Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 6 janvier 2012

Ny Programako 2012

Veloma ianao ry 2011
Nigadona ity ny taona 2012, faly fa mbola velon'aina soamantsara (izahay mianakavy), satria henjana iny 2011 lasa iny ! Iny no taona sarotra indridra tamiko, sy taminay mivady ! tsy hainay izay an'ny hafa fa ny anay aloha dia tena mafy taminay iny taona iny, soa fa lasa !
Nandalo olana hatrany izahay , na teo amin'ny lafiny asa fivelomana izany, na teo amin'ny resaka ara-bola, ny fifandraisana tamin'ny namana (sy ny tsy namana), tena nandalo fitsapana mamaivay izahay, kanefa dia isaorana ny Tompo fa tody ihany !
Misaotra an'Andriamanitra , fa taorian'ny fangataham-bavaka sy ny fitondrana ambavaka, dia efa miasa indray i Dina izao, fa izaho indray dia mbola miferinaina amin'ny asako hatrany aloha hatramin'izao, atao ahoana moa, izay no sitrany aloha!
Na izany aza dia mbola misy ireo olana tamin'ny 2011 no mitarazoka hatramin'izao , izay tsy mila tanisaina intsony…, tamin'ny faran'ny taona iny aza dia mbola very vola 150 euro aho ! tsy hitako izay nahaverezany fa dia tsy hita fotsiny tsotra izao !,
 Iny taona 2011 iny kosa anefa dia nazahoanay fitahiana mivaingana tokoa , satria nahazoanay ny zanakay fahatelo (sady farany … mdr !) Ary ny nataoko ho fankasitrahana an'i Jehovah ny nikarakaràna ny andiany voalohany tamin'ny JJA,
Ny JJA ihany koa dia nahafahako nifanerasera tamin'ireo mpiandraikitra tanora maro manerana ny faritra Antananarivo, (tanora izay marihiko fa tena manana ny maha izy azy sy mahavita azy avokoa, tsy ny lahy ihany fa ireo vehivavy ihany koa) Nitombo isa ny faribolan'ny namanay (-ko), nanomboka nifankalala sy nifandray am-po ireo tanora na samihafa aza ny sampana sy vondrona ary fiangonana nihavianay, (izay moa no tena fifaliako sy katsahiko hatramizay!)
Ankoatra ny JJA , dia nahafaly ahy ny nandray anjara feno tamin'ny hetsika « formation leadership », izay nokarakarain'ny Sampana Tanora Apokalypsy, tena nahafahana nampita traikefa sy nanoro hevitra ireo zandry marobe ny fanofanana leadership iny, sady mba mampirehareha kely (fièr)ahy ihany koa ny niarahana niasa tamin'i SGN, Tonton Chapard, enga anie ka mbola hitohy.
Ny zavatra faharoa lehibe tamiko tamin'iny 2011 iny koa , dia ny fa nahafahako namoaka ny boky asasoratro « Mahaiza mitarika Tanora », na Leadership andiany voalohany.
Inona no hataoko amin'ity taona 2012 ity ?
1.     Raha sitraky ny Tompo dia faniriako ny hanangana sehatra (cercle) maromaro aho ahafahan'ireo tanora na olona mitovy fironana hifanerasera sy hifanampy :
o    Sehatra iray hoan'ireo mpiaro sy mpankafy ny tanindrazana sy ny tontolo iainana (na tanora na olon-dehibe, mety ahitana fifampitaizana ho olom-pirenena vanona ihany koa.)
o    Sehatra iray hoan'ireo mpikirakira informatique sy internet « cercle des informaticiens »
2.     Tiako hampiana sy velarina tsara ihany koa ny club isika tanora, dia hanao seminera kely (club) isan-kerinandro mikasika ny fahaizana miteny sy mifandray aman'olona (Mahaiza miteny !) na zavatra mifandraika amin'ny hoe famahana ny olana eo anivon'ny fianakaviana sns
3.     Hanao seminera anakiray amin'ny volana martsa (isika tanora)
4.     Hitsidika tanora any amin'ny faritra na region hafa manodidina an'Antananarivo.
5.     Hikarakara ny AG na ny fivoriam-be hoan'ny rantsana Oliva Rezionaly Antananarivo.(paska)
6.     Ny tetikasa ngeza indrindra dia ilay VCD Documentaire mikasika ny … (shut !! surprise !)
7.     Ny lasy fanofanana Zoky 2012 dia mbola tsy haiko na ahazo congé aho na tsia (dommage !)
8.     Ny fanofanana leadership hoan'ny diakona ihany koa mbola miandry ahy ….
Oups ! mbola bobaka be izany nofinofiko izany ! izany ve ho vita avokoa ? kanefa aho hoe « mikasa hanome lanja sy fotoana bebe kokoa amin'ny fiarahana amin'izy efatra mianaka » ? ampio aho ry Tompo Jesosy !
Tsy ho vitako irery ireo fa tsimaintsy mikaroka mpiara-miasa sy namana vaovao indray hanampy ireo efa misy hatramin'izay…. , aiza anefa no ahita ?
Ny faniriako manokana amin'ity taona 2012 ity dia ny hanomezan'Andriamanitra ahy « Asa sy orinasa » tsaratsara kokoa noho izao ! mba ho libre kokoa aho amin'ny fanaovana ny asan'ny Tompo, sy halalaka kokoa amin'ny fiarahana amin'ny ankohonako. Amen !

