de cisaillements” (ZC)
Izay firafitrin’ny tany izay indrindra no hisaritako antsika amin’ity toerana faharoa mety hahitana volamena ao Madagasikara ity. Ny vokampikarohako tamin’ny taona 2009 no nilazako fa azo heverina ho toy ny spônjy ny vatobe (tany) ao ambany ao, izany hoe ireo mitoetra any amin’ny halalinana 30 Km mahery. Mafana dia mafana izy ireo satria mety ho tafakatra any amin’ny 700°C amin’ny toerana sasany ny hafanany. Noho izany misy ny mitsonika fa tsy ny rehetra ka mikoriana ao anatin’ilay vatobe toa spônjy.
Dia hampatsiahiviko kely ny tantara fa taloha (600 _ 450 miliona taona talohan’I Jesoa Kristy) dia kaontinanta lehibe iray hatao hoe “Gondwana” no nisy ary iny no nivaky tsikelikely ka nahatonga ny kaontinanta 6 ankehitriny. Rah any saritany no zohina dia tafalatsaka tanteraka tao afovoan’I Gondwana I Madagasikara. Izany hoe raha misy ny fivakisana na fiporetana dia I Madagasikara no nianjadian’ireo hery rehetra eo afovoanya.
Tsara ho fantatra ihany koa fa raha vaky ny tany dia ny aty ambony no vaky fa ny any ambany any amin’nny 30 Km dia miforitra toy ny spônjy. Dia mikoriana manaraka izay fiforetana izay koa ny ranombato mitondra sy mandroaka ireo vatosoa sasany sy ny volamena. Dia halaivontsika antsaina izany ny spônjy poretina amin’nny sisiny roa: miporitsaka ny ranombato ka ny volamena dia hiraikitra amin’ireo faritra afovoany izay raha halaina sary avy ety ambony dia ho hitantsika hitsipika mahitsy lava hanerana ilay spônjy. Iny no hatao hoe “zones de cisaillement”, izany hoe ireo toerana mahitsy hifatraran’nny hery rehetra raha nisy ny fanaporetana ny kaontinanta “gondwana”.
Dia izay sary mahitsy lava tsy tapaka izay no tadiavina rahefa mandrafitra ny saritany amin’nny alalan’ny sary satellite, fa indrindra ny sary aeromanetika. ka io nofaritako amin’ny tsipika mavo amin’nny sary2 eo ambony io ny santionany amin’ny vokatrin’ny asa famaritana . Marihiko etoana fa efa hampiasain’ireo orinasa mikaroka volamena any amin’ny faritra andrefan’I Afrika io teknika io ary tena mahomby hikarohana ny volamena satria arak’io hitanareo amin’nny sary aeromanetika io dia tonga dia mazava be ireo tsipika mahitsy mandrirana manaraka ilay tsipika mavo, ary arakin’nny hazavaiko eo ambanin’ny sary dia mety hidadasika ilay hatao hoe ZC fa ny tsipika mavo izany no hamaritana ny faritra tena afovoany aminy . Eto madagasikara dia efa manomboka mampiasa io teknika io ny orinasa sasantsasany mikaroka volamena amin’iny faritr’Ihosy iny ka mampanao izany ho fikarohana ho an’ireo mpianatrin’ny anjery manontolo eny Vontovorona, Antananarivo.
(3) Sokajy fahatelo: Anaty ranombato (quartzite) entin’nny holatra fivakisana
Dia mitohy ihany ny tantaran’ny tany ka rahefa voaporitra I Madagasikara tao anatin’nny kaontinanta be « Gondwana » dia nivaky ny lakandrenon’i Mozambika ny 180 miliona taona talohan’ny nahaterahan’I Jesoa Kristy. Dia avy eo ny 90 miliona taona talohan’nny nahaterahan’I Jesoa Kristy ihany dia nisokatra indray koa ny ranomasimbe Indiana. Dia ireo fivakisana ireo dia namela holatra teo amin’ny tanindrazana izay faritako amin’ireo tsipika tapatapaka fotsy eto amin’ny sary faharoa eto ambony.
Tsara ho fantatra anefa fa mitondra hafanana indray koa io fivakisana io ka mampitsonika ny vatobe indray ka ka mampisy fikorianan’ny ranombato vaovao indray . Tsy dia nafana loatra anefa ilay hafanana noharina amin’ireo teo aloha ka ny quartz fotsiny no mitsonika ary mandroaka ireo volamen eny amin’nny handalovany mandrampivongany. Jereo ohatra fa mahitsy manaraka ny tsipika fotsy eo ambonin’nny soratra Telo (sary faharoa) ny filahatrin’nny teboka mainty mamaritra ny volamena.
(4) Sokajy fahaefatra : Eny anaty sakasaka na renirano na fasika mipetraka.
Ary farany, dia mazava ho azy fa ireo tany sy vato rehetra potika dia hikoriana hanaraka ny renirano sy ny sakasaka rehetra ka ireny no saika fototra hiorenan’nny fitrandrahana volamena misy eto Madagasikara hatramin’izao. Io ilay hatao he manivana dia mahazo. Saika ny ankamaroan’ireo teboka mena ireo dia izay daholo.
FEHINY:
Sombiny amin’ny fanazavana ihany no indro narosoko fara ha zohina amin’nny antsimpirihany ny saritany rehetra misy (satellite, sary zeôfizika: aeromanetika sy gravimetria , sns..) dia hita fa mbola maro ireo toerana tsy voamarika etoana na tsy voatanisa teto kanefa mety hahitana volamena.
Vao tsy ela aho izao no nahita fa ny faritr’Atsiranana dia mbola mety hahitana toerana hafa mety hamokatra volamena goavana. Mandrak’androany dia mbola tys misy mitrandraka io toerana io satria tsy voamarika tao anaty saritany hoe misy. Raha ny firafitra zeolojika anefa no zohina dia saika mitovy amin’nny ao Dabolava io toerana io ary ny boky novakiako (voasoratra tamin’ny taona 1800 teto Frantsa) no milaza fa misy volamena ilay toerana ary nisy nitrandraka tamin’izany.
Amin’ny alalan’io teknika zeômatika (fijerena satelita, sary zeofizika, etc.) dia maro ny harena ankibon’ny tany ho azo tiliana. Fitiliana lavitra ihany anefa no ho vita fa mil any fidinan a antoerana ny fanamarinana azy. Koa tokony hifanome Tanana amin’ny fokonolona ny mpikaroka tsy ankanavaka (izay tys mahay sobika mahay fatambary) mba hahafahan’ny rehetra mifanakalo hevitra sy mandinika miaraka ny fomba hahafahana manome tombony ny Malagasy tsy ankanavaka ny fitrandrahana ireny harena ireny.
MISAOTRA TOMPOKO.
Brice RANDRIANASOLO (Zanampokonolona)
IMAG CONSULTING
(0033) 6.34.03.09.14
ebrandria@gmail.com
http://brandrianasolo.free.fr/
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire