SAKAY PILOKELY SY HEMORROIDE : Avy amin'i Rija Tram : FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA AMIN'NY ASAN'NY PILOKELY AMIN'NY HEMORROIDE
Anisany nahasitrana Ahy io tamin'ny " Hémorroïde" : na dia efa nodidina
aho aza 10 Taona lasa dia mbola niverina ilay izy taty aoriana , ka
tamin'izany dia kivy tanteraka aho ka nanantona Hôpital iray teny Ilafy
mba hodidiana indray, satria tena tsapako fa nitovy tamin'ilay voalohany
ilay izy no nampijaly Ahy mafy. Rehefa nojeren'ilay
"professeur" aho dia nasainy nody mba hiala nenina fa tsy ho lany vola
amin'ny "opération "indray , ka tamin'izany no nanoroany Ahy hoe "sakay
pilokely maitso 7 isanandro atelina na tsakoana raha mataty dia arahina
rano mandritra ny herinandro;, dia averina kely isaky ny mitady
hihetsika . Fa sadaikatra ihany aho tamin'ny voalohany na dia
mpihinan-tsakay aza, fa milaza Aminareo aho fa sitrana ; tsy nila
nodidina akory aho, ary izay olona rehetra natoron'ilay "docteur " an'io
dia sitrana daholo ; ny zavatra tsapako dia tena olona tsara ilay
"docteur " satria raha nataony "opération" aho dia tena lany vola be
tokoa tamin'izany, ary betsaka ny olona natoroko an'io fa sitrana daholo
; fa ny fanamarihana Kely fotsiny dia sakay PILOKELY Ihany fa tsy mety
ny sakay tsy lanindimilahy.