Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 9 avril 2009

Mba henjana koa ity volana Mars sy Avril ity, ny grevy sy ny gidragidra teto amin'ny firenena koa niatraika hatrany anaty vilany, ny olana teo am firenena misy taratra eo anivon'ny fiangonana ihany koa, gravy !
leo be ilay asako sahady aho, tsy ny asa fa ny ambiance

samedi 13 décembre 2008

hatreto aloha dia calme kely indray ny fo, efa vonona ny amin'ny zavatra rehetra, milay ny asa vaovao, tsotra sy tsy mirotoroto! mba handeha hanao congé miaraka amin'ny vady amanjanaka ela ny ela !

vendredi 14 novembre 2008

MATAHOTRA AHO

Nanonofy ratsy aho halina!
nofy mahakasika ny fiangonana!
maharary ahy ny kiboko isaky ny mieritreritra io nofiko io aho.

jeudi 30 octobre 2008

Tsy ilaina ny mifindra fiangonana...

  • Indraindray rehefa sendra olana eo anivon'ny fiangonana misy azy ny olona dia miezaka "manitsy" aloha izy, ary aty aoriana rehefa hitany fa tsy misy azo atao dia mifindra fiangonana izy.
Raha ny traik'efa nandalovako hatrizay anefa dia hitako fa tsy voatery ho ratsy hatrany na ratsy tsara hatrany ny "fiainan'ny fiangonana" satria na ireo vahoaka (fiangonana) na ireo mpitarika fiangonana dia "olombelona ihany". Indraindray "mety tsara ny fifandraisany amin'Atra, ary indraindray tsy mety, ny fahombiazany anio tsy miantoka ny fahombiazany rahapitso , toa izany koa ny fahalavoany anio dia tsy midika fa ho lavo hatrany izy....
  • Raha mahita fahamarinana vaovao ny olona dia rariny izy raha m ifindra fiangonana , fa raha mbola mitàna ny fahamarinana hatrany anefa ny fiangonany dia tsy misy antony tokony "hivoahany" satria tsy misy fahamarinana vaovao hita akory....
  • Midika ihany koa anefa izany fa "tsy azo lazaina fa mivoaka" izay mamonjy fiangonana hafa kanefa mitovy amin'ny fahamarinana niainany teo aloha no ao amin'ilay vaovao....
Aleoko tsy mifindra fiangonana , raha hoe tsy miova ny fahamarinana , na inona na inona faharatsiana hita sy re , ary tsapa,
  • Satria ny fahalavoako , na ny fahalavoan'ny hafa androany dia tsy midika fa ho lavo mandrakizay aho, ary ny olona no mety ho lavo fa tsy ny fahamarinana mihintsy...
Hatreto aloha !

lundi 1 septembre 2008

FO MALAHELO

Na eo anivon'ny fiangonan'Andriamanitra aza..., "Ary izao koa no efa hitako aty ambanin'ny masoandro; ao amin'ny ny fitoeran'ny fitsarana dia nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. " Mpitor 3:16 Manamarina ny Soratra Masina rahateo moa izany, Ka inona moa no mahagaga sy mampalahelo anao eo ry foko? Mifikira mafy amin'Andriamanitra fa Azy ianao , fa tsy an'olona.

jeudi 28 août 2008

note sur la pedagogie

ity misy fehezan-teny anakiray izay mahafintina ny fomba fanabeazana sy ny ho vokany : «Dis-moi et j’oublierai,montre-moi et je me souviendrai,implique-moiet je comprendrai.» Kong Fu Zi (551-479 av. J.-C.)

jeudi 21 août 2008

volana Aogositra tsy tsara !

Ity volana aogositra 2008 ity no fialantsahatra somary nampalahelo ahy indrindra , Tsy mba nisy na anakiray tamin'ny lasin'ny skoto mba natrehako, ny fisindan'ny tanora (sekoly sabata) ihany koa dia tsy natrehako, na ny depart aza..... tena mandreraka ihany le resaka asa sy adidy marobe ity! Tsy tsara ilay fiainan'olon-dehibe !