Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 8 février 2011

Izaho ve no adala ?

Sakaiza ô !

Hatramin'ny nahatsiarovako saina aho dia niezaka mandrakariva mba ho havan'ny olon-drehetra (araka ny lalàna Tily), Ankehitriny anefa dia tsapako fa nandao ahy tanteraka ny atsasaky ny ankohonako, ny fianakaviana sasany moa dia efa ela no tsy nifanerasera firy hatramin'ny nahafatesan'i Neny..

Very fianakaviana sy mpiray tampo aho , kanefa nahazo namana marobe kosa ,tanora nobeaziko hatrizay, raiamandreny be diabe, ireo sakaiza sy mpiara-miasa ihany koa , manoloana ny asa anefa dia mahatsiaro tena ho vitsy an'isa ihany izahay !

 

Maro izireo no niaritra ny fomba fisainako izay mirifatra lava, tsy mandeha mora fa mihazakaza-dava…Ny tetikasa marobe mivoaka ato an-tsaiko toy ny rano vaky, vao vita ny eo dia mipoitra indray ny tetikasa manaraka ! …. Mibahana ato an-tsaiko foana ny voadiko tamin'i Jehovah hoe « hikarakara ny tanoranao aho Jehovah.. fa mba ankiniko aminao kosa ny .. » sy ilay teny fikasana nomena ahy hoe « hamboly sy hanongotra, handrava sy hanorina ! »

Marobe ireo tsiambaratelo na zava-miafina fantatro ankehitriny, kanefa izay mitombo fahalalana hono mitombo alahelo, tsapako fa tsy mitovy amin'ny olona tsotra mihintsy ny fijeriko ny fiainana, (indraindray dia miteny mihintsy Radina hoe « ho lazain'ny olona fa mitapy ialahy, fa tsy azon'ny olona ny zavatra manjo sy ataon'ialahy » satria fantatro marimarina ny fisian'ny asan-devoly izay mifehy na mikasa hifehy izao tontolo izao ity, ary tena ambava-loza i Madagasikara…

Ahoana anefa no ataoko hampahafantarana ny hafa ny zavatra marobe fantatro ?

 

Tena mampitsiry fanantenana ho ato anatiko ny faminaniana 2013 (Pasteur Mailhol), ary tsy hitako izay sakana sy antony tsy ahatanteraka izany faminaniana izany ! mbola misy fanantenana ihany izany hoan'i Madagasikara…

 

Kanefa malahelo ihany ny tena mahita ny akamaroan'ny tanora izay mbola variana tsy mahalala na inona na inona, tavela ao anaty fitiavan-tena, fifandirana sy fialonana ! tena tsy fantany mihintsy ve fa misy lozabe tsy roa aman-tany efa mahazo ny planetantsika ity anie e !, ary hikepoka an'ity firenena Madagasikara sy ity génération ity amin'izao ora sy fotoana izao ?

Variana amin'ny filàny kely avy ny olon-dehibe, ny tombotsoany no mibahana ao andohany, ny zanany, ny volany, ny tranony, ny sezany, ny bikany, ny film sy ny clip isan-karazany, ny voninahitra sy laza …Mihinana ambolony izay zavatra hitany amin'ny tele sy gazety ny olona,  mampite hihiaka hoe eh ! fa mitapina ve ny masonareo e ? tsy hitanareo ve io loza be mitatao io e ? Tontolo ohatry ny ahoana no havela hoan'ireo zandry kely ireo ? tontolo eo ambany vahoan'ny Satana ? tontolo potika sy tsy azo iainana ?

Efa tena mipetrapetraka anie ny tetikadin'i Satana e ! famindram-pon'ny Tompo Jesosy no mahatonga antsika mbola toy izao … tsy andron'ny ady an-trano intsony izao ! tsy izany intsony no resaka !

Sa dia avela hiady irery eo koa i Pasitera Mailhol ?

 

Mijoro manoloana ny banga !

Nanjary manao zavatra sy misahana zavatra marobe aho ! tena marina izany ( tahaka ireny olona mahita loza ireny ka mikoropaka miasa irery manao izay azo atao manetsina ny banga rehetra (combattre sur tout le front hoy ny fiteny vahiny) dia tena mahatsapa ny tenako ho toa izany aho !