mercredi 23 novembre 2011

NY TSIAMBARATELON'NY JJA 2011

Nokendrenay ho hetsiky ny tanora lehibe sy goavana voalohany indrindra teto anivon’ny FAM ity hetsika ity, ary tratra ny tanjona satria nahatratra maherin’ny 700 isa ireo tanora tonga namonjy ny JJA 2011,
Taorian’ny Mider’Azy vita Bacc 2009 sy ny 2011, dia noketrehina ny JJA ary nokendrena ho ao anatin’ny fankalazana ny tsigeritaona voalohan’ny rantsana Oliva eto anivon’ny Rezionaly Antananarivo no hanatanterahana izany. Hetsika lehibe no hatao, ary tianay hifampizarana aminareo mpitarika tanora rehetra ny traikefa fanomanana hetsika toa izany.
à suivre...

jeudi 13 octobre 2011

Mahatsiaro an’i Neny foana aho tato hoato,

Mahatsiaro an’i Neny foana aho tato hoato,
Na dia mandia fahasahiranana aza izahay izao, dia dia faly satria isaky ny mandinika ny fiainako dia mahatsapa fa notahian’Andriamanitra aho, satria niainga avy tamin’ny tsy misy izahay no tonga amin’izao toerana sy sehatra izao ! iza moa no nanampo fa ho toa izao ihany aho ? misaotra am-po an’i dada sy Neny aho, indrindra fa i Neny (Mamie).
Na i dina aza mba miteny matetika hoe « raha mbola teo izao i Mamie, ka mahita an’izao fiainantsika izao ! »
Tsaroako foana i Neny izay fahiny, rehefa mandamina korotana tao amin’ny efitra ambony dia mitomany rehefa mahita ireo « cahier » fianarako be dia be, nambarany fa hoe « mba nahay fianarana ihany ny zanako kanefa dia mivarotra sambôsa amoron-dalana ity no ataony »… tsy hita moa izay tenenina tamin’izany fa dia mangina fotsiny
Raha mba hitany tokoa mantsy ankehitriny fa ilay zanany nampitomany azy hoe toa tavela mivarotra hani-masaka teo amoron-dalana anie ka tonga raim-pianakaviana manana ny maha izy azy ankehitriny. Fantatro fa nohenoin’Andriamanitra ny fitarainan’i Neny hatrizay, ka na efa lasana any am-pasana aza izy dia mamaly vavaka azy Andriamanitra. Misaotra ry Neny,
Manenina ihany aho ilay tsy mba nitomany mihintsy tamin’ny fotoana nandaozany anay, satria aty aoriana vao tena tsy zaka ny alahelo rehefa misy tsiaro mitamberina izay ! Tena mahavaky fo mihintsy fa toy ireny vao omaly ireny, indraindray aza dia tsy tana ny sento sy ranomaso. Mafy tamiko loatra iny fandaozany anay iny, ka na ny datinandro izay nahafatesany aza tsy mba tena tsaroako marina hatramin’izao !

mercredi 28 septembre 2011

Ilay ariary folon'i Tsiky !

