Tapaka ny hevitro fa hotanterahiko ny nofinofiko mikasika ny resaka energie alternative, ary hatomboko amin'ny fampiofanana sy fanomezana tari-dalana mikasika ny fomba fanovana ny rano ho lasa solika izany.
fantatro fa mbola tsy nisy nanao teto madagasikara izany, ary mino aho ho maro ny olona liana sy ahita tombotsoa amin'io fiofanana io,
inona ny antony mahatonga ahy hampianatra sy hampita io "tsiambaratelo lehibe" io hoy ise? tsotra ny antony: Ny fitiava-namana sy ny tanindrazana (ity planeta ity)
ny tanjona? mba ho tombotsoan'ny olona rehetra, ho fitsinjovana ny tontolo iainana, ary ho fialàna amin'ny voka-dratsy ateraky ny petrole....
fantatro fa saro-pady io resaka io, saingy tsy maninona e! raha misy mikasa hanala ny aiko ka ho faty aho , dia tsy maninona fa "Jehovah no mandahatra ny zavatra rehetra"
tsoriko ihany koa fa tsy izaho akory no namorona izany hoe rano avadika carburant na fanampina carburant izany fa efa ela izany no nisy, saingy vitsy no mahalala azy satria nafenina sy nisy nanafina hatrany izany..... Ampio aho Jesosy!
Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy
jeudi 6 septembre 2012
samedi 25 août 2012
Merci à Meli fa nanao vy very ny ainy niaro ny zazakely izy
Maro ny olona no mitaraina sy mimenomenona ny amin'ny ataon'ny mpanampy ao antranony, fa ny zavatra nitranga tato antrano inty dia hafa mihintsy satria dia nianjera tao amin'ny tohatra i Meli miaraka amin'ny zazakely, ary dia tsy niraharaha ny tenany mihintsy izy fa dia niaro ny zanakay hatramin'ny farany nandritra ny fianjeran'izireo, vokany? tsy naninona mihintsy ny zazakely (Antsa) fa i Meli kosa no voadona sy voa mafy ny lohaliny roa ... tena nampihetsi-po anay mivady iny zavatra nataon'i Meli iny, ary dia eo ampikarakarana ny fitsaboana azy ihany koa izahay izao, misaotra Meli fa tsy ho hadinonay iny nataon'ise iny
mardi 21 août 2012
MIDER'AZY VITA BACC
Migadona indray ity ny andiany
fahatelo amin'ny hetsika Mider'Azy vita BACC, izay fanaon'ny AJA, ary
amin'ity indray mitoraka ity dia ao amin'ny dome RTA no atao ny hetsika
ary iarahana amin'ny artista malaza sy sangany amin'ny hira fiderana:
TGC sy Antsa an'i Kristy, iarahana amin'ny Groupe Pray'fmahafinaritra sy mahavariana ahy ny fomba fiasan'ireto ekipa mikarakara ny andiany fahatelo ireto!! tena miaiky aho e! Bravo Jean Pierre sy ny ekipany e!
lundi 20 août 2012
Merci Cherie
Bonjour cherie!
misaotra betsaka tamin'ny fahatsiarovana ny anniversaire ko,
sambatra aho manana anareo efa-mianaka, fa be mpikarakara sy mpanampitamby tokoa...
fantatro fa tsy mba ahay mitia na mamaly mihoatra ny ataon'ialahy amiko aho, fa zavatra tokana ihany no ambarako
"izay tratry ny aiko no hataoko hanasoavana anareo, eny, mihoatra nohon'ny aiko aza! raha sitraky ny Tompo."
Merci!
vendredi 17 août 2012
FANAMBOARANA YAOURT SOJA
Yaourt Soja
- · Soja 1kapoaka
- · Rano 2litatra
- · Siramamy 10 sotro
- · Yaourt nature 2 sotro (ferment)
Fomba fanaovana azy:
- · Alona ny soja (indray alina)
- · Totoina amin'ny mixeur
- · Atao anaty rano 2litatra
- · Tatavanina ary somary fihazana
- · Rehefa vita izay dia andrahoina mandritra ny 30 minitra (tsimaintsy mangotraka)
- · Atao anaty soupière
- · Asiana siramamy
- · Potserina tsara ilay yaourt atao ferment ary arotsaka ao anatin'ilay ronono soja
- · Raha misy mivaingana dia potserina tsara
- · Atao anaty boite ary rehefa matimaty dia fonosina anaty lamba be mandritra ny 5 na 6 ora
- · Vita ny yaourt soja
jeudi 2 août 2012
SMS GRATUIT VERS LE MONDE
| Voilà une liste de Sites qui vous permettront d'envoyer des SMS gratuitement http://smsgupshup.com/ http://160by2.com/ http://www.atrochatro.com/ http://textograto.com/ |
mardi 24 juillet 2012
Hitako tam télé ! hono
| Sambany sady tsy nampozinay mivady ity nataon'i Kanto tamin'ny zandriny vokatry ny hatezerany......"tena zava-doza mihintsy" hoy i Tsiky kely! rehefa nanotaniana izy hoe "iza no nampianatra anao an'izany? dia tsotra kely no navaliny sady tsy taitra izy hoe "hitako tam télé" tsy mahazo mijery film mahery setra intsony ny zaza, ary na ireny film gasy ireny koa aza toa mampianatra azy hahay vava!!! pfff |
Inscription à :
Articles (Atom)