Tsy azon'ny olona maro ny antony anaovako izao zavatra rehetra izao ! tsy fantany fa tahaka ny mpanonofy rehetra hatrizay dia maniry taranaka vaovao koa aho, fiaraha-monina vaovao, lavitry ny disadisa sy ny fitiavan-tena, lavitry ny ota sy ny filan-dratsy isan-karazany, taranaka feno fitiavana sy fandeferana ary firaisan-kina ary ….Planeta madio sy milamina,  tiako hatao sy enjehina atao daholo izay zavatra azo atao rehetra hanoherana ny asan-devoly sy ahatanteraka ireo nofinofiko ireo… 

 

Sa tsy ho tanteraka mihintsy izany nofinofiko izany fa izaho no adala ?

Iza re no mba ho namako, ka mitovy tanjona amiko ? aiza no ahitana azy ? ho maro sa ho vitsy ? tolory saina aho Jehovah ô !


lundi 31 janvier 2011

tantara tsy fanadino: Mitandrema ianareo am in'io zalahy io!

hotantaraiko tantara kely ianareo,
tamin'ny 1998 , raha nanangana ny TOM izahay dia nanao antso tamin'ny rfa, ary tonga nanohana ny antso na olona tsy apokalypsy aza!
nisy lehilahy lehibe (50-55 ans) izay koa tonga tao ,ex Tily (protestanta) hono izy ary  Filoha Jean no fiantsoana azy (hoy izy), Nandritra ny adihevitr anifanaovanay tao dia nifandona ny hevitray mianaka, ny adihevitra tamin'izay dia ny hoe "akambana amin'ny skoto hafa ( n'izao tontolo izao) ve ilay skoto apokalypsy sa tsia? ny heviny dia hoe "aleo ianareo mikambana" fa aza manao mitokana izany!,
Raha ny hevitr'io rangahy io dia hoe fivondronana tily sy mpanazava no atsangana tato amin'ny apoka , saingy efa nanipy teny tamiko ihany izy mialohan'ny fivoriana, fa tsy nety ahoizaho moa vao resy lahatra apoka tamin'izany , vao mafana! ary tsy te hikambakambana am skoton'ny Bibidia izany!
mahay miteny sy mampite hanaja be io lehilahy io (sady somary masiakasiaka ihany koa) le fiteny skoto matotra be ireny e! ka tsy mba nisy sahy namaly ny heviny nandritra ny fivoriana (izy koa moa mpiteny hoe "any amiko misy document, raha ilainareo" sns

Ny somary nahagaga ahy dia tsy nisy nanohitra firy ny heviny fa izaho ireny no tena tsy nanaiky hatramin'ny farany! mbola zaza aho tam zany, sady izaho no sandriny indrindra, saingy  skoto vaovao mihintsy no masaka tao andohako, skoton'ny Apokalypsy , tsy misy ifandraisany amin'ny alahdiste, tsy aleoko ve miverina tany am fivondronako taloha raha skoton'ny alahadiste ihany no hifehy sy hananganana ny skoton'ny apokalypsy?!
dia tsy nanaiky hatram farany aho nandritra ny fivoriana hoe hampifandraisina sy ho tantanin'ny skoto protestata ny skotontsika io! tsia !
dia tezitra be tamiko izy! satria izaho irery no tsy nanaiky hatram farany! ary dia teo imasomaso teo izy no nisendaotra ka nanao hoe "mitandrema ianareo am le zalahy io"!!!!

tsy norarahiako ny teniny , satria mbola pire noho izany aza no azoko tamin'ny filoha tily amperinasa taty aoriana!
fa raha ny tenin'io olona tsy praifa io no narahina tamin'izay dia tsy ho toy izao ny skoto apokalypsy
  • tsy nisy izany komity mpiahy nasionaly izany
  • tsy nisy izany ekipa nasionaly izany
  • tsy nisy izany tomima sy orima manerantany izany!
fa tily sy mpanazavan'i filoha jean no nisy teto
tsy niverina nivory intsony moa io rangahy io taty aoriana!.....

dia izay ilay tantara mahakasika ilay hoe "tandremo le zalahy io e"
fa ny olona tsy mahalala ny tena anton'io teny io, na minia nanadino ny tena adihevitra tamin'izay!
isaky ny maheno olona miteny hoe "tandremo io zalahy io aho" dia mihevitra foana hoe "fanahy tsy apoka" no niteny an'izany ary tsy nahatohitra ahy izy ka namboly tsy fifampitokisana tamin'ireo mpiara-miasa tamin'izany!
dia misy mampitamberina foana io resaka io isaky ny misy olona te hanaratsy anah! ny tsy fantany dia hoe "teny mampatsiahy ahy ny maha fanahin'ny apoka ahy io, ary milaza ny nahasahiako namaly olondehibe , satria tiako ny fikambanako sy ny fiangonako ka tsy afangaro amin'ny fanahy hafahafa izany!