Mba nahatohina kely ahy ity zavatra nitranga androany maraina ity,
Mbola somebiseby ny tao an-trano, sady androany moa no andro hiverenan'i Zokivavy hody any Comores indray, ka nifanaretsaka ny mpiomana hiasa sy ny mpiomana hianatra, ny mpanao sakafo ary ny pampirin'entana...
Eo ampiomanana sy ampanaovana kiraro aho no nanantona ahy tsimoramora i Kanto, no sady niteny hoe
- Izaho hono ry dàdà mba hividianana "dictionnaire" amin'izay hozy Maitresse
- Hay! ao fa hividianako ianao fa mbola tsy manambola aloha dadà izao an!" hoy aho sady nanambitamby azy
teo imason'i Tsiky izahay no niresaka ka nitsatsaingoka ity zandriny nanao hoe
-Zah manambola !, omeko an'i dàdà fa tsy haiko na ho ampy na tsy ampy! (hoe hividianana ilay dictionnaire-njokiny hono izany)
somary gaga aho no sady niamaly hoe « ento aty ary fa ilaiko e »!
Dia lasa i Tsiky kely niala teo ary niverina izy afaka fotoana fohy, ity le izy! sady natolony ahy ilay... "Ariary folo" …. ontsa kely ery ny foko! sady noraisiko ilay ariary folo,
-Merci akia ry zanako fa misy hanampiako ny vola hividianana ny dictionnaire n'i Kanto  ity a! hoy aho
Dia napetrako teo ambony frigo avy eo ilay ariary folo....
Rehefa tena hanainga hiasa indray aho, dia hadinoko teo ilay vola , kinanjo niantso ahy indray izy
-eh ! hadinon'i dada le "dinampolo"! hoy indray i Tsiky sady nikoropaka be izy niantso ahy!
Dia niverina aho naka ilay "dinampolo" fa sao dia handratra ny fon-janako raha sanatria tsy miraharaha azy sy ny vola fanampiana natolony...
Ny lesona azoko?
Tsy mety raha tsapan'ny ankizy ny fahasahiranana ara-bola! aleo miteny hoe " miandry kely aloha", toy izay hiteny matetika hoe "tsy manambola, tsy manambola"
 
Diariko > Zoky Andry

mercredi 14 septembre 2011

TELECHARGER LE LIVRE LEADERSHIP “MAHAIZA MITARIKA” de Zoky Andry EN FORMAT PDF


Telo taona taty aoriana dia vitako ihany ny nandrafitra sy nanoratra ny boky « mahaiza mitarika », ouf ! Alleloia ! ny mampiavaka ity asa soratro ity dia izy izay kasaiko hamidy eny amin'ny fivarotam-boky mihintsy fa tsy hozaraina maimaim-poana tahaka ny namany teo aloha. Araka izay lohateniny izay dia torohevitra sy toromarika atolotra anao mpitarika na mpitaiza tanora rehetra no vontoatin'ity boky ity.
Hatreto aloha, dia azonao atao ny mahazo sombitsombiny sy ampahany amin'ny fichier numerique n'io boky io,
Ny fanafaranao ny boky iray manontolo dia hampahery ny mpanoratra tokoa e ! koa azonao atao ny manafatra izany dieny izao amin'ny adiresy mailaka manaraka ity : razokilaz@yahoo.fr Toy izany ihany koa raha mila fiaraha-miasa sns ianao.
Gideona ! fandresena fandresena fandresena !

NIATRIKA FIOFANANA MIKASIKA NY FAHAIZA-MITARIKA NA “LEADERSHIP” NY TANORA APOKALYPSY

 
Fotoana tsy voakosoka !
Ho tadidy tsy azo kosehina rahatrizay eto anivon'ny Fikambanana Apokalypsy ny zavatra nitranga tao amin'ny EPP 67ha Atsimo tamini'ity volana septambra 2011 ity.  Voalohany indrindra teto anivon'ny fiangonana Apokalypsy mantsy ny fisian'ny fanomezana fiofanana sy fianarana mikasika ny fahaiza-mitarika na leadership. Ny tanora no nahazo fiofanana voalohany mikasika izany « fahaiza-mitarika » izany, ka ankasitrahana feno ry zareo mpikarakara dia ny Biraon'ny Tanora Rezionaly Antananarivo.
 
