Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

jeudi 28 août 2008

note sur la pedagogie

ity misy fehezan-teny anakiray izay mahafintina ny fomba fanabeazana sy ny ho vokany : «Dis-moi et j’oublierai,montre-moi et je me souviendrai,implique-moiet je comprendrai.» Kong Fu Zi (551-479 av. J.-C.)

jeudi 21 août 2008

volana Aogositra tsy tsara !

Ity volana aogositra 2008 ity no fialantsahatra somary nampalahelo ahy indrindra , Tsy mba nisy na anakiray tamin'ny lasin'ny skoto mba natrehako, ny fisindan'ny tanora (sekoly sabata) ihany koa dia tsy natrehako, na ny depart aza..... tena mandreraka ihany le resaka asa sy adidy marobe ity! Tsy tsara ilay fiainan'olon-dehibe !

mardi 5 août 2008

Tsy mahazatra ahy ity ...(Hoy Davida)

Vaky ny loha eo anatrehan'ny adidy miandry! tsaroako anefa ny tantaran'i Davida izay nanolo-tena hiady amin'i Goliata ! toa adidy mankadiry be tokoa kanefa ny tena mbola zaza ! Ahoana no hatao , inona no fihetsika , inona no ho toetra? ahoana izay fiainana miaraka amin'ny "olon-dehibe" izany, Nomen'i Saoly an'i Davida ny "akanjony fitondra miady" mba hanaovany , saingy vao maika tsy afaka nihetsika izy satria "tsy zatra" aleoko nisafidy ny tsy hanova fihetsika, fitafy , fisainana, fomba fiasa... fa ho izao "heriko" izao ihany no entina ... hiady amin'ny Goliata (Adidy) Ny anaran' Andriamanitra no entina manao ny asa! raha tsy izany dia fantatro fa tsy hisy fahombiazana . Ahoana anefa ny amin'ny Skoto sy ny Sekoly Sabata Tanora? Mino aho fa Izy mahalala...

Anjara fanompoana mavesatra ?

Filohan'ny Diakona ! tsy nampoizinay iny! Herin'andro aho no nahatsiaro tebiteby sy adin-tsaina , fa "olona tsy mendrika" kanefa mahatsapa fifaliana ao anaty.... Inona tokoa moa no nanaovana voady hoe "inty aho iraho aho? " raha tsy hanao ny asan'ilay Jehovah Andriamanitra? Nitondra tanora no nahazatra anay, "fanabeazana", kanefa notendren'Andriamanitra hanompo ny fiangonana (amin'ny maha diakona) ary notendreny hanompo ny diakona (amin'ny maha filoha) . Izahay no mpanompo ambany indrindra eto anivon'ny Fiangonana araka ny tenin'i JK hoe "izay lehibe aminareo no aoka ho mpanompo".... Ankehitriny dia fantatro ny "iraka" ampanaoviny anay, ary hiezaka izahay ny ahatontosa izany antsakany sy andavany, betsaka ny fanabeazana ho atao, ary ao anatin'ny planin'i JK hoan'ny fiangonana izany! Hanompo an'Andriamanitra , Hiasa hoan'ny Tanindrazana sy ny mpiara-belona...

jeudi 17 juillet 2008

MISY FOTOANA MAHAVAKY LOHA

FOTOANA SAROTRA
Misy fotoana mahavaky loha tsy eritreretina mantsy no tranga miezaka ianao ny hanao soa zavatra ratsy no manangasanga
Hafa mihintsy ny todika tiana izay visavisa, izay faniriana Hafa no seho ajoron'ny Tompo Hafa tsy ampoizina toa ho toloko
Hiezaka ihany aho, fantatro mantsy Fa izy mandahatra ny lalan-ko-avy Ireto ankohonako no ataoko ahoana ? tsy voatery hitovy ny fatra-pinoana..
Ray ô! ankiniko mafy aminao ny ho avy tsy fantatro ianao mahalala satria mantsy tsy kilalao fa henjana ity! mahalasa adala...

lundi 30 juin 2008

26 JUIN 2008

Nahafinaritra ny fety 26 juin, niaraka nandehandeha izahay efa-mianaka ny 25 jona , ny ampitson'io dia mbola nandeha indray fa i Tsiky mba tsy nentina aloha.
dia naka sary , faly tsy nanaiky i kanto raha tsy naka sary teo amin'ny Moto
sambatra zaza ankehitriny, nany arendrina aza misy jiro sy motera !

Posted by Picasa

mercredi 11 juin 2008

SARY 31 MAI 2008


ireto misy sary vitsivitsy , nandritra ny fanosorana diakona sy loholona ary famaranana ny fahafolotaonan'ny radio fanambarana (rfa 98.4 fm)tamin'ny sabata 31 mai teo