tsy omeko tsiny koa anefa ny mpiara-miasa satria tsy naharaka mialoha ny tena "intention" n'i Filoha Jean izireo, fa izy kosa efa niteny mialoha tamiko ilay heviny fony mbola tsy nanomboka ny fivoriana saingy tsy nety aho, ary tsy nanaiky hatram farany!

izay e! tsy misy miala eo rastah a!
gideona!


izay e!

mercredi 26 janvier 2011

Ny olona tena ratsy fanahy dia ilay mandehandeha manao vava ratsy…

Mba gravy koa ity teny faneva isan-taona ity, fa tena tsy "mi-raty" mihintsy fa tratra sy miaina azy foana ianao isan-taona!

Anisan'ny teny faneva tsy mba mahafinarita ahy  ity  tena faneva 2011 ity raha vao hitako mialoha, satria fantatro mihntsy hoe hanahirana ny miatrika azy!

"Pet 3 14-15"  fa raha tahiany mitondra fahoriana,nohon'ny fahamarinana ianareo, dia sambatra ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo, Fa manamasina an'I Kristy ho Tompo ao amponareo, ary aoka ho vonona mandrakariva hamaly izay manotany anareo…nefa amin'ny fahalemem-panahy sy fanajana"

 

Misy tenin'Andriamanitra manome famaritana ny atao hoe olona tena ratsy fanahy izay ao amin'ny Ohab 6:12, manao hoe "Ny olona ratsy , tena ratsy fanahy dia ilay mandehandeha manao vava ratsy! Brrrr!  fa tena mafy tamiko ny nandrenesako ity fanaratsiana sy fosafosa farany ity! Ny hatramin'izay zaka ihany fa tamin'ity no tena lotika! ngoly! maratra mihoson-drà! mihintsy ianao raha vao naheno azy!

 

Lalina ihany ilay fitsipiky ny famonoanolona , fa

  1. Miainga avy amin'ny Fitsiriritana izy
  2. Avy eo fifaninanana (mody lazaina fa hoe masina)
  3. D avy eo fialonana
  4. Ary farany fankahalàna!
  5. farany famonoan'olona (ankolaka) @ alalan'ny fosafosa sy vava ratsy!

Ny aza mba voany ihany fa tena tsy ampoizinao ny fiasan'ny fanahy ratsy! Aiza ka ny asan-devoly izay efa iadivanao isan'andro isan'andro sy ampahafantarinao ny olona isanandro isanandro indray no ilazàn'ny olona anao fa iraisanao petsapetsa! Looza! Tena mba tsy rariny!

 

Marina fa ny teny faneva 2011 miteny hoe "aza matahotra tahaka azy" sy ny hoe "aza manimba saina fa manàna fieritreretana tsara! Ary koa hoe "amin'ny fahalemem-panahy sy fanajana"….

Fa tena tsy maintsy hitaraina any amin'I Jehovah ihany aho! Aleoko any no mitati-bolana! Fa tena misy ratsy fanahy tokoa mihintsy ny olona!

 

Mino ho fa Marina ny nataon'I Davida hoe

Raha manantona ahy , hihinana ny nofoko ny fahavaloko sy rafilahiko,

Dia izy ihany no hotafitohina ka ho lavo! Salamo 27:2

Ary tezitra be ve zah zany e?


jeudi 6 janvier 2011

Ampy izay ry zandrikeliko

Zandrikely !

Tonga tany amin'i Nary hono ry dada sy mama vaovao hoe mila 750 000 fmg amintsika isam-bolana, ary vola tsy averina , mba hikarakarana ny sns

 

Rehefa niantso ahy tany antranony i Nary dia nambarako azy fa Tsy afaka ny hifampindram-bola na hifanerasera amin'ny resaka ara-bola amin'I dada sy mama vaovao intsony aho ry Niry fa mahatsapa tena ohatry ny ambakaina izany aho, (tsy haiko na i dada no manambaka anay na i mama vaovao, na ireo zanak'i Mama vaovao no manambaka antsika, tsy h aiko!),

 

Sady fihavanana sy fifankatiavana ary fifaneraserana ny ahy no tadiaviko fa tsy tiako raha isaky ny mila vola vao mahafantatra ahy ny havako.