Tsy ho toy ny taloha intsony
Tsy ho toy ny taloha intsony ny hoavy hoy ny Vice Pdt Rezionaly Antananarivo, Loh RAVONJY, raha nandray fitenenana nanokatra ny fiofanana izy, satria ny raiamandrenin'ny zanak'Israely tany anefitra hoy izy dia tsy nanana planina fa nanaraka ampilaminana ny andry afo sy andry rahona hatrany fotsiny, Fa rehefa hiditra ny tany Kanana kosa anefa dia tsimaintsy nisy ny planina sy teknika marosamihafa nampiharina ka mifanojo indrindra amin'izao fianarana  ny teknika "leadership" izao indrindra izany rehetra izany. Marina tokoa fa manaraka hatrany ny voasoratra ny zavatra iainan'ny fiangonan'Andriamanitra. Ny Loh RATSIMIZAO filoha Nasionalin'ny Tanora Apokalypsy kosa dia nisaotra sahady ny mpikarakara ny hetsika ary namporisika ny tanora mba ho mendrika hatrany amin'ny maha "hoavin'ny fikambanana" azy. Ny Filoha WILLIAM Tonia Nasionaly skoto TOM indray moa dia namaky tononkalo mihintsy…
 
Tsy omby ny efitrano , tsy ampy ny seza!
Tonga maro ireo mpiofana, satria maherin'ny zato, ary mbola nitombo ny isan'izireo tamin'ny andro faharoa ka dia nambara mihintsy hoe tsy misy olona hafa afaka miditra intsony amin'ny andro fahatelo sady farany.
 
Ho ahy manokana dia roa andro ny anjara fotoana nanofanako ary nety tamiko tokoa izay (Ny ahy no be indrindra, satria telo andro ilay fiofanana) Afaka nampianatra lesona vitsivitsy nifampitohy mihintsy aho, lesona izay nalaiko tao amin'ny boky nosoratako ihany. Ampolony maro kosa ireo olona nangataka hividy ny boky ka dia nomena fahafaham-po izireo na dia mbola tsy vitako "tsara" aza ilay boky.
 
Tamin'ny andro faharoa niofanana, dia dimy ambin'ny telopolo ambin'ny zato (135) ny isan'ireo olona tonga nanatrika ny fiofanana, feno hipoka ny trano, ary tsy ampy ny seza, ka na dia natokana hoan'ny tanora aza ny fiofanana dia nisy ireo raiamandreny loholona izay tonga niofana ihany koa, (somary sahirana ihany aho tamin'ny voalohany satria sarotra be ny mampiasa voambolana hoan'ny tanora teo anatrehan'ireo raiamandreny hajaina ireo) kanefa dia nizotra antsakany sy andavany ihany ny fiofanana ary "ao tsara" ihany ny "ambiance" nony kelikely (nentina nandravaka sy nanazavana ny vontoatin'ny lesona ihany koa moa ny hatsikana sy tantara mampihomehy isan-karazany).
 
Tena maha te hidera ny faniriana hianatra sy hiofana izay nasehon'ireto tanora sy mpitarika tanora eto anivon'ny rezionaly Tana ireto, nahitana ny zoky skoto tomima sy orima, ny rantsana Oliva, ny mpitarika sampana tanora , ny mpitarika chorale, ny Asafi, ny olon-tsotra marobe ihany koa tonga niofana tao.
 
Tsy ampy ny fotoana:
Tena tsy ampy ny fotoana, na izany aza anefa dia efa lesona fototra mikasika ny "leadership" mihintsy no azon'ireo mpiofana ireo, ary nohazavaina tamin'ny antsipirihany tokoa , ka ahafahany sahady miatrika ireo adidy miandry azireo eo anivon'ny fiangonana sy ny fiaraha-monina misy azy.
 
