mercredi 23 novembre 2011
NY TSIAMBARATELON'NY JJA 2011
Taorian’ny Mider’Azy vita Bacc 2009 sy ny 2011, dia noketrehina ny JJA ary nokendrena ho ao anatin’ny fankalazana ny tsigeritaona voalohan’ny rantsana Oliva eto anivon’ny Rezionaly Antananarivo no hanatanterahana izany. Hetsika lehibe no hatao, ary tianay hifampizarana aminareo mpitarika tanora rehetra ny traikefa fanomanana hetsika toa izany.
à suivre...
jeudi 13 octobre 2011
Mahatsiaro an’i Neny foana aho tato hoato,
Na dia mandia fahasahiranana aza izahay izao, dia dia faly satria isaky ny mandinika ny fiainako dia mahatsapa fa notahian’Andriamanitra aho, satria niainga avy tamin’ny tsy misy izahay no tonga amin’izao toerana sy sehatra izao ! iza moa no nanampo fa ho toa izao ihany aho ? misaotra am-po an’i dada sy Neny aho, indrindra fa i Neny (Mamie).
Na i dina aza mba miteny matetika hoe « raha mbola teo izao i Mamie, ka mahita an’izao fiainantsika izao ! »
mercredi 28 septembre 2011
Ilay ariary folon'i Tsiky !
mercredi 14 septembre 2011
TELECHARGER LE LIVRE LEADERSHIP “MAHAIZA MITARIKA” de Zoky Andry EN FORMAT PDF
NIATRIKA FIOFANANA MIKASIKA NY FAHAIZA-MITARIKA NA “LEADERSHIP” NY TANORA APOKALYPSY
jeudi 1 septembre 2011
DIARIKO AOGOSITRA 2011
mercredi 22 juin 2011
TONGA SOAMANTSARA I ANTSA KELY
RAMAMBASON Antsa Iangotiana !
Tonga soa ianao ry Antsa kely, tamin'ny alin'ny 15 jona 2011 ianao no teraka, zazakely mahafatifaty, ary nanahaka kokoa an'i Dada ny loko sy ny endrikao
Mafy sy nanahirana an'i Neny ny nitondra vohoka anao, satria vao efa-bola fotsiny dia efa nisy olana hatrany ny fitondrana anao, Saiky nateraka mialohan'ny fotoana saingy niezaka hatrany i Neny mba ahatojo anao ho feno volana sy feno andro, araka izay azo atao.
Nambaran'ny dokotera fa tsy azo ateraka mialohan'ny 15 jona ianao, ary vao nigadona mihntsy io daty io no injao ianao fa nitady lalana hivoaka !
Fa tena mahavariana ahy ny niterahan'i Dina anao, vao niditra tao am bloc tam 10 :30, nanomboka ny asan'i neny tam 10 :45, ary teraka soamantsara ianao tam 11h , tena vetivety !
Nahagaga anay ihany fa somary elaela enao vao naverin'ireo dokotera tamin'i Neny taorian'ny nahalatsahanao, tsy fantatray ny antony, tena ela taminay satria ora iray mahery !...
Faly i Kanto sy tsiky zokinao raha vao naheno ny fahaterahanao sy nahita anao voalohany !, ary tsy izy roavavy na izahay sy Neny ihany fa dadabe sy raneny ihany koa, ary ny fianakaviana sy ny namanay rehetra !
Fa tena sarobidy ianao ry Antsa, lafo vidy sy nisahiranana mihintsy ianao vao teraka soamantsara , olona maro no nivavaka ho anao sy neny mba ho tonga soamantsara ny andro ahaterahanao, koa hendre tsara ! ary ho tanteraka aminao tokoa ny tsodrano izay nomena anao fony ianao nasandratro hoan'i Jehovah raha vao tonga tao antranontsika.
Ny fantatro ry Antsa dia ho zaza hendry sy manantsaina ianao, Ho andrin'ny fianakaviantsika ianao , hampitolagaga ny mpiaramonina amin'ny fahendrenao sy ny fahaizanao, hanana ny ampy ianao, ary mihoatra lavitra amin'izay ilainao aza, koa mahaiza mizara sy antra olona.
Tsarovy ry zanako rehefa tojo olana sy ady ianao fa « ny zavatra rehetra dia hain'ny mino »
Dada ! 20/06/2011
vendredi 18 mars 2011
Mahandrasa ry zanako !
Mahandrasa ry zanako !
Tsy mety vita mihintsy ny fety ho fanamarihana ny faha 6 taonan'i Kanto kely. Efa tamin'ny volana janvier izy no feno 6 taona, kanefa hatram izao volana martsa izao dia mbola tsy manana enti-manana ny hampifalifaliana anazy izahay roa… tena krizy marina ny andro
Repos stricte au lit !
Repos stricte au lit !
Mampalahelo ahy ny vadiko fa mijaly be loatra izy fa misy problème ny grossesse, nanotany dokotera namana aho hoe fa inona no mahatonga ny kibo ho ambany be ? dia nolazainy fa ny havizanana hoy izy ! bon j'ai compris hoe normale izy raha vizana ! satria ny asany dia tena feno deplacement à pieds isanandro. (repos stricte au lit foana no azo intelo misesy…)
Na izany aza ry Tompo, Ianao mahalala ny mahasoa sy mahatsara anay, mba tsy olana ny fahatongavan'ny zazakely fa tena mba ho fahasoavana tokoa… Hamorona zavatra entina manompo anao indray aho rehefa omenao anay soamantsara io zazakely io. Amen !
Faly aho!
Faly aho fa tonga nitsidika anay tany antrano i Dada, tamin'ny herinandro voalohan'ny volana martsa teo izy no nandalo teto, ary niresaka tsara izahay (sady i Nary mianakavy kely koa tonga tao) , hitako fa efa lehibe sy efa reraka ihany izy, ny lelany miraikitra, ny tongony toa taritiny izany… fa faly aho fa tonga izy namangy anay. Ny zavatra nampihomehy sady nampalahelo dia tsy fantatr'i Tsiky intsony ilay dadabeany ! efa ela loatra no tsy nifamangy .. Nilaza koa izy fa tsy nahazo vaovao tany amin'i Zoky vavy intsony taorian'ilay hoe hanambady i Mihadjah, izaho aza tsy naheno izany vaovao izany mihintsy
Fa hitako niova i Dada, raha mikasika ny fifahavanana, tongava eny aminay hoy izy , « bipeo izahay rehefa eny Sabotsy Namehana fa hotsenainay ianareo » hoy izy ….Tena nahafaly anay iny !
Maninona koa hoy izy raha mba mifanao fotoana eny ambohijatovo eny isika rehetra dia mba mifankahita ?… milay !