Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

mardi 23 novembre 2010

Voady !

Voady !

Hiezaka anatanteraka ny voadiko hatrany aho ny amin'ny hikarakaranay mivady ny tanoran'ny Tomp, ka na inona na inona vato misakana , na inona na inona olana mitranga, tsy maintsy tanterahinay sy tontosainay ny voadinay aminy, fa anjarany kosa sisa no manatanteraka ny anjara fanekeny aminay mivady…


Rantsana vaovao…

Rantsana vaovao…

Lasa nisy rantsana vaovao hanampy ireo rantsana roa hafa izay efa mikarakara tanora ihany koa, milay izany! Sady ity rantsana vaovao ity dia hanana sehatra midadasika kokoa sy "liberté de movement" kokoa eto anivon'ny fiangonana, Tena tonga amin'ny tanjona notadiaviko hatrany amboalohany ny fandehanjavatra ankehitriny, dia ny hananan'ny tanora sehatra hivoarana, hifandraisana, hanompoana an'andriamanitra…(mahagaga ny Tompo , fa ao anatin'ny savorovoro sy ny sakoroka isan-karazany no miasa izy ary tsy ampoizina ny zavatra mipoitra, tena miara-miasa ahasoa izay tia an'Andriamanitra tokoa ny zavatra rehetra…)

 

Na eo aza ny fanahiako mahita ireo olon-dehibe izay ohatry ny mitsabaka loatra amin'ny fitantanana ny fanabeazana tanora dia tsy mampaninona izany! Ireo tanora promotion S koa tsinona efa hitako afaka manohy ny asa hanoro sy hiaro soamantsara ny tombotsoan'ireo zandriny …, efa nahazo sehatra sy manana ny maha izy azy ireo tanora ireo ankehitriny ka mahafaly ahy izany, efa mandray andraikitra daholo ny ankamaroan'ireo tinaiza fahiny na dia samy manana ny heviny aza….

 

23 Taona aho fony vao nanangana ny skoto izahay, ary ireo tanora tinaiza ireo kosa dia mihoatra noho izany ny taonany ankehitriny… ka milamina ny saiko, izaho aza zatovo kely iny nahavita , ka mainka fa izireo ankehitriny?


Misaotra ny tompo aho, fa namaly vavaka izy…

Misaotra ny tompo aho, fa namaly vavaka izy…

Tsy miova fa afaka mianatra soratra masina soamantsara ihany ny tinaiza amin'ny fotoana sy ora mahazatra, ary ny skoto ihany koa dia tsy voatohitohina amin'ny programan'asany…


Malakia ! malakia ! Dress & Keep

Malakia ! malakia ! Dress & Keep

Tafajoro tanteraka ny fikambanana Malakia, fikambanana nanjoro hoan'ny tanora sy hitsinjovana ny tontolo iainana,

Ireo sakaiza fahizay no mifandrimbona anatin'ity fikambanana ity, miampy ireo tapaka sy naman'izireo ihany koa, mino tanteraka aho fa  ahavita be amin'ny fiarahamonina sy amin'ny tanindrazana ny Malakia, na kely aza ny fiandohany…

 

Nafotaka tokoa ny doro tanety tamin'ity taona ity, sady nampirehetin'ny raharaha politika rahateo ny sasany raha ny filazan'ny mpanao fanadihadiana, atao ahoana re ity Madagasikara ity ?


vendredi 19 mars 2010

Taombaovao Malagasy

Namonjy ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy (Jiosy) tany amindry Dada izahay mianaka omaly talata 16 Mars 2010, Nasain'i Dada sy I Niry koa izahay ka dia namaly izany fanasana izany, izaho sy Kanto no nandeha, niampy an'i Nary sy vony telo mianaka. Ny mba hifankahita tava amin'ny Dada, Neny, Niry , Patrick moa no tena antony voalohany namalianay ny fanasana, sady efa elabe koa ny zanako no tsy nahita ny dadabeany !