 

Mba manana ny manahirana anay koa izahay hatrizay fa nohon'ny fitsinjovako ny fifankatiavana misy teo amintsika no namoronako vola homena an'dry zareo hatrany ka nampihafiako ny vadiko sy izy roavavy kely zanako,

 

Ampy izay fitadiavana fihavanana nataoko izay ry Zandrivavikeliko, fa aleoko amin'izay mionona toy izay hanantena anareo hifanerasera aminay intsony,

Ø  Vitanareo ihany ny miray bus, ka miray seza  amin'ny olona tsy miara-mivavaka aminareo

Ø  Vitanareo ihany ny miditra biraon'olona ka mitafa aman'olona tsy mitovy fomba ami nareo

Ø  Vitanareo ihany ny mifanerasera isan'andro amin'ny mpiara-miasa tsy mitovy fomba aminareo,

Ø  Fa tsy vitanareo kosa ve ny mihavana na mifanerasera na mba mifankahita amin'ny ankohonana mifanapa-tsinay aminareo?

Fa dia naninona anareo loatra izahay no ataonareo ohatrizao? Sa dia tena tsy misy vidiny tokoa rehefa tsy mitovy fivavahana aminareo? …. Mampalahelo isika !

 

Izao izao dada miteny hoe mba ilazao I Zokivavy any Comores  sao mba misy azony atao sns,

Raha mba fantatr'I Zokivavy mantsy fa nahilikilika izy tamin'ny fahatongavany  farany teo, ka nasain'i Dada hoe izahay sy Zandrilahy no mandray azy (kanefa sady zokintsika izy no zanak'I Dada ihany koa, Sa hoe izy Silamo? Sa hoe sao dia mahantra izy? Sa rehefa hita fa metimety indray izy dia afaka namangy sy nihaona taminy ihany ireto isika na dia fantatsika aza fa nivadika ho Silamo…Angamba tsy ho zakanareo ny alahelony raha fantany izany…

 

I Dada koa nanafatra hoe mila mivory isika enina (isika telodahy sy ny vadintsika avy)

Efa ela aho nangataka an'izany tamin'I Dada hoe "mba asio fivoriam-pianakaviana re, fa mba te ahita ny tranonareo izahay, sady ny zanakay manotany foana hoe "fa aiza I Papi sy ry Tantine no mipetraka? Dia lazainay azy hoe any lavitra be!, dia rehefa manotany izy hoe fa maninona no tsy mba mitelephone ry zareo dia lazainay hoe "tsy misy reseau".

 

Raha resaka fihaonana sy fifaneraserana dia Ianareo no eran'izany fa tsy izahay mihintsy, saingy indrisy! Tsy misy akory na dia fihaonana tsotra nohon'ny maha samy olombelona aza…, ary tsy isika enina ihany fa isika samy zanak'izy mivady mihintsy no tokony hivory hoaho, fa angaha isika ity biby sa olona, fa dia mpihavana anarana fotsiny!

 

Tamin'ny herintaona toy izao dia naka conge mihintsy izahay sy nary mba hamonjy taom-baovao Jiosy tany amin'ny fiangonanareo, rarahianay inona moa izay taom-baovao sy fetinareo any? fa ny ahita tava anareo no tena zava-dehibe taminay, azy izany no antony nitondranay ny zanakay nakany, mba ahitany izany nenifara, sy dadafara sy dadabe , sy cousins izany! Sa dia tsy azonareo mihintsy izany zavatra izany?

 

Fa ampy izay! Tsy mahavita intsony aho!

 

I Zandrilahy sisa no mbola mivaky loha mitady izay tokony hatao amin'ny hamerenana indray ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonantsika far aha izaho dia efa kivy tanteraka aho, ary aleoko mamoy!

Mba manana ny mpiara-mivavaka aminay koa aho, ireny aza tena mahavita manavotra sy mifampitsimbina aminay, mitondra any ho toy ny zoky iray tam-po, ny sasany indray tena mitondra anay ho toy ny ray sy reny niteraka mihintsy , manoatra nohon'ny ataon'ny mpiray tam-po, ny sasany aza manaja anay ho toy iren olo-masina ireny mihintsy, izahay indray no menatra.

Raha ny fitiavan'ny rafozako ahy indray dia menatra mihintsy aho, fa tena mandray ahy ho toy ny zanany naterany mihintsy izireo, sady manaja izireo no manampy , no tsy manararaotra ny fihavanana eo aminay.

