| Vao omaly aho no naheno vaovao fa marary hono i zoky vavy any comores, tena mba mampalahelo ahy izany vavao izany, ny telephonko koa anefa very, sady tsy afaka miantso aho no tsy tratra antso, i dada no niantso an'i Dina nampita izany vaovao ratsy izany, d sanatria ve dia halemy ny razokivavy? toa tsy hilay izany! aleo ankinina amin'Andriamantra, mba tsy haiko ihany koa izany zavatra mampahasosotra an'i FL amiko izany, toa tezitra be hono izy ka nampiatso KM mihintsy, inona koa re izany e? izaho efa mba maka distance mihintsy .... d mbola voarakaraka foana ve nama! tsss Sady very telephone aho no marary ny zokinay, no mbola tezitra amiko foana ilay efa tezitra amiko hatrizay! mahasosotra ny mieritreritra an'izany... dia handefitra foana foana tokoa ve? |
Zoky Andry RAMAMBASON ANDRILAZA émission isika tanora radio fanambarana jeunesse apocalypsy
jeudi 21 janvier 2010
ALAHELO MIFANONTONA....
dimanche 30 août 2009
Nanambady Dada
jeudi 9 avril 2009
| Mba henjana koa ity volana Mars sy Avril ity, ny grevy sy ny gidragidra teto amin'ny firenena koa niatraika hatrany anaty vilany, ny olana teo am firenena misy taratra eo anivon'ny fiangonana ihany koa, gravy ! leo be ilay asako sahady aho, tsy ny asa fa ny ambiance |
samedi 13 décembre 2008
hatreto aloha dia calme kely indray ny fo,
efa vonona ny amin'ny zavatra rehetra,
milay ny asa vaovao, tsotra sy tsy mirotoroto!
mba handeha hanao congé miaraka amin'ny vady amanjanaka ela ny ela !
vendredi 14 novembre 2008
MATAHOTRA AHO
| Nanonofy ratsy aho halina! nofy mahakasika ny fiangonana! maharary ahy ny kiboko isaky ny mieritreritra io nofiko io aho. |
jeudi 30 octobre 2008
Tsy ilaina ny mifindra fiangonana...
- Indraindray rehefa sendra olana eo anivon'ny fiangonana misy azy ny olona dia miezaka "manitsy" aloha izy, ary aty aoriana rehefa hitany fa tsy misy azo atao dia mifindra fiangonana izy.
- Raha mahita fahamarinana vaovao ny olona dia rariny izy raha m ifindra fiangonana , fa raha mbola mitàna ny fahamarinana hatrany anefa ny fiangonany dia tsy misy antony tokony "hivoahany" satria tsy misy fahamarinana vaovao hita akory....
- Midika ihany koa anefa izany fa "tsy azo lazaina fa mivoaka" izay mamonjy fiangonana hafa kanefa mitovy amin'ny fahamarinana niainany teo aloha no ao amin'ilay vaovao....
- Satria ny fahalavoako , na ny fahalavoan'ny hafa androany dia tsy midika fa ho lavo mandrakizay aho, ary ny olona no mety ho lavo fa tsy ny fahamarinana mihintsy...
lundi 1 septembre 2008
FO MALAHELO
Na eo anivon'ny fiangonan'Andriamanitra aza...,
"Ary izao koa no efa hitako aty ambanin'ny masoandro; ao amin'ny ny fitoeran'ny fitsarana dia nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. "
Mpitor 3:16
Manamarina ny Soratra Masina rahateo moa izany, Ka inona moa no mahagaga sy mampalahelo anao eo ry foko? Mifikira mafy amin'Andriamanitra fa Azy ianao , fa tsy an'olona.
Inscription à :
Articles (Atom)