Mino koa aho fa ny lesona izay atolotry ny Sekretera Jeneraly Nasionaly James Chapard, dia hanampy betsaka ireto mpiofana ireto. Misaotra Tonton Chapard a!
Ny ho tohin'ny fiofanana izao no apetraka amin'ny Ray.
Diary anio 13 Septambra 2011 => Zoky Andry!

jeudi 1 septembre 2011

DIARIKO AOGOSITRA 2011

Mbola ao anatin'ny fiatrehana ny fahafatesan'ny Minisitra Nadine Ramaroson ny mpanarabaovao amin'izao fotoana izao, atao ahoana moa, ny fahafatesana tsy mampilaza, na hoan'ny minisitra aza… izan'izay mba nahafinaritra ahy ny fomba fiasan'iny ramatoa iny ! tsy fantatro iza tena toetrany, fa raha ny fahalalàko sy ny nahitako azy dia tena niasa be sy tia niaro ny osa sy ny malemy teto Madagasikara izy, Sahirana mihintsy ireo mpanao tsindrio fa lafo sy ireo sokajin'olona mpanao didin'ny be sandry, sy ireo milaza mahitahita sy be vola, rehefa mirotsaka antsehatra miaro ny osa sy ireo voaporitra i Nadine Ramaroson ; handimby izay minisitra handimby azy iny, mba marina moa !
Misedra olana kely zahay roa fa tsy miasa i ra dina amin'izao fotoana izao. Henjakenjana ny zava-miseho, saingy araka ny efa averimberiko amin'ny seminera hoe "tsy olana no misy fa occasion" dia noraisina ho occasion famahana olana ilay izy! Dia ny tena izay mpampianatra indray ve no tsy hahay hiatrika olana?  ho hita eo ny fahagagana ataon'Andriamanitra e!
Etsy andanin'izay dia Feno 2 volana sy tapany i Antsa kely, dongadonga sy mahafatifaty ery izy, Tia milalao azy ihany koa izy mirahavavy zokiny… Saiky tsy nisy nono mihintsy ra Dina tamin'ny voalohany, Simba mihintsy ny budget tamin'izay, fa ankehitriny kosa dia ampy tsara ny « sakafon-jaza », tantely amambahona ny fiainana e !
Aleo aloha ry zareo hisinda kely, hitako mahasoa ny fiainanay mianakavy kely izay raha ny amin'izao fotoana izao aloha. Ho hita eo indray ny ho tohiny rehefa miverina avy any Vatomandry ny tanoran'ny fiangonana Itaosy.
Anisan'izay nahazo tombony tokoa raha ireto tanora ireto, satria vao tamin'ny herinandro no vita ny hetsika "mider'Azy vita Bacc" andiany faharoa, nilay ilay hetsika! Sady afaka niala voly tsara ireo nanatrika izany (zahay koa anisany! Nitsinjaka ka nitsinjaka!). Nahafaly ahy ny nahita ireo tanora mpikarakara izay nanao ny ainy tsy ho zavatra, ary tena nahomby tokoa, Bravo ra Jean-Pierre! Sy ny ekipany! Fière anareo zah ry zareo a ! tena efa tonga fatra sy matotra tokoa ry zareo (ry aina kely sy aina be, ny masy, ry mika, ry liva, ry Fano sns sns , tiako nareo e!)
Miandry ny fahatongavan'I Zokivavy aho io, milaza fa ho avy eto Madagascar izy raha vao vita ny Ramadan hoy izy… dia miandry aloha, enga anie ka tsy ho tonga amin'ny herinandro izy fa raha izay dia  tsy misy olona handray azy ao antrano fa ho any Vatomandry ny ankizy…
Mahavaky loha ny fiainana, indrindra fa amin'ny resa-bola, saingy tsy raharahako fa fantatro fa mandalo fotsiny ihany ny olana e! ary izaho mino fa tsy ho faty mahantra izany! Amen! Ny fikarakarana sy fanampiana ny tanoran'ny fiangonana ihany no anto-pisiako akoatry ny fikarakarana ny ankohonana, rehefa vitako izay adidiko  izay, na fanofanana io na fitarihana  sy torolalana dia izay ihany ny ahy! Ary efa kely sisa raha ny fahitako azy satria efa manomboka lehibe sy mahavita mandray andraikitra avokoa ireo tinaizako fahiny!
Ny fanotana boky mikasika ny leadership ity no tsimaintsy ataoko izay ahatanteraka azy, io izao no mba gramako akaiky sy mba andrian'ny foko, ho hita eo ny camp de formation skoto na hanahoana na hanahoana…. Amin'ny desambra.
Mba topazo maso kely aho Jehovah , fa mila Anao mihintsy aho , indrindra fa amin'izao fotoana izao!
Sabatr'I Jehovah sy gideona ! Fandresena !