Nahafinaritra ahy ny mahatsapa ny finiavan'ireo vondron'olona maro hanaja ny maha Malagasy, ary mitovy hevitra ny amin'izany aho, ka raha sanatria aza ka tsy  nanasa i Dada dia tsy maintsy nantrika tany amin'ny toeran-kafa aho, satria tiako ny taniko , sy ny fombany (raha mbola ara-Baiboly ihany)

Henoko koa fa sitrana i Zokivavy, tena vaovao mahafaly izany. Na izany aza dia lavitra loatra ilay toerana naleha satria efa tany @ Radio Nederland, any ambadika ben'I Sabnam no natao ny fety,

Nisy fampahafantarana tsotsotra ny tantaran'ny Jiosy (lalana nodiaviny) koa moa teo amin'ilay toerana, ka dia mba namerindesona kely teo ny tena. Ny fodiana no nafotaka satria nanao fety harivariva koa ny orana, tsy nisy niala maina fa dia samy kotsa avokoa…Tokony mba atao fety ofisialy amin'izay ny taombaovao Malagasy, tahaka ny an'ny sinoa, ny Maya sns. Sady tsy hitako izay maharatsy azy satria mifanaraka tsara amin'ny Baiboly ilay izy

vendredi 12 février 2010

Ho fahatsiarovana

 

Fa mba inona loatra re no mitranga ao antsain'ny olona anakiray ka mahatonga azy hamono tena ?... Ary inona ihany  koa no mitranga ao antsain'ny olona rehefa tsapany fa ho faty izy ?..Tena nahazendana ahy ny mieritreritra an'izany,

Vao andro vitsivitsy aho izao no naheno fa maty namono tena tamin'ny volana janoary teo ny tovovavy kely fantatro anakiray, azo lazaina hoe tanora beazina ihany izy na dia tsy ao anaty fikambanana iandreketako aza, efa nisy fotoana koa izy no tafaresaka antarobia matetika tamiko, mbola io olana ara-pitiavana io ihany sy nanatrika seminera nokarakaraina tao amin'ny Bibliotheque ihany koa.

Tao anatin'ny fotoana nahavery ny « finday » indrindra tamin'izany, ka tsy tratra antso mihintsy aho, sady tsy namangy no tsy nanotrona , tsy nandevina… (niady irery tao i L kely, nikarakara ny namany…)

Malahelo mafy aho maheno ny vaovao, tsy haiko, ohatry ny mahatsapa resy sy tsy nahomby izany aho, dia tena tsy nandaitra taminy ve ny torohevitra nomena azy ? taiza ar no misy lesoka ? ny torohevitra ve ? sa ny mpanoro hevitra, sa ny namana, sa ? asa re!, tovovavy toa ireny ve dia hamono tena ..?

…………………………………………………………………………………………..

 

Tamin'ny taona 2009 iny ihany koa no nandao tampoka anay i Nambinina, izy indray dia nindaosin'ny aretina tampoka ! Tovolahy mbola vao erotrerony izy, Nandalo tao antsaiko daholo ny fahatsiarovako azy, izy ilay tinaiza tonga voalohany hivory fony nanangana ny skoto TOM izahay, Hatramin'ny fotoana naha kely azy ka mandrak'izy tanora dia isan'ireo « tinaizako » foana izy, na tao amin'ny skoto izany na tao amin'ny sekoly sabata tanora, izy ilay mpamazivazy isak'izay mifanena, Mahay soratra masina, mpametraka fanotaniana saro-baliana sy mampiomehy ihany koa mandritra ny  fotoana fianarana ary na dia sendra mifanena koa aza ; Nisy fotoana izy no tsapako nanana olana, saingy taty aoriana izy dia tena « ao tsara » tokoa.

Tsy fantatro koa na mampalahelo na mahafaly fa dia tao anatin'izay izy « ao tsara » izay no nandao ny namana rehetra izy fa tojo an-drafahafatesana,

Raha ny sion-dresaka henoko dia efa nandindona azy ny hafatesany, ary dia afaka niomana tsara izy… (tena sambatra ihany le zandrikely !)

Anisan'ireo nandradraiko handimby anay amin'ny fiandraiketana ny tanora izy sy ireo mpiray dia aminy. Tsy mbola namoy tinaiza aho hatramin'izay, fa tena henjana !, tsy tanako ny ranomasoko, na dia tsy mba nitomany aza aho fony maty i Neninay, Ary tsy izaho irery fa ny sakaiza tanora rehetra dia saiky jembin'ny alahelo avokoa, tsy resabe fa tena mafy ilay « misaraka aman'aina »…,

 

Tena tsy ampoizina mihintsy ny fivadibadiky ny fiainana, fa aleo miambina,

Aleo tsy lany andro miady, mifamaly, mifanimba, na manao hadalàna fa araraoty ny fotoana misy mba  hifaliana, hifankatiavana, hanaovana izay mahasoa, mba marina moa !