 I Nary sy Vony aloha dia tena deraiko manokana satria ny fitiavanizireo anay dia tsy niova hatramin'izay ka hatramin'izao)

 

I dada miteny foana taloha hoe "fehezo ny vadinareo"…..pfff ! aiza izy izao? Ilaozany mamorona problem foana no ataony amin'ny fiainana, tsy mba mahay misitraka ny fianany mihintsy izy fa dia miditra "cafouillage" foana, Na koa tsy azo tenenina dia ambakain'ny olona eny foana!

Efa nanampy an'I Dada sy Neny aho tamin'ny fivarotantsika amoron-dalana mba ho fanampiana ny fianaranareo mianadahy, indrindra fa ianao ry Niry, ianao ilay tsy azo ampanaovina raharaha taloha fa hoe manao devoir, tsy afaka manampy amin'ny raharaha madinidinika tao antrano fa hoe mianatra lesona sns sns. , Tsy afaka nanohy fianarana aho fa hoe rehefa feno 20 taona dia tsy miantoka fianarana intsony I dada, d nijanona aho. Na ny diplaoma anananareo aza izao tsy ananako! Kanefa nahavita nihoitra tamin'ny fiainana ihany aho (isaorako ny Nahary ahy!), Efa nanampy an'I Zokivavy koa aho, ary herintaona latsaka no nijalijaliako tany comores nanampy azy, ary saiky matin'ny aretina tany aza aho!

 

Ampy kosa angamba izay !

Fa nandady fihavanana taminareo aho nandritra ny telo taona, fa ok! Efa azoko tsara izao ny tianareo ka dia aleoko mionona.

Fa tena tsy tantiko kosa raha hoe fifankatiavana sy fifaneraserana no tadiavinay aminareo, ka vola foana kosa no tambiny tadiavin'I dada aty aminay,

ary ny anao kosa ry zandrikeliko, sady tsy miantso ianao no tsy re maty tsy re velona, sady tsy tonga mamangy no tsy mampandroso an-trano ,

 

fa avy taiza moa ianao io ry zandriko? Nilatsaka avy any an-danitra angaha isika , sa mba fantatrao moa fa misy zokinao miisa Telo eto amin'ity tany ity, ary mbola misy zokivavy anakiray aza any ?

Ka tsy vita irery ny fiainana ry zandrikeliko, fa na ho ela na ho haingana tsimaintsy ilaina ny "mpiray tam-po"

Kanefa mandrapiandry ny rehetra ho tonga saina, dia ampy aloha izay fitadiavako fihavanana aminareo izay. Soa ihany I neny fa efa maty, fa nampalahelo raha mbola velona teo izy!,

 

Aiza ho aiza ny fifankatiavana sy ny firaisankinantsika fahiny, indrindra fa fony isika mbola zatovo sy tanora tao antranon'I dada sy neny?, tamin'izany aza isika tsy mbola tena nahalala ny Fahamarinana ara-tsoratra Masina akory! Amin'izao kosa efa milaza tena fa mpivavaka daholo indray no tsy mahalala mifankatia fa ohatry ny biby sy olona no iheveran'ny sasany ny tenany.

I Nary aza tsy pratiquant kanefa tena manana fanahy maha te hidera ! (Samaritana tsara fanahy marina izy!)

"Ny alaleho no tsy ambara Havana hono, zakan'ny tompony ihany", fa nambarako ny ahy satria tsy zakako!

Miray soa ho anao aho ry zandriko, enga anie ka ho azonao tsara hoe inona no fototry ny alaheloko.

 

Andry!


mercredi 8 décembre 2010

Blem foana ve ity fitiavana ity e?

Mba rahoviana re no mba tsy hisy olona hanana olana amin'ity resaka fitiavana ity intsony e? , mampalahelo mihintsy isika olombelona, ny fitiavana tokony ho "vahaolana" indray no lasa olana! Indrindra fa hoantsika tanora. (Mbola ahazo vava ratsy amin'ny olon-dehibe amin'io isika, mba marina moa, holazain'ny sasany hoe "ka hoentinareo tanora amin'ny tsy izy tsinona ilay izy dia lasa olana! Hahaha! Ohatrireny dia tsy manana olana amin'ny vadiny ireny ry zareo! ", tsy anao marina ny lelo ka hoe "ahisino"!)

Ny fanotaniana efa novaliana tamin'ny 7 taona lasa no mbola misy manotany indray androany,

Ireo tanora vao nisondrotra koa, tsy mba mandray lesona tamin'ny zokiny fa mamerina ny fahadisoan'ny teo aloha indray, Dia tsimaintsy hampianatra mikasika ny fitiavana foana izany isan-taona e! Atao ahoana moa! Ka misy promotion foana isan-taona tsinona kou!