Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy

vendredi 12 février 2010

Ahoana ihany ity krizy ity?

Ahoana ihany ity krizy ity ?

Samy manao izay hivoahany avokoa ny rehetra, mba te hivoatra ihany koa izahay roa,

Samy mitady tetika avokoa ny olona rehetra izao, ny sasany mirotsaka amin'ny sehatra politika , ny sasany miditra manao « afera » (na madio na maloto), fa izaho dia vaky loha…. Ny mpiasan'ny « zone » moa efa mitaintaina amin'ny fahatapahan'ny AGOA, soa ihany aho fa tsy miasa amin'ny zone intsony ! saiky ratsy iny !

 

Mba nahafinaritra ahy ny niady hevitra amin'ilay tovovavy manao stage ao amin'ny tanàna ! tena mahay zavatra maro tsy ampoizina izy (connaissance gle), mba tiako raha ho lasa tahaka azy ny zanako vavy, sady mieritreritra ny hitondra (vahoaka sa firenena) i kala kely…. Hum , samy mba te ho tafavoaka sy te hitondra ny anjarabirikiny amin'ity tany masina ity daholo e !

 

Sure aho fa tsy maintsy hifanena amin'ity « stagiaire » ity rehefa afaka taona vitsivitsy, ary ho tafavoaka soaman-tsara izy, enga anie mba tsy ho mpifaninana na mpifahavalo fa mba ho afaka hiara-muasa sy hifanampy,

Mba faniriana ny ahy e ! na dia tontolo samihafa aza no misy anay…

 

Ho hita eo e , ho raisina amin'ny fo Sariaka sy ny toe-tsaina « non violent » izay miseho eo!


jeudi 21 janvier 2010

ALAHELO MIFANONTONA....

Vao omaly aho no naheno vaovao fa marary hono i zoky vavy any comores, tena mba mampalahelo ahy izany vavao izany, ny telephonko koa anefa very, sady tsy afaka miantso aho no tsy tratra antso, i dada no niantso an'i Dina nampita izany vaovao ratsy izany, d sanatria ve dia halemy ny razokivavy? toa tsy hilay izany! aleo ankinina amin'Andriamantra,
mba tsy haiko ihany koa izany zavatra mampahasosotra an'i FL amiko izany, toa tezitra be hono izy ka nampiatso KM mihintsy, inona koa re izany e? izaho efa mba maka distance mihintsy .... d mbola voarakaraka foana ve nama! tsss

Sady very telephone aho no marary ny zokinay, no mbola tezitra amiko foana ilay efa tezitra amiko hatrizay! mahasosotra ny mieritreritra an'izany...
dia handefitra foana foana tokoa ve?

dimanche 30 août 2009

Nanambady Dada

Nanambady i Dada, taorian'ny nahafatesan'i Neny dia nanambady ihany i dada taona vitsy taty aoriana, mpiara-ivavaka aminy ihany no nalainy ho vady, tsotra dia tsotra ny fety , na izany aza dia faly izahay telo miana-dahy sy ireo vadinay avy nanatrika izany fisoratana izany, amin'izao fotoana izao anefa dia tsy mifanerasera aminay firy intsony izy, vokatrilay fivavahana arahiny moa no anton'izany, mampalahelo mafy ahy mihintsy izany satria misy fotoana dia manotany ny dadabeany ny zanako! I Nary mivady sisa no mba havana akaiky ahy, soa ihany fa mbola misy ny fianakavian'i Dina, io ny sary tamin'ny mariazin'i Dada

jeudi 9 avril 2009

Mba henjana koa ity volana Mars sy Avril ity, ny grevy sy ny gidragidra teto amin'ny firenena koa niatraika hatrany anaty vilany, ny olana teo am firenena misy taratra eo anivon'ny fiangonana ihany koa, gravy !
leo be ilay asako sahady aho, tsy ny asa fa ny ambiance

samedi 13 décembre 2008

hatreto aloha dia calme kely indray ny fo, efa vonona ny amin'ny zavatra rehetra, milay ny asa vaovao, tsotra sy tsy mirotoroto! mba handeha hanao congé miaraka amin'ny vady amanjanaka ela ny ela !

vendredi 14 novembre 2008

MATAHOTRA AHO

Nanonofy ratsy aho halina!
nofy mahakasika ny fiangonana!
maharary ahy ny kiboko isaky ny mieritreritra io nofiko io aho.

jeudi 30 octobre 2008

Tsy ilaina ny mifindra fiangonana...

  • Indraindray rehefa sendra olana eo anivon'ny fiangonana misy azy ny olona dia miezaka "manitsy" aloha izy, ary aty aoriana rehefa hitany fa tsy misy azo atao dia mifindra fiangonana izy.
Raha ny traik'efa nandalovako hatrizay anefa dia hitako fa tsy voatery ho ratsy hatrany na ratsy tsara hatrany ny "fiainan'ny fiangonana" satria na ireo vahoaka (fiangonana) na ireo mpitarika fiangonana dia "olombelona ihany". Indraindray "mety tsara ny fifandraisany amin'Atra, ary indraindray tsy mety, ny fahombiazany anio tsy miantoka ny fahombiazany rahapitso , toa izany koa ny fahalavoany anio dia tsy midika fa ho lavo hatrany izy....
  • Raha mahita fahamarinana vaovao ny olona dia rariny izy raha m ifindra fiangonana , fa raha mbola mitàna ny fahamarinana hatrany anefa ny fiangonany dia tsy misy antony tokony "hivoahany" satria tsy misy fahamarinana vaovao hita akory....
  • Midika ihany koa anefa izany fa "tsy azo lazaina fa mivoaka" izay mamonjy fiangonana hafa kanefa mitovy amin'ny fahamarinana niainany teo aloha no ao amin'ilay vaovao....
Aleoko tsy mifindra fiangonana , raha hoe tsy miova ny fahamarinana , na inona na inona faharatsiana hita sy re , ary tsapa,
  • Satria ny fahalavoako , na ny fahalavoan'ny hafa androany dia tsy midika fa ho lavo mandrakizay aho, ary ny olona no mety ho lavo fa tsy ny fahamarinana mihintsy...
Hatreto aloha !